Santé Naturelle AINA SOA

Santé Naturelle AINA SOA 🌿 Produits & soins naturels
💊 Santé – Bien-être – Vitalité
📍 Madagascar | 📲 WhatsApp disponible

04/01/2026

Ay tsy film fotsiny mafy DELATFORCE fa hatrany amin'ny fanafihana

04/01/2026
Hoy i Trump: "Izahay rehefa manao zavatra tsy lany vola fahatany izany fa efa vita kajy tsara daholo."♦️ Amerika🇺🇲 no hi...
04/01/2026

Hoy i Trump: "Izahay rehefa manao zavatra tsy lany vola fahatany izany fa efa vita kajy tsara daholo."
♦️ Amerika🇺🇲 no hitondra an'i Venezuela🇻🇪 mandritra ny tetezamita, mandrapahavitan'ny fifidianana manaraka.

ANÔSY VAZO

🚨🇻🇪 Sary nalaina avy eny ambony avy any Venezoela mampiseho fahasimbana goavana tao Fort Tiuna, izay foiben’ny tafika ny...
04/01/2026

🚨🇻🇪 Sary nalaina avy eny ambony avy any Venezoela mampiseho fahasimbana goavana tao Fort Tiuna, izay foiben’ny tafika ny Venezoeliana.

🔻 Araka ireo sary ireo, trano fitehirizana fiaramanidina (hangars) sy trano maro no lasibatra tamin’ny daroka nataon'ny Amerikana, ary raha fahitana azy dia toa potika tanteraka izy ireny.

🇷🇺🇷🇺🇷🇺🇷🇺🇷🇺🇷🇺

LEGEOGRAPHE221

Ny fandrenesana ny fofon’ny akanjo efa avy  nanaovan’ny olon-tianao dia mitondra vokatra mampitony be anao sady manala n...
04/01/2026

Ny fandrenesana ny fofon’ny akanjo efa avy nanaovan’ny olon-tianao dia mitondra vokatra mampitony be anao sady manala ny stress nao, manampy mampihena ny adin-tsaina sy mampihena ny hahavon’ny hormona cortisol (hormona ateraky ny stress).

Ny fofona efa mazatra anao dia miasa amin'ny fifampifandraisana ny ara-pihetseham-po, ka mitondra fampiononana sy fahatsapana ho voaharo izany, na dia tsy eo akaiky ara-batana aza ilay olon-tianao.

Izany dia mifandray amin’ny fomba ampifandraisan’ny atidoha ny fofon’ny olon-tiana amin’ny fitiavana sy ny filaminana. Rehefa tratran’io fofona io ny olona iray dia mety hampiroborobo fialan-tsasatra sy hampihena ny fahatsapana ho irery izy.

Matetika dia matanjaka kokoa ny vokany rehefa fantatra mazava fa tena an’ny olon-tiana tokoa ilay fofona, satria vao mainka mampitombo ny herin’ny fihetseham-po izany.

Mafy koa izany a...
04/01/2026

Mafy koa izany a...

✴️ tahak'izao ny fizotran'ny fanafihana :

✅ Nanorina trano mialoha, mitovy @ tranon'i Maduro mihintsy ny service Secret Amerikana. Tena mitovy tsy misy valaka, na ny isan'ny efitra, ny akora nampiasainao sns....

,✅ isan'andro dia niofana manokana ny @ fomba hidirana ao sy hivoahana ao ny Force spécial, miaraka @ simulation ana garde misy rehetra.

✅ Rehefa tonga ny fotoan'ny fanafihana dia notapahina aloha ny jiro rehetra tany Caracas, tao anaty aizina tanteraka no nandeha ny hetsika rehetra.

✅ Tsy nanana fotoana nitsoahana tany anaty bunkers akory Maduro sy ny vadiny, dia efa tafiditra tao antranony ny Force spécial.

👉 Tsy misy mahavita an'izany eto ambonin'ny tany hoy Trump, ary tsy misy manana fitaovana oenti-manao toy izany, raha tsy Amerika irery.

Tahak'izay ny fizotran'ny raharaha tany Venezuela tany omaly alina.

  🇨🇳 : Niantso an’i Etazonia i Chine mba “HAMOAKA AVY HATRANY” an’i Maduro sy ny vadiny« Miantso an’i Etazonia ny lafiny...
04/01/2026

🇨🇳 : Niantso an’i Etazonia i Chine mba “HAMOAKA AVY HATRANY” an’i Maduro sy ny vadiny

« Miantso an’i Etazonia ny lafiny sinoa mba hiantoka ny fiarovana manokan’ny Filoham-pirenena Maduro sy ny vadiny, hamoaka avy hatrany ny Filoha sy ny vadiny, hampitsahatra ny hetsika rehetra mikendry hanimba ny fahefam-panjakana ao Venezoela, ary hamaha ny olana amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy fifampiraharahana », hoy ny fanambaran’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sinoa.

Notsindrian’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny sinoa fa fanitsakitsahana mibaribary ny lalàna iraisam-pirenena ny fisamborana ny filoham-panjakana ataon’ny tafika amerikana, ary mifanohitra tanteraka amin’ny foto-kevitry ny Sata mifehy ny Firenena Mikambana (ONU) izany.

#𝗟𝗘𝗕𝗢𝗡

🇰🇷🪦💔😲 Nankatoavin’i Korea Atsimo tamin’ny fomba ofisialy ny lalàna Goo Hara, izay nomena io anarana io ho fahatsiarovana...
04/01/2026

🇰🇷🪦💔😲 Nankatoavin’i Korea Atsimo tamin’ny fomba ofisialy ny lalàna Goo Hara, izay nomena io anarana io ho fahatsiarovana ilay kintan’ny K-pop nodimandry. Ity lalàna vaovao ity dia manome fahefana ny fitsarana handà ny zo handova ho an’ireo ray aman-dreny niteraka nandao ny zanany fa tsy nikarakara sy namelona, nanao tsirambina na nampijaly ny zanany, mba tsy hahafahan’izy ireo mipoitra tampoka aorian’ny fahafatesan’ny zanany hitaky vola na fananana.

Nipoitra io lalàna io taorian’ny hatezeran’ny vahoaka nateraky ny raharaha Goo Hara tamin’ny taona 2019, rehefa nanao fikasana hitaky ny lovany ny reniny, izay tsy teo mihitsy nandritra ny fitaizana azy. Manomboka izao, afaka mandinika ny tantaram-pianakaviana ny mpitsara ary manakana tsy ny lova ihany anefa, fa koa ny tombontsoa aorian’ny fahafatesana mihintsy, ka mametraka mazava fa tsy ampy intsony ny fatoran-drà raha tsy misy andraikitra, fikarakarana ary fanatrehana marina fahamelomana hatramin'izay ⚖️👨‍⚖️💔

Taorian’ny nahafatesan’i Goo Hara, dia lasa iray amin’ireo feo mafy indrindra nitaky fanovana ara-dalàna ny zokiny lahy, Koo Ho-in. Tao anatin’ny resadresaka sy fanambaràna ampahibemaso, nolazainy fa nandao ny fianakaviana ny reniny fony mbola zaza izy mirahalahy ary tsy nandray anjara velively tamin’ny fitaizana na ny fahasalaman’ilay mpanakanto. Nolazain’i Ho-in fa “tsy rariny tanteraka” ny hahafahan’ny olona iray tsy teo nandritra ny fiainana manontolo mahazo tombontsoa ara-bola aorian’ny fahafatesan’ny zanany.

Nambarany ihany koa fa namoha ratram-po lalina, na ho azy manokana na ho an’ny fiarahamonina, izany toe-javatra izany. Ny fijoroany vavolombelona no nanan-danja lehibe tamin’ny fanetsiketsehana ny hevitry ny vahoaka sy ny fanerena ny Parlemanta, ka nahatonga ny raharaha anabaviny ho mariky ny fanavaozana izay mikendry ankehitriny ny hisoroka ny tsy fandraisana andraikitra sy ny fandaozana tsy ho voasazy ao amin’ny rafitra ara-dalàna koreana 🗣️📢💔⚖️

Cute Babies
Santé Naturelle AINA SOA
Sanatria Ze Hitsoaka

MANAO MASSAGE LIONA.Ilay Britanika Alex Larenty dia monina ao anatin’ny réserve animalière iray any Afrika Atsimo, izay ...
04/01/2026

MANAO MASSAGE LIONA.
Ilay Britanika Alex Larenty dia monina ao anatin’ny réserve animalière iray any Afrika Atsimo, izay handaniany ny androny manotra manao massage liona 🦁. Indray andro, nahatsikaritra zavatra hafahafa izy : raha nanosotra crème tamin’ny tongotry ny liona iray izy mba hitsaboana aretina, dia nihovotrovotra kely ilay liona ary toa nitsiky.

Nanomboka teo, manotra ny liona rehetra ao amin’ilay parc isan’andro i Alex. Noho ireo fikarakarana ataony tsy tapaka ireo dia nifamatotra mafy izy sy ny liona, ka isaky ny mahita azy izy ireo dia mandry mitsilailay avy hatrany, manalava ny tongony, ary toa mitsiky.

Manaporofo izany fa amin’ny hatsaram-panahy sy fanajana, na dia ireo fisakaizana tena tsy nampoizina indrindra aza dia afaka mitombo sy mamelana 🦁🦁🦁


Sciances Histoires et Citations
Santé Naturelle AINA SOA
Sanatria Ze Hitsoaka

Lasa ny alika vao manangom-bato 😂
04/01/2026

Lasa ny alika vao manangom-bato 😂

🛑   🇮🇷🇺🇸 | Kolonely Lawrence Wilkerson, avy amin’ny tafika amerikanina (nisotro ronono) :« Ny antony tokana tsy mbola na...
04/01/2026

🛑 🇮🇷🇺🇸 | Kolonely Lawrence Wilkerson, avy amin’ny tafika amerikanina (nisotro ronono) :

« Ny antony tokana tsy mbola nanatanterahan’i [Netanyahu] fanafihana vaovao an’i Iran dia satria vonona i Iran handrava an’i Israely raha toa ka mamerina manafika izy.
Koa inona no ataon’i Netanyahu amin’izao fotoana izao ? Mangataka an’i Donald Trump hanao izany ho solony izy.

Ho malemy ve ny toerana stratejika misy antsika raha voatery miditra an-tsehatra isika ?
Fitaovam-piadiana sy hery miaramila fanampiny firy no ilaintsika, nefa efa sahirana sahady ny indostria miaramila amerikanina amin’ny famerenana ny tahiry efa lany ? »

Arshid

04/01/2026

Address

Namontana
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 07:00 - 17:00
Tuesday 07:00 - 17:00
Wednesday 07:00 - 17:00
Thursday 07:00 - 17:00
Friday 07:00 - 17:00
Sunday 07:00 - 12:00

Telephone

+261349279854

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Santé Naturelle AINA SOA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Santé Naturelle AINA SOA:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram