20/01/2026
Ity madimozely ity izany nentin'ny reniny tao amiko nefa efa tanora be rononoππ izaho moa tonga dia mailo fa tsy vao voalohany no nisy nilaza hoe ity zanako ity tokotela... ππ ehhhh, AOKA ALOHA π
Mirana koa ato vao hitantara aho anie dia efa lohalaharana eh π nefa vao hoe ndeha mampiasa vatana dia i Lafatra no tazomina voalohany ππ
Efa niresaka an'i Lafatra ihany isika dia hotohizana ilay resakaππ.
Efa ho 3 andro ity madimozely no narary kibo hoy ny reniny. Izaho efa mailo ihany sao hoe te ahita ny hamanjako fotsinyπ.
Telo andro marary izany dia izay vao nahatsiaro an'i dokoteraππ. Mbola hiverenako ianareo mpanao an'ito π.
Tena narary azy aloha raha ity fahitako azy, rehefa nanomboka nanotany aho, dia tena sarotra ny tsy hilaza fa verivery aho aloha taminy voalohany satria dia tsy mahazatra ny nahazo ity madimozely ityπ.
Vehivavy lehibe moa izy ka dia navoakako ny reninyππ ie aza aimes les choses fa ahazoako valiny tsy misy manafinafina ity ππ .
Napetrako moa ny fanotaniana, hoe oviana ny fadimbolana faranyππ dia nilaza fa efa ho roa volana izao tsy tonga ππ.
Amin'ny maha dokotera tsara fanahy moa dia nanotany hoe oviana i Kevin no tsy nikilaoty farany πππ dia hita teo fa tena nifanojo tamin'ny fotoana mety nahalonaka an'ity namana ity.
Izaho moa nanotany test de grossesse, ka tena hoe ilay tao an-tsaiko no valinyπ, niasa i Kevin eh π.
Fa izany aza tsy mbola manazava ilay hoe maninona no marary kibo nekama atoπ€¦ββοΈ dia natao ny Γ©chographie ary tena nataoko nazava tsara ny antony mba ahafahan'ilay mpanao Γ©cho mitady izay zavatra tadiaviko.
Nivaly ka inona ary fa tena lozaππ
TSY TANATY TRANONJAZA ny vohoka, fa ANY ANATY KIBO MIRAIKITRA AMIN'NY TSINAY π.
Mbola misy tsy nazava ihany, fa maninona ny any no misy azy? π
Bon, niasa saina toa sinoa very entana aho moa, satria tena hoe zavatra tsy fahita firy ity π€¦ββοΈπ€¦ββοΈπ€¦ββοΈ ianareo tsy vitan'izay mampiakatra ny tosidrΓ ako fa mbola mampiasa ny saiko lalandava π€¦ββοΈπ€¦ββοΈπ€¦ββοΈ.
Rehefa natao ny fikarohana, dia hita tanaty analyse fa ARETINA AZO AVY AMIN'NY FIRAISANA no antony.
Gaga zao madame Rina hoe inona aky ny idirakoπ calmos fa hazavaiko anao.
β οΈRehefa mifandrovitra akanjo amin'ny Andry sy Toky ary Eric ianao, dia mety ahazo aretina tsy misy fambara azo avy amin'ny firaisana aranofo atao hoe CHLAMYDIA.
Io bakteria io dia mahatonga ny TROMPE tsy hiasa tsara. Hany ka rehefa miaona ao ny tia sy ny manina ka lasa ZAZA, dia tsy midina anaty tranonjaza ka io no atao hoe GROSSESSE EXTRA UTΓRINE.
Misy fotoana io latsaka anaty kibo, ka ilay TAVONY dia miraikitra amin'ny tsinay, mitombo ilay zaza, ka io no nahazo ity madimΓ΄zely ity.
io bakteria io dia mety ho azo any amin'ny WC PUBLIQUE tsy voadio tsara raha tsy mahay mampiasa ianao.
Notsaboina moa izy, soa fa hita aloha ka afaka najanona tamin'ny fanafody ilay vohoka mitera-doza. Avy eo notsaboina ilay CHLAMYDIA.
Ity madimΓ΄zely ity toa lasa mandalo lava ato amikoππ izaho moa rehefa aretina dia mandray aho, aretina ihanyππ.
β
Fehiny :
π Mahatonga fahasarotana mahazo zaza ny fanomezana faobe an'i PAKERETY raha mahazo aretina ianao, amin'io tsy hay hoe iza no tena niasa nahazoana azyπ
π Tandremo ny WC public fa maro ny aretina mety ho azo
π Rehefa marary kibo ka tena tsy zaka na miakatra ny fahatsapana marary dia avy hatrany mandeha dokotera fa tsy hoe andeha hiotra ππ
π Ny vehivavy marary kibo, tsy tokony hadino mihitsy ny test de grossesse π
π Manaova fanabeazan'aizana, ary ny fimailo tsy natao haingon'ny farmasia ho anao tsy mahazaka malailay ioπ
π Ary indrindra, ilay madama navoaka fa hoe iresaka amin'ny zanany aho dia nihevitra hoe ahazo vinanto tokotela π, calme aloha fa mba ahafahany miresaka tsy misy sakana iny.
Lava izay, fa tokotela aza anontaniana an'izany hoe manambady izany, maninona aho no asianao stress lava? π
Inona no marary anao by Dr H