19/03/2026
🧠 Mba fantatrareo ve fa 2/3 ny olona voan'ny Alzheimer dia vehivavy avokoa?
Andao fa lazaiko aminareo ny antony.
Marina fa ny olona antitra no matetika voan'izy io, saingy tsy hoe zavatra normal tokony hitranga akory izy io rehefa miha antitra ny olona iray.
⚠️ Ny fihenan'ny Estrogene dia manampy amin'ny fitrangan'izy ity, satria tsy resaka reproduction fotsiny no ilana ny estrogene fa miaro ny atidohantsika koa izy.
✨ Manampy amin'ny fihenan'ny inflammation ao amin'ny selan'ny atidoha izy, mihazona ny fahasalaman'ny lalan-dra ao amin'ny atidoha ary manampy amin'ny fihazonana ny fitadidiana koa izy.
Noho izany rehefa mihena ny estrogene, dia misy fiantraikany lehibe amin'ny fiasan'ny atidoha.
💪 Aza kivy anefa fa misy ny vahaolana:
Misy ny manao ny hormonothérapie (fitsaboana amin'ny alalan'ny hormone) mialohan'ny tena hanombohan'ny menopause. Ary betsaka no mahita vokatsoa avy aminy.
Fa ho antsika izay te hiditra amin'izy io, inona no azo atao?
🥗 Sakafo betsaka proteine (tsy ahitana siramamy loatra - sucre ajoute), sakafo tsy nahodina, ara-pahasalama fidiana
🏋️♀️ ary indrindra indrindra ny exercice (fibatana poids araka izay zaka ary ampitomboina tsikelikely) dia miaro amin'ny Alzheimer, manampy amin'ny fikorian'ny ra anaty atidoha, manampy amin'ny fihazonana ny muscle, manampy amin'ny famoronana proteine ilaina amin'ny fahasalaman'ny selan'ny atidoha (neurone), ary miaro ny "hippocampe" mba tsy hifintina, izay anisany faritra mihazona ny fitadidiana sy manampy amin'ny fahafahana mianatra zava-baovao.
⏰ Raha 30 taona latsaka ianao, dieny izao dia araho ny toro-hevitra, ary na dia efa ao anatin'ny menopause aza, dia ataovy izay hanarahanao ireto torohevitra ireto mba ho salama hatrany ny atidoha ary afaka mikarakara ny tenanao sy ny fianakaviana mandrakariva ianao.
💖