Ordre National des Pharmaciens de Madagascar

Ordre National des Pharmaciens de Madagascar Farmasiana : mpiasan'ny Fahasalamana akaiky anao indrindra ! 💚

Le Pharmacien : professionnel de Santé proche de la population 💚

📌Lisitr’ireo farmasia misokatra manao fiandrasandraharaha eto Madagasikara ny Sabotsy 02 May ka hatramin’ny Sabotsy 09 M...
02/05/2026

📌Lisitr’ireo farmasia misokatra manao fiandrasandraharaha eto Madagasikara ny Sabotsy 02 May ka hatramin’ny Sabotsy 09 May 2026.

ℹ️ Misy ihany koa ireo farmasia misokatra 7j/7 sy 24h/24 na isan’andro manodidina antsika.

Aza adino ny mitandrina rehefa mivoaka, ary mirary fahasalamana ho an'ny rehetra ✨

------------------

📌 Liste des pharmacies de garde à Madagascar du samedi 02 Mai au samedi 09 Mai 2026.

ℹ️ Des pharmacies en zones périphériques (rurales) sont également ouvertes 7j/7 et 24h/24.

Restez prudents 😷 et prenez soin de vous ✨

⚕️ PHARMACIE IARIVO SOARANO : 35 TAONA 🎉🎂 Voninahitra lehibe ho anay biraon'ny filan-kevitry ny Holafitry ny Farmasiana ...
01/05/2026

⚕️ PHARMACIE IARIVO SOARANO : 35 TAONA 🎉

🎂 Voninahitra lehibe ho anay biraon'ny filan-kevitry ny Holafitry ny Farmasiana eto Madagasikara ny nanatrika ny fankalazana ny faha-35 taona nandraisan-dRamatoa Dr RAHARISAINA RABODOLALAO Antoinette ny Pharmacie Iarivo, anio 01 mey 2026, tao amin'ny Le Pavé Antaninarenina.

🧑🏽‍⚕️ Mahafinaritra tokoa ny mahita fa nahavita asa fanompoana tao anatin'ny taona maro ny Farmasiana mpitantana sy ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny Farmasia.

🥈🥉 Nisy ihany koa ireo mpiara-miasa efa naharitra ela tao amin'ny Farmasia ka nisitraka mari-boninahitra avy amin'ny Ministeran'ny Asa, ny Fampananan'asa sy ny Asam-panjakana. Arahabaina!

🙏🏽 Mirary soa ny Pharmacie Iarivo ho ela velona, hahaleo hahalasana, ary ho Tahian'Andriamanitra hatrany amin'ny asa ho an'ny Fahasalamam-bahoaka !

🫂 Manatona anao hatrany ny Farmasiana 💊 Hahafahanao misitraka FANAFODY AZO ANTOKA !💚 Tarigetranay sy Vina lehibe ho ants...
29/04/2026

🫂 Manatona anao hatrany ny Farmasiana 💊 Hahafahanao misitraka FANAFODY AZO ANTOKA !

💚 Tarigetranay sy Vina lehibe ho antsika rehetra ny hametraka Farmasia sy Farmasiana amin'ny toerana rehetra 🙏🏽

28/04/2026

📣📣 Manasa anao hihaino 📣📣

🚨🚨TSY TOY NY ENTAM-BAROTRA REHETRA NY FANAFODY 🚨🚨

🙌🏽🙏🏽 Misaotra anao manome fitokisana ny Farmasiana sy ny Farmasia

☝🏽 Ao anaty horonantsary no misy ny fanazavana mikasika ny maha samy hafa ny Farmasia sy ny "dépôts de médicaments"




📌Lisitr’ireo farmasia misokatra manao fiandrasandraharaha eto Madagasikara ny Sabotsy 25 Aprily  ka hatramin’ny Sabotsy ...
25/04/2026

📌Lisitr’ireo farmasia misokatra manao fiandrasandraharaha eto Madagasikara ny Sabotsy 25 Aprily ka hatramin’ny Sabotsy 02 May 2026.

ℹ️ Misy ihany koa ireo farmasia misokatra 7j/7 sy 24h/24 na isan’andro manodidina antsika.

Aza adino ny mitandrina rehefa mivoaka, ary mirary fahasalamana ho an'ny rehetra ✨

------------------

📌 Liste des pharmacies de garde à Madagascar du samedi 25 Avril au samedi 02 Mai 2026.

ℹ️ Des pharmacies en zones périphériques (rurales) sont également ouvertes 7j/7 et 24h/24.

Restez prudents 😷 et prenez soin de vous ✨

💚 Manana Farmasia amin'izay ny tanànan'i Faratsiho ‼️🇲🇬 Mandroso tsikelikely amin'ny fanokafana Farmasia amin'ny toerana...
23/04/2026

💚 Manana Farmasia amin'izay ny tanànan'i Faratsiho ‼️

🇲🇬 Mandroso tsikelikely amin'ny fanokafana Farmasia amin'ny toerana mbola tsisy azy ireny ny Holafitry ny Farmasiana !

⚕️ Misy ihany koa ny toerana hafa izay mitazona sy mikirakira fanafody nefa tsisy Farmasiana ka efa mankany amin'izay làlana izay ihany koa ! Tsy mora fa mandeha miandalana daholo izany 😊 Tsy maintsy tonga amin'ny tanjona iriana, manasoa ny vahoaka sy mitandro ny Fahasalamany 💚

📸 Sary : SDSP Faratsiho / Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

🗓️ FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FARMASIANA📆 ALAKAMISY 25 SEPTAMBRA 2025📍 AKOOR DIGUE ANDOHATAPENAKA⏱️ ...
22/04/2026

🗓️ FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FARMASIANA

📆 ALAKAMISY 25 SEPTAMBRA 2025
📍 AKOOR DIGUE ANDOHATAPENAKA

⏱️ Mandeha haingana ny fotoana ! Efa volana maromaro izay ny niarahanay Farmasiana nankalaza ny andro iraisam-pirenena natokana hoa anay niaraka taminareo teo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.

✅ Ny lohahevitra lehibe tamin'io dia ny hoe "Mihevera Fahasalamana, Mihevera Farmasiana"

🧑‍⚕️Eny, tena Mpiasan'ny Fahasalamana manana ny mampiavaka azy tokoa ny Farmasiana :
💊 Anisan'ny akaiky indrindra ny vahoaka ;
💊 Matianina amin'ny fikirakiràna fanafody sy ny fizaràna azy ireny satria nianatra manokana momban'izany nandritra ny taona maro ;
💊 Manome torohevitra momban'ny fihinanana sy fampiasana fanafody ;
💊 Manome torohevitra sy torolàlana araky ny toe-batan'ny olona tsirairay avy ary manoro izay tokony atao tsy mivoana amin'ny traikefa ananany ;
💊 Mifanampy sy mifameno amin'ny mpiasan'ny Fahasalamana hafa amin'ny fandraisana an-tànana ny marary tsirairay avy ;

📚 Raha ny Farmasiana eny amin'ny Farmasia no fantatry ny olona indrindra dia mbola misehatra amin'ny toerana maro isan-karazany ihany koa ny Farmasiana : biraom-panjakàna, hopitaly, fampianarana, fikarohana ara-tsiansa, indostria, sns.

ℹ️ Tamin'io andro io dia nanazava ny momban'izany izahay ary afaka nanatona anay teny amin'ny Farmasia ihany koa ianareo izay liana amin'ny asanay.

🤝 Miezaka hatrany izahay hanakaiky anareo, hampitombo ny isan'ny Farmasia ary hisehatra amin'ny toerana rehetra misy fanafody ho antoky ny Fahasalamanareo.

❗️ Koa aza misalasala ary manome fitokisana anay sy manatona anay fa handray anareo am-panetretena sy am-pitsikiana izahay (toy ny Filohan'ny Holafitry ny Farmasiana naka sary niaraka tamin'ny vitsivitsy aminareo😊)

💚 Mihevera Fahasalamana, Mihevera anay Farmasiana 💚

🙏 Mankasitraka sy misaotra an'ireo malala-tànana rehetra nandray anjara amin'ny lafiny samy hafa nahafahana nanantanteraka an'iny fankalazàna iny !






📌Lisitr’ireo farmasia misokatra manao fiandrasandraharaha eto Madagasikara ny Sabotsy 18 Aprily  ka hatramin’ny Sabotsy ...
18/04/2026

📌Lisitr’ireo farmasia misokatra manao fiandrasandraharaha eto Madagasikara ny Sabotsy 18 Aprily ka hatramin’ny Sabotsy 25 Aprily 2026.

ℹ️ Misy ihany koa ireo farmasia misokatra 7j/7 sy 24h/24 na isan’andro manodidina antsika.

Aza adino ny mitandrina rehefa mivoaka, ary mirary fahasalamana ho an'ny rehetra ✨

------------------

📌 Liste des pharmacies de garde à Madagascar du samedi 18 Avril au samedi 25 Avril 2026.

ℹ️ Des pharmacies en zones périphériques (rurales) sont également ouvertes 7j/7 et 24h/24.

Restez prudents 😷 et prenez soin de vous ✨

16/04/2026

💊💊💊 SOPAPA FARMASIANA, Episode 4
Fantatrao ve fa hafa mihintsy ny tokony atao raha misy aretina mitaiza toy ny ASTHME, DIABETE, HYPERTENSION na fiakaran'ny tosi-drà...
⭐ Tandremo fa miteraka voka-dratsy ny fanapahana ny fihinanana fanafody mifanaraka amin'ireo aretina ireo

Mety mahaliana anao ve, araho ary ny fandaharana miaraka amin'ny dokotera Farmasiana,💁 Fifaliana Libération Prolongée

Ato ilay sopapa🔑

12/04/2026

📣 Mazotoa mihaino daholo o! 👂🏽

📌Lisitr’ireo farmasia misokatra manao fiandrasandraharaha eto Antananarivo Renivohitra ny Sabotsy 11 Aprily  ka hatramin...
11/04/2026

📌Lisitr’ireo farmasia misokatra manao fiandrasandraharaha eto Antananarivo Renivohitra ny Sabotsy 11 Aprily ka hatramin’ny Sabotsy 18 Aprily 2026.

Arakin'ny lamina vaovao dia misy isakin'ny boriboritany enina ny farmasia mpiandry raharaha 💊

ℹ️ Misy ihany koa ireo farmasia ivelan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra misokatra 7j/7 sy 24h/24 na isan’andro manodidina antsika.

Aza adino ny mitandrina rehefa mivoaka, ary mirary fahasalamana ho an'ny rehetra ✨

------------------

📌 Liste des pharmacies de garde à Antananarivo Renivohitra du samedi 11 Avril au samedi 18 Avril 2026.

Chaque arrondissement bénéficie d'une ou plusieurs pharmacies de garde selon la nouvelle répartition 💊

ℹ️ Des pharmacies en zones périphériques (rurales) sont également ouvertes 7j/7 et 24h/24.

Restez prudents 😷 et prenez soin de vous ✨

🏠 Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka FIHAONANA TAMIN-DRAMATOA MINISITRA MISAHANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA🫱🏾‍🫲🏽 Raha azo amp...
10/04/2026

🏠 Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

FIHAONANA TAMIN-DRAMATOA MINISITRA MISAHANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

🫱🏾‍🫲🏽 Raha azo ampiasaina ireto teny ireto dia faly sy ravo ny Holafitry ny Farmasiana nihaona sy nitafa tamin'i Dr MAGNANA Monira, Minisitra misahana ny Fahasalamam-bahoaka.

⚕️ Nitondra ny teny fiarahabana no tena votoatin-dresaka ary nitohy tanaty firahalahiana tanteraka niresaka ny programa sy vina iombonana. "Iray isika ary azon'ny Ministera tsara ny mahasaropiaro ny Farmasiana amin'ny asany" izay no tenin-dRamatoa Minisitra. Nanampy moa ny Holafitra fa mifameno ny asan'ny Dokotera mpitsabo sy Farmasiana. An'ny andaniny ny fitsaboana ary an'ny ankilany ny fanafody. Izy ireo no mpiasan'ny Fahasalamana akaiky indrindra ny vahoaka.

🧑‍🤝‍🧑 Mifanome tànana, mifampiresaka, miara-miasa ny Holafitra sy ny Ministera. Manaja ny ara-drariny sy ny ara-dalàna amin'ny asa fanompoam-bahoaka. Io fifandraisana io dia hamafisin'ny fisian'ny sampan-mpitantanana voatokana ho an'ny Farmasiana roa lehibe ao amin'ny Ministera, dia ny Direction de l'Agence du Médicament de Madagascar (DAMM) sy ny Direction de la Pharmacie, des Laboratoires et de la Médecine Traditionnelle (DPLMT) izany.

🙌🏽 Hitohy sy hilamina hatrany anie izao fiaraha-miasa izao!

_____________________________________________________

VISITE DE COURTOISIE AUPRÈS DE MADAME LE MINISTRE DE LA SANTÉ PUBLIQUE

🫱🏾‍🫲🏽 Le Conseil de l’Ordre National des Pharmaciens se réjouit d’avoir rencontré et échangé avec le Dr MAGNANA Monira, Ministre de la Santé Publique.

⚕️ Les échanges ont principalement porté sur les salutations d’usage, dans une ambiance fraternelle, avant d’aborder les programmes et les visions communes. « Nous sommes unis et le Ministère comprend pleinement les préoccupations des Pharmaciens dans l’exercice de leur métier », tels ont été les propos de Madame la Ministre. Le Conseil de l’Ordre a également souligné la complémentarité entre le rôle du médecin et celui du pharmacien : à l’un le soin, à l’autre le médicament. Ce sont les professionnels de santé les plus proches de la population.

🧑‍🤝‍🧑 Le Conseil de l’Ordre et le Ministère avancent main dans la main, dans le dialogue et la collaboration, dans le respect des règles et de la légalité au service de la population. Cette relation est renforcée par l’existence, au sein du Ministère, de deux directions dédiées aux pharmaciens : la Direction de l’Agence du Médicament de Madagascar (DAMM) et la Direction de la Pharmacie, des Laboratoires et de la Médecine Traditionnelle (DPLMT).

🙌🏽 Que cette collaboration se poursuive et se consolide durablement !

Address

Lot II A 138 Route De Nanisana
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Telephone

+261349269021

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ordre National des Pharmaciens de Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Ordre National des Pharmaciens de Madagascar:

Share