Santé Naturelle AINA SOA

Santé Naturelle AINA SOA 🌿 Produits & soins naturels
💊 Santé – Bien-être – Vitalité
📍 Madagascar | 📲 WhatsApp disponible

Lozam-piarakodia mahatsiravina tany ivelany tany izy ity.🚨 Tanora vao heritreriny efa-dahy (16 hatramin’ny 18 taona) no ...
27/04/2026

Lozam-piarakodia mahatsiravina tany ivelany tany izy ity.

🚨 Tanora vao heritreriny efa-dahy (16 hatramin’ny 18 taona) no namoy ny ainy vokatrio lozam-pifamoivoizana mahatsiravina io tao amin’ny Marne.

Ny fiara nentin’izy ireo, tovolahy iray vao 17 taona f efa manana permis no nitondra azy, nifandona mafy be tamin’ny hazo teo amin’ny sisin-dalana. Maty teo no ho eo izy efa-dahy tao anatin'ilay fiara.

👉 Efa nosokafana ny fanadihadiana mba hamantarana ny antony sy ny zava-nitranga.

Loza lehibe nampalahelo sy nampihorohoro ny faritra manodidina mihintsy ilay izy. 😔

🙏 Fiononana ho an’ny fianakaviana sy ny havan’ireo niharam-boina.
Mandria am-piadanana izy ireo. 🕊️

Gossip Room

27/04/2026

Moramora ihany na dia tezitra aza ry moto fa manjary ny aina anie no manefa e😨

27/04/2026

Noheverin'ilay alika fa borne dia namanizany 😂😂😂

Alaivo sary an-tsaina  anie hoe misy tarehy iray simba tanteraka noho ny lozam-pifamoivoizana: vaky sy potika ho lasa so...
27/04/2026

Alaivo sary an-tsaina anie hoe misy tarehy iray simba tanteraka noho ny lozam-pifamoivoizana: vaky sy potika ho lasa sombiny maro ny taolan-doha sy ny valanorano rehetra, toy ny vaki-tavoangy niparitaka mihintsy.

Izany no nanjo ilay tovovavy iray 25 taona, izay voavonjin’ny ekipa mpandidy manokana ny tarehiny sy valanorano nandritra ny fandidiana naharitra adin'ny 8 ora.

Nampiasa:
takelaka titane
visy madinika be
ary kofehy

izy ireo mba “hamatotra” indray ireo taolana tapaka:
orbites (manodidina ny maso)
maxillaire (valanorano ambony)
zygomatiques (taolan-takolaka)

ka naverina indray ny endrikany sy ny fiasan’ny tarehiny.

Ity karazana fandidiana ity dia antsoina hoe , izay mampifandray tsara ireo taolana vaky amin’ny fahamailoana be, ka manampy amin’ny fahasitranana matanjaka sy tsy mamela takaitra be loatra.

Taorian’ny fandidiana, dia:
nifoha haingana ilay marary
niverina tsikelikely ny fivezivezeny

izay manaporofo ny fahombiazan’ny teknika maoderina, miaraka amin’ny fanarenana ara-tsaina sy ara-neôlôjia.

👉 Ity tranga tena nisy ity dia mampiseho fa:
afaka mamadika ratra mafy ho fahombiazana ny fitsaboana ankehitriny

latsaky ny 1% ny fahasarotana lehibe amin’ity karazana fandidiana ity ho an’ny tanora salama

📚Source:
Dunhill, J. (2024, 15 octobre). Surgeons rebuild woman's face after horrific car crash. IFLScience.)
Biologie Université

Santé Naturelle AINA SOA

27/04/2026

Jereo kely ny komantera fa tena mahalatsaka 😂

Ny torsion testiculaire dia aretina mila vonji-taitra aingana ara-pitsaboana izay mihodina ny “cordon spermatique”, ka m...
27/04/2026

Ny torsion testiculaire dia aretina mila vonji-taitra aingana ara-pitsaboana izay mihodina ny “cordon spermatique”, ka manapaka ny fivezivezen’ny rà mankany amin’ny atodin-dehilahy (testicule).

Matetika izy io no miseho amin’ny tanora (adolescents), noho ny olana efa teraka (anomalie congénitale) izay tsy mampiraikitra tsara ny testicule, ka mahatonga azy hihodina mora foana.

👉 Rehefa mihodina izy:
voasakana aloha ny fiveren’ny rà (veineux)
avy eo voasakana koa ny fidiran’ny rà (artériel)
➡️ miteraka tsy fahampian-dra (ischémie) haingana be izany

Raha tsy misy oxygene:
simba ny sela
misy fanaintainana mafy
mivonto ny sc***um
mety hisy maloiloy koa

⚠️ Loza lehibe:
Aorian’ny adin'ny 6 ora → mitombo be ny mety hisian’ny nécrose (fahafatesan’ny sela)
Aorian’ny adin'ny 12 ora → mety ho very tanteraka ilay testicule, izany hanjavony mihintsy

👉 Vahaolana:
Mila fitsaboana maika be
Matetika atao fandidiana:
mamerina ny fivezivezen’ny rà
mampiraikitra ny testicule mba tsy hiverina intsony

📚 Source:
Elsan. (s.d.). Torsion testiculaire : définition, causes, traitements.
Biologie Université

Santé Naturelle AINA SOA

💔 Mitazona ny record eran-tany izy...tsy izay anefa no tanjony fa ny hitazona ny fahatsiarovana hatrany.Diana Armstrong ...
27/04/2026

💔 Mitazona ny record eran-tany izy...tsy izay anefa no tanjony fa ny hitazona ny fahatsiarovana hatrany.

Diana Armstrong dia manana fiainana tsy fahita firy, mitana ny record amin’ny hoho lava indrindra eran-tany izy — mihoatra ny 12,8 mètres ny fitambaran’ny halavany. Fa tsy ny halavany hoho anefa no tena manamarika ny tantarany.

👉Fa ny tena antony zava-dehibe.

Taloha, tsotra ny fiainany. Nikarakara ny hohony izy tahaka ny olona rehetra ihany, saingy ny tena nanamarika azy dia ny fotoana niarahany tamin’ny zanany vavy, Latisha Armstrong. Ny fikarakarana hoho dia tsy fombafomba fotsiny — fa tena fotoana niarahan’izy mianaka, zavatra kely nefa tena sarobidy satria fotoana niarahan'izy mianaka foana ary mamy ery ny fiaraha-mikarakara.

Indray alina anefa… niova ny zava-drehetra.

I Latisha zanany, vao 16 taona monja, dia nodimandry tao anaty torimaso noho ny krizy asthme nahazo azy.

👉 Tsy nisy fampitandremana
👉 Tsy nisy fotoana hiomanana
👉 Fahanginana sisa no tavela teo amin'ny vatana izay nisy aina teo aloha.

Ary tao anatin’izany fahanginana izany, dia nandray fanapahan-kevitra i Diana:

👉 Tsy hanapaka ny hohony intsony izy.

Tsy ho an’ny record
Tsy ny hoe ampalaza azo no tanjony

Fa ho fitazonana zavatra iray tsy azo soloina dia ny fotoana mamy niarahany tamin'ny zanany.

Nandeha ny taona, nitombo hatrany ny hohony, ka lasa zavatra nahasarika ny mason’izao tontolo izao avy eo anefa izany. Tsy mora ny mikarakara azy:
mila ora maro
mila vernis am-polony
mila fitaovana manokana

Fa tsy izany no tena zava-dehibe.
👉 Satria ho azy:
tsy hoho fotsiny izy ireo
fa fahatsiarovana ny fitaona mamy niaraka tamin-janany

👉 Rohy mampifandray amin’ny fotoana tapitra haingana loatra
👉 Ary fahatsiarovana fa ny fitiavana tsy foana rehefa misy olona lasa nandao tampoka azy.

Cute Babies
Santé Naturelle AINA SOA

27/04/2026

Sanatria Ze Hitsoaka

🌊😨 Nandritra ny adin'ny 60 ora izy no tao ambanin’ny rano masina. Tao anaty ny haizina lalina. Kanefa mbola velona soama...
25/04/2026

🌊😨 Nandritra ny adin'ny 60 ora izy no tao ambanin’ny rano masina. Tao anaty ny haizina lalina. Kanefa mbola velona soamantsara ihany.

Tamin’ny taona 2013, tany amorontsirak’i Nigeria, dia nivadika tampoka ny sambo iray ka nilentika tany amin’ny ambanin'ny ranomasina. lalina mihoatra ny 30 metatra ilay sambo. 12 no isan'ny lehilahy moiasa tao anatiny.

👉 11 no maty. Iray ihany no tafavoaka velona.

Io lehilahy io no antsoina hoe Harrison Okene, mpahandro sakafo no anjara asany tao anaty sambo.

Voafandrika tao anatin’ilay sambo nivadika izy ka tsy afaka nivoaka, tafiditra tao anaty toerana kely mbola misy rivotra izy, tao anaty haizina tanteraka no niainany. Ny manodidina azy ny rano… sy ny fatin’ireo namany.

Nandritra ny 60 ora teo ho eo, dia naharitra tao izy ary tsy afaka nanaotra:
tsy nisy hazavana
zara raha nisy oxygene
saingy ampy hifohana rivotra sy hitazonana fanantenana ihany

Ny hatsiaka, ny tsindry, ary ny tahotra… tokony efa nahafaty azy fa niezaka nitazona natanjan-tsaina izy.

👉 Fa nisy fotoana tsy nampoizina:

Nidina ireo mpilomano (plongeurs) haka ny razana. Nisy iray nandinika ilay sambo… dia nahita tanana mihetsika kely l.

👉 Mbola velona i Harrison Okene.

Nalain'izy ireo izy ka navotany ary nakariny teny ambonin’ny rano, ary tafavoaka velona izy na dia tsy nampoizina aza ny fahavelomany.

Fa tsy nifarana teo ny tantara.

👉 Raha tokony hatahotra ny ranomasina izy nanomboka teo, dia:
niverina nianatra
niasa amin’ny sehatry ny plongée professionnelle mihintsy

Niatrika mivantana ilay tontolo saika nahafaty azy indray.

✨ Tantara iray manohitra ny lojika… ary mampiseho fa ny olombelona dia mahazaka mihoatra noho izay eritreretintsika, na dia efa toa tapitra aza ny zava-drehetra.

24/04/2026

Mention spéciale à mes nouveaux fans montants ! Fitiavana Tanindrazana, Razafy Damassin, Brujinot Skenzo, Stéphanie Rosales, Maminera Vonihanitriniony, 中蒂娅, Oswald Herimanjarasoa

Ity toerana ity no hantsoina hoe Pegrema (amin’ny teny rosiana: Пе́грема), izy vohitra nilaozana ao amin’ny distrikan’i ...
24/04/2026

Ity toerana ity no hantsoina hoe Pegrema (amin’ny teny rosiana: Пе́грема), izy vohitra nilaozana ao amin’ny distrikan’i Medvezhyegorsky ka nivadika ho tanana haolo, izay ao amin’ny Repoblikan’i Carélie (Rosia).

Pegrema dia ohatra tsara amin’ny maritrano vita amin’ny hazo mahazatra ao amin’ilay faritra. Ahitana trano lehibe maro an’ny tantsaha izy, ary ny fasady dia mitodika mankany amin’ny farihy.

Taorian’ny Révolution russe, dia nihena tsikelikely ny mponina tao, ary farany dia nilaozan’ny olona tanteraka tamin’ny 1956 noho ny fanapahan-kevitry ny fitondrana sovietika ilay tanana.

Hatramin’izay, dia voasoratra ao amin’ny lovam-pirenena maneran-tany (UNESCO) izy, mitovy amin’ny Île de Kiji, izay akaiky azy.

Animex

📌 Nitady ny tena endrika lafatra sy tsara tarehy kay nivadika ho nofy ratsy mahakivy.Tany Brazil, izy no Juliana Oliveir...
24/04/2026

📌 Nitady ny tena endrika lafatra sy tsara tarehy kay nivadika ho nofy ratsy mahakivy.

Tany Brazil, izy no Juliana Oliveira, fantatra amin’ny tambajotra sosialy amin’ny anarana hoe “Juju do Pix”, nanapa-kevitra izy ny hanao fandidiana hatsaran-tarehy mba hanovana sy hanatsarana ny endriny ho vehivavy tena tsara bika kokoa. Saingy tsy araka ny nantenaina ny vokany azo avy eo.

👉 Raha tokony ho tsindrona azo antoka, dia menaka mineraly 21 dose no nampidirina tao aminy.
Ny vokany dia tena ratsy:
Nivadika sy simba be ny endriny
Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny toe-tsainy

Nandritra ny taona maro dia niaina ny fahakoviana tamin’izany fahasimbana izany izy… mandra-pahaka ny heviny fa hiteny ampahibemaso amin'izay izy izay zavatra mahazo azy.

Niteraka fanohanana sy adihevitra be tao anaty tambajotra sosialy ny tantarany. Nisy fanangonam-bola (crowdfunding) sy fifandirana tamin’ny tambajotra sosialy, ka nahatonga ny raharaha ho lohahevitra naha be resaka.

Na izany aza, nisy fiovana:
👉 Afaka nahazo fitsaboana manokana izy
👉 Nanomboka ny dingana sarotra ho fanarenana izy.

Eo ambany fanaraha-mason’ny mpandidy Thiago Marra, dia efa natao ny fandidiana voalohany, izay manala ireo tavy simba rehetra.

Fa vao fiandohana izany.
👉 Mbola ilaina:
fandidiana maromaro
fitsaboana akaiky sy hentitra
mba hisorohana loza lehibe toy ny necrose (fahafatesan’ny sela).

👉 Tantara mampiseho:
ny loza ateraky ny fitsaboana tsy ara-dalàna
ary ny fahasarotana sy herim-po ilaina hanombohana indray ny fiainana

Ivoire
Santé Naturelle AINA SOA

Address

Namontana
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 07:00 - 17:00
Tuesday 07:00 - 17:00
Wednesday 07:00 - 17:00
Thursday 07:00 - 17:00
Friday 07:00 - 17:00
Sunday 07:00 - 12:00

Telephone

+261349279854

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Santé Naturelle AINA SOA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Santé Naturelle AINA SOA:

Share