OGEM - Ordre des Géomètres Experts de Madagascar

OGEM - Ordre des Géomètres Experts de Madagascar OGEM est un Ordre professionnel groupant les personnes habilitées à exercer la profession de Géom

AZAFADY HO ANAREO NAMANA REHETRA IZAY MAHITA ITY FILAZANA MAIKA BE ITY MBA HANAPARITAKA AZY FA MAMPALAHELO NY MAHITA OLO...
09/08/2018

AZAFADY HO ANAREO NAMANA REHETRA IZAY MAHITA ITY FILAZANA MAIKA BE ITY MBA HANAPARITAKA AZY FA MAMPALAHELO NY MAHITA OLONA MARO VOASOLOKY VOLABE SY VERY DOSSIERS NOHON'NY FISANDOHANA HO GEOMETRE EXPERT SY NY FISOLOKIANA. HANAMPY OLONA MARO NY FIZARANAO IITY FILAZANA MAIKA BE ITY. MISAOTRA MIALOHA

FILAZANA MAIKA BE

Maro be ny olona mpisandoka ho Géomètre Expert ka misoloky sy mamita-bahoaka. Efa maro ny olona voafitaka sy voasoloky vola be sy very dossiers ka tonga manao fitarainana aty amin'ny Ordre des Géomètres Experts de Madagascar. Noho izany sy ho fisorahana ny sandoka sy fisolokiana dia manasa ny rehetra izahay mba samy ho mailo ka haka izao fepetra manaraka izao!

1. Araka ny lalana 2011-005 tamin'ny 01 aogosita 2011 dia tsy maintsy ny Géomètre Expert irery ihany fa tsy ny mpiasany na ny solontenany no afaka manao ny asa rehetra fandrefesantany eto Madagascar (fanaovana baorina, fanaovana saritany, sns). Noho izany dia tsy maintsy manatrika eny antsaha (terrain) ny géometre expert mandritra ny fotoana rehetra hanatanterahana ny asa fandrefesana.

2. Marihana fa ny fikarohana natao dia manamafy fa ny fisandohana ho géomètre expert na ny tsy fanatrehan’ny géometre expert eny antsaha dia antony iray lehibe mahatonga fahadisoan’ny saritany (plan) izay miteraka ady tany any aoriana, ka amin’izay sady ho sahirana ianao no ho lany vola indray.

3. Alohan’ny hanombohan’ny asa, dia takio amin’ny géomètre expert mba hasehony ny vahoaka manatrika ireto zavatra telo ireto : Photocopie certifiée de Carte d’Immatriculation Fiscale 2018, Carte professionnelle de Géomètre Expert 2018 ary ny Attestation d’Affiliation à ‘l’ordre des Géomètres Expert de Madagascar (ity farany ity dia tsy manankery raha mihoatran’ny telo volana). Raha tsy misy ny iray amin’ireo taratasy ireo dia ajanony avy hatany ny asa fa mety efa tsy géomètre expert intsony ilay olona . Marihana fa marobe ireo géometre expert taloha no efa tsy géomètre expert intsony amin’izao fotoana izao. Ny ordre de géomètre expert irery ihany no afaka milaza na mbola manao ny asan'ny geometre expert ny olona iray na tsia. Ka aoka ho mailo hatrany

4. Raha tsy tonga ny Géomètre Expert dia aoka ajanona tsy misy hata-kandro ny asa na inona na inona ny antony tsy mahatonga azy. Raha mbola mikiry manao ny asa ilay olona tsy géomètre expert, dia fisandohan’andraikitran’ny géomètre expert no dikan’izany.

5. Takio ny hanaovana fifanarahana ara-barotra na contrat commercial (devis voasonianao mampanao ny asa sy ny géomètre expert. Atao dika roa mitovy ka ny iray ho anao ary ny iray hafa ho an'ny géomètre expert. Raha sanatria tsy vita ny asa dia afaka manampy anao izahay ho fanasaziana ilay géomètre expert. Marihana fa ny fanasaziana dia mety hiafara amin'ny famafana ny anarany (radiation) tsy ho géomètre expert intsony

6. Takio ny facture rehefa manome vola . Atao dika roa mitovy ka ny iray ho anao ary ny faharoa ho an'ny géomètre expert. . Rehefa voarain'ny geometre expert ny vola, dia asaivo asiany soratra hoe "EFA VOALOHA NY VOLA REHETRA " sy daty ary sonia ny facture . na manome rosia manokana nandraisany vola izy.

7. Rehefa vita ny asa dia asaivo manome taratasy manamarina izy fa efa vita ny asa.(bon de livraison) izany dia asianao daty sy sonia ho porofo fa manaiky marina ianao fa vita tokoa ny asa ary nahafa-po anao.izany.

8.Tsy ampy ny mijery ny anaran'ny géomètre expert ao amin'ny tableau de l'ordre satria isakan'ny roa taona vao misolo izy io kanefa misy géomètre expert vaovao isan-taona izay tsy voasoratra anarana ao ary misy koa ireo izay mitsahatra tsy géomètre expert intsony amin'ny fotoana rehetra nefa ny anarany mbola misoratra ao amin'ny tableau de l'ordre.

9Tsy ampy ny karatra maha-géometre expert satria herintaona ny mahamanankery azy io. Nefa eny anelanem-potoana eny dia mety mitsahatra tsy manao ny asa intsony ilay géomètre expert (radiation) ka noho izany amporisihana ianao hitaky ihany koa ny Attestation d’affiliation à l’ordre des géomètres experts izay porofo manamarina fa mbola géometre exeprt ny olona iray . Telovolana ihany ny faharetan'ny attestation izay omenay mba ho fiarovana anao amin'ny fisolokiana sy ny fisandohana ho géometre expert.

10 Raha mpisandoka ho géomètre expert no mitady hanao ny asa eny antsaha dia iangaviana ianao hametraka fitoriana avy hatrany eny amin’ny fitsarana, biraon’ny polisy na zandarmariam’pirenena. Arakan ny lalana manko dia mampigadra enim-bolana ka hatramin’ny roa (2) taona ny fisandohana ho géomètre expert.

11. Raha sanatria ka voasoloky ianao na very ny dossier nao nohon'ny tsy fanarahanao ireo torimarika ireo dia miala tsiny izahay tompoko fa tsy misy na inona na inona azonay atao hanampiana anao. Nefa mampanantena anao izahay, fa raha narahanao ireo toro-marika ireo ka géomètre expert no nanao ny asa nefa tsy vita izany na very ny dossier dia raisinay ny andraikitra ho fanasaziana ilay géomètre expert.

Raha mila fanazavana dia antsoy ny biraon'ny ordre des Géomètres Experts de Madagscar
020. 22.207.93 /034.10.016.32
Misaotra Tompoko
Ny BIraon'ny OGEM

FILAZANA MAIKA BEMaro be ny olona mpisandoka ho Géomètre Expert ka misoloky sy mamita-bahoaka. Efa maro ny olona voafita...
07/08/2018

18/05/2018
15/05/2018

Bonjour à tous les membres, voici donc la nouvelle page officielle de l'OGEM, veuillez inviter nos amis à aimer notre page.

Address

Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

020 22 207 93

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when OGEM - Ordre des Géomètres Experts de Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to OGEM - Ordre des Géomètres Experts de Madagascar:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram