
07/09/2025
Amin-kafaliana lehibe ho anay association LCDM ny nanombohana indray ny hetsika tamin’ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny tao amin’ny Toby Colonel Alphonse Rakotonirainy, ao amin’ny IAPKAR, eto Antananarivo, tamin’ity volana Septembra ity. Fanentanana izay natao ho an’ny miaramila sy ny fianakaviany.
En ce mois de septembre, nous avons ouvert nos activités par une séance de sensibilisation et d’information sur la drépanocytose ainsi qu’une communication sur les dangers de la malnutrition sur le développement du cerveau, au Toby Colonel Alphonse Rakotonirainy, à l’IAPKAR, auprès des militaires.
Misaotra an'i Colonel Lanto Eric Rakotondrahona izay Directeur Executif ary mpiandraikitra ny "Médiathèque" nanomboka tamin'ny 2016, sy ny mpiara miasa aminy izay nandray anay, ary koa ny fikambanana AMCAR izay nahafahana nanatontosa izao hetsika izao.
Colonel Lanto Eric Ratovondrahona ,qui gère la médiathèque depuis 2016 en tant que Directeur exécutif et qui nous a reçu ainsi que ces collaborateurs.
Hita taratra fa tena ilaina mafy ny fanarenana sy ny fanamafisana ny fanentanana ary ny fahazahoana manao fitiliana manerana ny Nosy. Misoroka, mitsinjo ary ny fahasalamam-bahoaka tsy an-kanavaka no tanjona. Toe-batana, zenetika, manaranaka tsy mifindra ny drépanocytose na Faingosela. Tsy mifidy sarangan’olona ary tsy mifidy fiaviana, na foko.
Nanoka-potoana hiresahana ny voka-dratsin’ny tsy fahampian-tsakafo, tsy fanjarian-tsakafo ihany koa ny tenanay, izay manomboka avy any am-bohoka ka hatramin’ny faha roa taonan’ny ankizy izany. Raha sendra tsy voahaja izany dia ho hita taratra amin’ny toe-batana sy ny fivoarana ara-pahalalàna izany (an-tsekoly sns ).
Ny fanabeazana sy fanentanana dia fiarovana ny hoavin’ny firenena.Tsara marihina ihany koa fa ny IAPKAR (Ivon-toerana Anovozam-Pahalalana Kolonely Alphonse Rakotonirainy “La Médiathèque”), tantanan’ny fikambanana AMCAR, dia toerana misokatra ho an’ny miaramila sy ny fianakaviany. Afaka nitsidka an’izany IAPKAR izany izahay ary hita ao avokoa ireo boky isan-karazany izay ilaina, na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe.
Ho an’ireo tanora any am-pianarana , na université izay indrindra amin’ny fotoam-panadinana ary koa ny olon-dehibe. Misokatra malalaka ny Alarobia sy ny Zoma. Vatsy sy lova sarobidy izany Ivon-toerana Anovozam-Pahalalàna izany ho an’ny fampandrosoana ary indrindra ho an’ny ankizy.
Mankasitraka indrindra an’ireo rehetra tonga sy nandray anjara tamin’ny adihevitra.