12/01/2026
Iza amintsika ato no lasa nihena rehefa avy niteraka? 🤱⚖️ Izaho anisan'izany 🙋🏽♀️✨. Ngeza kokoa aho tamin'ny mbola tsy niteraka ary rehefa niteraka ny zanako dia voalohany dia nihena be lavitra noho ny tamin'ny demoiselle (fa tiako ihany aloha 😄). Mahagaga e? 😲 Tsy tokony hihangeza ve nefa? 🤔
Dia izao no antony 👇: ny ankamaroan'ny vehivavy aloha dia mahazo aina rehefa avy teraka ary mihamihena tsikelikely avy eo 🤍, fa misy vehivavy tonga dia mora mihena rehefa afaka herinandro vitsy ⏳⬇️. Mandritra ny vohoka dia misy hormones maromaro miakatra (progesterone, estrogene, cortisol, sy insuline) 🧬📈 mba ahafahana mihazona ny zaza ho salama sy hitombo tsara 👶💗. Rehefa teraka dia midina haingana ireo hormones ireo ⬇️⚡, indrindra ny estrogene sy progesterone. Ka izy io dia mahatonga ny fitomboan'ny ny metabolisme haingana tampoka 🔥, mampihena ny fahazotoan-komana 🍽️❌, mahatonga ny rano very 💧⬇️.
Hormone iray tena zava-dehibe koa ny "prolactine" 🧠🍼, izay miakatra rehefa mampinono 🤱. Mila "energie" betsaka ny fampinonoana ⚡⚡, ka misy vehivavy mihena be rehefa mampinono ⬇️😯.
Misy ihany koa ny "hormone de stress" (cortisol) 😵💫. Rehefa teraka dia matetika tsy ampy torimaso 😴❌, ka miakatra ny cortisol 📈. Raha ho an'ny olona sasany, mahatonga azy hahazo aina ny fiakaran'io hormone io 😌, misy indray ny sasany lasa tsy matozo homana 🍽️❌, mihena ny hozatra 💪⬇️ ary lasa mihena (ny lanja) ⚖️⬇️. Tsy votery ho tavy anefa no mihena fa hozatra sy rano no betsaka 💧💪.
Ny thyroide ihany koa dia manana anjara lehibe rehefa aorian'ny fiterahana 🦋. Lasa miasa bebe kokoa ary betsaka kokoa ny hormone thyroidienne mivoaka ⚙️📈, hany ka lasa miteraka fihenana haingana ⬇️⚡, harerahana 😓, fidoboky ny fo haingana ❤️💨 ary mety hiteraka rarin-tsaina ihany koa aza 😔.
👉 Tsara ho tadidiana 🧠💡: na dia mety hahafinaritra aza ny fihenana rehefa avy teraka, ny fihenan-danja haingana loatra dia tsy mahasalama ⚠️ (maximum: 1kg/herinandro). Ary raha miaraka amin'ny harerahana diso tafahoatra 😩, fanina 😵, fihintsanan'ny volo 💇🏽♀️⬇️, havizanana tafahoatra dia tsara raha manantona mpitsabo 🩺👩⚕️.
Samihafa ny vatan'ny olona tsirairay avy 🌸. Ianao mahalala ny vatanao 💞, tsy voatery hihena haingana fa ho avy eo foana izany ⏳✨. Mandeha tsikelikely io 🐢, manana faharetana 🤍, ary araraoty ny fanananao ny menaky ny ainao 💛🙏
Zarao hoe ny apareo eto ambany 👇