Clinique Maternité De Manakambahiny

Clinique Maternité De Manakambahiny Clinique de Pédiatrie, Maternité, opération césarienne et prise en charge de l’infertilité (Fécondation in vitro, insémination intra-utérine...)

Miarahaba e, 🥰[NY MAHATONGA NY RÈGLE DOULOUREUSE 🩸]Ny règles douloureuses (dysménorrhée) dia vokatry ny fizotran'ny taov...
28/01/2026

Miarahaba e, 🥰
[NY MAHATONGA NY RÈGLE DOULOUREUSE 🩸]
Ny règles douloureuses (dysménorrhée) dia vokatry ny fizotran'ny taovam-pananahana mandritra ny fadimbolana. Ireto ny zava-mitranga mahatonga izany:

1. Fiforonana prostaglandine be loatra
Ny prostaglandine dia akora simika vokarin'ny tranon-jaza (utérus) rehefa manomboka ny fadimbolana.
Ity prostaglandine ity dia mahatonga ny:
Fihetsiketsehan'ny tranon-jaza (contractions utérines) mba handefasana ny rà fadimbolana.
Raha be loatra ny prostaglandine, dia mahery vaika ny fihetsiketsehana ka miteraka fanaintainana.

2. Tsy fahampian'ny oxygène :
Rehefa mihetsika ny tranon-jaza dia mety hihena ny fikorianan'ny rà mankany amin'ireo tavy ao aminy.
Ny tsy fahampian'ny oxygène dia miteraka fanaintainana sy fahasosorana amin'ny lalan-drà sy ny hozatra.

3. Fanaintainana vokatry ny hormones
Mandritra ny vanim-potoanan'ny fadimbolana, dia misy fihenan'ny haavon'ny hormones oestrogène sy progestérone.
Ity fihenana ity dia mety miteraka fiovana eo amin'ny hozatra sy ny hozatra manodidina ny tranon-jaza.

4. Ny antony hafa amin'ny dysménorrhée secondaire:
Raha tsy ny prostaglandine loatra no miteraka azy, dia mety misy aretina mahatonga ny fanaintainana:
▶️ Endométriose: Ireo tavy avy ao amin'ny tranon-jaza (muqueuse utérine) dia mitombo any amin'ny faritra hafa ka miteraka fanaintainana.
▶️ Fibrome utérin: Fivontosana amin'ny tranon-jaza izay manasarotra ny fizotran'ny fadimbolana.
▶️ Aretin’ny taovam-pananahana: Mety hisy aretina mikraoba na viriosy any amin'ny faritra maha-vehivavy ka mahatonga fanaintainana.
➡️ Vehivavy maro mahatsikaritra fa rehefa avy teraka dia mihena ny fanaintainana
👉Nahoana no mihena izy rehefa avy teraka satria:
🔹Rehefa bevoka sy miteraka dia miova ny tranon-jaza lasa malefaka kokoa
🔹Mihamalalaka kokoa ny lalan'ny fivoahan'ny rà ka mora kokoa fikorinany
🔹 Indraindray ko dia mihena ny famokaran'ny vatana prostaglandine aorian'ny fitondrana vohoka
👉Ahoana ny atao mba hanamaivana ny fanaintaina

Salama daholo e 🥰Mafana ny andro izao ka maro ireo olana miseho amin'ny hoditry ny zazakely➡️ Ny hoditry ny zaza mbola m...
23/01/2026

Salama daholo e 🥰

Mafana ny andro izao ka maro ireo olana miseho amin'ny hoditry ny zazakely

➡️ Ny hoditry ny zaza mbola malemy, ka rehefa tsemboka be dia tsentsina ny lavaka fivoahan’ny hatsembohana → dia miseho ireo mony madinika mena na mangatsakatsaka hita amin’ny hatoka, lamosina, helika, tratrany ,vodiny

👉 Ahoana no ahafantarana azy?

🔹Mena sy may eo amin'ny fitombenana(érythème fessier)
Vokatrin'ny hamandon'ny couche ela loatra
➡️Mila soloina matetika ny couche

🔹Takelaka madinika manify eo amin'ny hodi_doha ny zazakely (les croûtes de lait)
➡️Hosoroy menaka ,avela vetivety dia sasana moramora

🔹Mony mena madinika miseho manodidina ny ray volana (acné du nourrisson)
➡️tsy mila kitihana fa levona ho azy

🔹Hoditra maina na mihofaka
Hita matetika amin'ny vao teraka indrindra ireo teraka ara_ potoana na taraiky ( à terme sy ny post_ terme)
➡️Hosorana crème malefaka tsy misy fofona dia efa ampy

🔹 Bouton noho ny hafanana
Mony mena madinika vokatriny hafanana bé loatra na fitafiana matevina(voapana)
➡️Ataovy mangatsitsiaka ny Zaza Ary ampanaovy akanjo maivana

👉Raha ireo no miseho tsy dia misy mampanahy ,fa raha maharitra na mampiahiahy ny fiovoarany dia aleo manantona mpitsabo

Miarahaba antsika mpanaraka🥰 Androany dia isany ho resahintsika eto amin' ny pejy ☺ ny ANTONY LEHIBE MAHATONGA LAY HOE M...
21/01/2026

Miarahaba antsika mpanaraka🥰
Androany dia isany ho resahintsika eto amin' ny pejy ☺ ny ANTONY LEHIBE MAHATONGA LAY HOE MIHORIRANA MIANKAVIA REHEFA BEVOKA😀☺maro no nanontany azy ity😐andao ary ☺ ❤ ❤
👉 Tsy mahazo aina ny zaza am bohoka raha voatsindry matetika ny antsoina hoe VEINE CAVE izay lalandra ao amin ny ankavanana, izy io dia mitondra ny oxygene ho any amin ny zazakely ao ambohoka
👉 Manamora ny fiasan'ny voa ary mampihena ny fivontosana (œdème) amin'ny tongotra ny fatoriana amin'ny ilany havia
👉Misoroka ny faharerahana sy fanina ho an'ny reny , raha mandry amin'ny lamosina na amin'ny ilany havanana dia voatsindry ilay lalandrà ka miteraka fanina na fahasemporana
👉 DIA TSY MBA AFAKA MIVADIBADIKA MIHITSY VE IZANY FA DIA HIORIRANA MIANKAVIA FOANA😐
afaka fa miezaka isaky ny azo atao mba hiorirana miankavia foana
Rehefa tena reraka manindry miankavia dia afaka mivadika Kely mitsilany fa ataovy avo ny ondana (demi Assise)
👉 MANOMBOKA OVIANA IZANY NO MILA MIZATRA AN IZAY? 😐
Manomboka eo amin'ny telo volana faharoa ny vohoka satria mitombo ny tranon-jaza ka mavesatra dia manindry Ilay lalandrà lehibe izay voalazan-tsika etsy ambony.
♥️Izany no mahatonga ny dokotera na rasazy miteny foana hoe "matory amin'ny ilany havia" satria io no manome aina sy fiarovana bebe kokoa ho an'ny reny sy ny Zaza.

Miarahaba e 🥰Fotoana feno fanantenana ny fiterahana saingy Indraindray dia tonga aloha loatra, izany no antsoina hoe  Nd...
16/01/2026

Miarahaba e 🥰
Fotoana feno fanantenana ny fiterahana saingy Indraindray dia tonga aloha loatra, izany no antsoina hoe
Ndao ho resahan-tsika ndray ny zaza prématuré
👉Inona no atao hoe Zaza teraka aloha loatra na ny prématuré ?
Zaza teraka aloha loatra dia teraka alohan'ny herinandro faha 37
Misy sokajy maro izy io:
🤠 Prématuré extrême ( avant 28 SA)
🤠 Grand Prématuré ( 28-31 SA)
🤠 Prématuré modérée ( 32- 33 SA)
🤠 Prématuré tardive ( 34- 36 SA)
Arakaraka ny maha aloha loatra ny fahaterahana no vao mainka maha marefo ny Zaza ka mila fikarakarana
👉Antony mahatonga ny fiterahana aloha loatra:
😶‍🌫 olan'ny tranon-jaza ( anomalies utérines)
😶‍🌫 aretina azo avy aminy firaisana ara-nofo
😶‍🌫 Hypertension
😶‍🌫 Fisotrona toaka mandritra ny fitondrana vohoka
😶‍🌫 Fifohana sigara/ zava-mahadomelona mandritra ny fitondrana vohoka
😶‍🌫 Havizanana matetika
😶‍🌫 Stresse lava
😶‍🌫 Diabétique
😶‍🌫 Efa nahazo taona vao niteraka, sns...
👉Inona vokany ho an'ny Zaza?
🔸Ny Zaza teraka aloha loatra dia tsy mbola matotra tsara ny taovany (organes immature)
🔸Hery fiarovana marefo ka mety mora tratrin'ny aretina
◾Matetika izy ireny dia ampidirina anaty eo ambany fanaraha_ maso akaiky
👉 : toerana mafana sy voafehy hiarovana azy
🤕 Fanampiana ara-pisefona ( oxygène na ventilation)
🤕 Sakafo mafana ( sondé ; rononon-dreny)
➡️Azo sorohana vé ny fiterahana aloha loatra?
Amin'ny toe_ javatra sasany dia :Eny
Ireto misy torohevitra tsotra nefa manandanja:
🔸Manaraka tsara ny fizahana rehetra mandritra ny fitondrana vohoka
🔸Mitsabo haingana raha misy aretina mandritra ny fitondrana vohoka
🔸Miala amin'ny adin_tsaina , sigara, alikaola Ary ny fanafody tsy avy amin'ny Dokotera.

Salama e 🥰⚠️ FAMPITANDREMANA HO AN’NY RENY VAO NITERAKA ⚠️Rehefa avy miteraka, tsy fifaliana foana no tsapan’ny reny sas...
14/01/2026

Salama e 🥰
⚠️ FAMPITANDREMANA HO AN’NY RENY VAO NITERAKA ⚠️
Rehefa avy miteraka, tsy fifaliana foana no tsapan’ny reny sasany.
Mety hahatsapa alahelo, havizanana be, fahakiviana izy ireo.
Ary Indraindray mahatsapa ho tsy mahavita mikarakara ny zanany
Izany dia antsoina hoe fahaketrahana aorian’ny fiterahana (dépression post-partum).
🔹 Tsy fahalemena izany, fa aretina.
🔹 Mety hahazo ny reny rehetra izy io.
👉Famantarana mety ho hita :
😔 Alahelo sy fitomaniana matetika
😴 Havizanana be, tsy mahita tory
🍽️ Tsy te hihinana na mihinana tafahoatra
💔 Sarotra ny mifandray amin’ny zaza
😞 Fahatsapana ho meloka na ho tsy misy ilana azy
👉Inona no antony ?
🔸Fiovana lehibe eo amin'ny hormonina aorian'ny fiterahana
🔸 Havizanana vokatrin'ny tsy fahampian_tory sy fikarakarana Zaza
🔸Adin_tsaina noho ny andraikitra vaovao maha reny
🔸Tsy fisian'ny fanohanana avy amin'ny fianakaviana na olana eo amin'ny mpivady
👉 Inona no atao ?
✅ Miresaha amin’ny mpitsabo
✅ Mangataha fanohanana amin’ny fianakaviana sy namana
✅ Aza mitokana
💙 Raha mahalala reny vao niteraka ianao, tandremo izy ary ampirisiho hitady fanampiana.
💙 Ny reny salama = zaza salama

Salama e 🥰Izany hoe " Fampandroana voalohany ny Zaza vao teraka" izany ndray ho resahan-tsika amin'ny thème androany Izy...
09/01/2026

Salama e 🥰
Izany hoe " Fampandroana voalohany ny Zaza vao teraka" izany ndray ho resahan-tsika amin'ny thème androany
Izy io dia fotoana manan_danja ho an'ny ray aman_dreny sy ny Zaza
Tsy fanadiovana fotsiny izy io, fa fotoana mampitony sy manamafy ny fifamatorana eo amin'ny ray aman_dreny sy zanany
👉 Rahovina no atao ny fandroana voalohany ?
Amin'ny ankapobehany dia 24 ora aorian'ny fiterahana na mihoatra vao atao ny fandroana voalohany
👉Fa maninona tsy hoe vao teraka ?
Rehefa teraka ny Zaza dia Mbola rakotra vernix ny vantany
Izy io dia :_ miaro ny hoditrra
_manakana ny mikaraoba
_ manampy amin'ny fitazonana ny hafanan'ny vatana
Amin'izay voaro kokoa ny Zaza, indrindra amin'ny hatsiaka tafahoatra (hypothermie) satria tsy mbola mahay mandrindra ny hafanan'ny vatana izy
👉Impiry no mandro ny Zaza vao teraka?
Tsy mila mandro isan'andro ny Zaza vao teraka fa indroa na intelo isakerinandro dia efa ampy
Na izany dia Ilaina ny manadio azy isan'andro : tarehy, hatoka, tanana,ny faritra fivaviana sy ny vodiny indrindra rehefa manolo couche iny
👉Ireto misy torohevitra Kely fomba fanaovana ny fandroana voalohany
🔸 Alohan'ny hanombohana dia ataovy mafana tsara ny efitra, hidiana daholo ny varavarana izay mety mampiditra hatsiaka na rivotra
🔸Ataovy vonona ny fitaovana rehetra (rano, savony malefaka, lamba famaohana, akanjo)
🔸Hamarino tsara ny hafanan'ny rano tsy mangatsika loatra tsy mafana loatra 37°c eo ,azonao Jerena amin'ny thermomètre na amin'ny fanandramana amin'ny sandry tanana
🔸Ny fanasana: tazomy tsara ny lohany
Sasao moramora manomboka amin'ny tarehy avy eo ny loha, ny vatana,sandry tongotra ary farany ny faritra fivaviana (avy eo aloha makany aorina)
🔸Aza mampiasa savony mahery na vokatra kosmetika
🔸Aza mampiasa coton tige ao anaty sofina
🔸Tsy atao ela bé rehefa mampandro ny Zaza fa 5- 10mn eo
🔸 Aorian'ny fandroana dia fonosy amin'ny lamba malefaka ny Zaza ary manao peau à peau mba hampitony azy
🔸Hamainina tsara indrindra ireo faritra miforitra rehetra
🔸Ity tena zava_ dehibe tsy adino manadio ny tadim-poitra ary hamainina tsara raha mbola tsy nihintsana.

Miarahaba e, 😌Ndao ho resahan-tsika ny atao hoe "opération césarienne"  OCNahoana ankehitriny no betsaka ny césarienne ?...
07/01/2026

Miarahaba e, 😌
Ndao ho resahan-tsika ny atao hoe "opération césarienne" OC
Nahoana ankehitriny no betsaka ny césarienne ?
Tsara aloa mahafantatra fa tsy safidy mora ny césarienne
Atao izy io mba hiarovana ny ain'ny reny na ny zaza
👉Rehefa toe-javatra otrany ahoana tsy maintsy mandalo fandidiana ?
🩺Manao souffrance foetale
Mandritra ny fiterahana Raha miadana loatra na mafy loatra ny fitempon'ny fon'ny Zaza dia midika fa tsy ampy ny oksizenina dia mila avoaka haingana
🩺Présentation du siège , transverse :
Amin'ny ankapobehany tokony ny lohany no midina aloha, saingy Indraindray dia mety ho:
◾ Ny vodiny(siège)
◾Mandry mitsivalana ao ankibo(transverse)
🩺 Macrosomie
Raha lehibe loatra ny Zaza dia mety tsy afaka mivoaka voie normale satria mety hietraka ratra ho an'ny Zaza na fahasimban'ny lalan_jaza
🩺Disproportion pelvienne
Tsy mifanaraka ny habehan'ny Zaza sy ny col utérin
🩺Stagnation du travail
Indraindray tsy misokatra ny lalan_jaza na tsy midina n'y lohan'ny Zaza izany no antsoina hoe travail dystocique mampididoza raha manao fiterahana voie basse
🩺Rehefa nanao césarienne indroa na mihoatra ny reny dia mety rovitra ny tranon_jaza raha manohy miteraka ara_dalana
🩺Toe_javatra manokana na aretin'ny reny
👉Mety Ilaina ny césarienne raha toa ka:
◾Misy aretina atahorana hifindra amin'ilay Zaza(HIV, hepatiteB, condylomes, herpès génital,..sns)
◾Kambana miaraka amin'ny fahasarotana
◾ Tosidrà avo bé na préeclampsie
◾Ny ahitra mandeha aloha (placenta praevia)
◾Misy fahasembanana na tsy fetezan'ny tranon_jaza.

Salama e 🥰Arabaina nahatratra ny taona vaovao isika rehetra dia mirary ny soa sy fahasalamana ho antsika Manoloana ny fi...
03/01/2026

Salama e 🥰
Arabaina nahatratra ny taona vaovao isika rehetra dia mirary ny soa sy fahasalamana ho antsika

Manoloana ny fiparitahan'ny aretina variole de singe na "Mpox" izay fantatra fa tonga eto madagasikara dia Ilaina mailo sy mitandrina hatrany
Arovy ny tenanao ny fianankavianao indrindra fa ny ankizy
👉Nahoana ny ankizy no voakasika kokoa?
➡️Satria:
◾Marefo kokoa ny ankizy, Mbola tsy feno tsara ny hery fiarovana ka sarotra kokoa miady amin'ny viriosy
◾Tsy fahampina sakafo dia mampihena bé ny hery fiarovana
◾Manify kokoa ny hoditra ny ankizy Ary mora maratra ka manamora ny fidiran'ny viriosy sy ny aretina bakteria
◾Mety hisy fiantraikany bé amin'ny fitaovam_ pisefoana, ny maso ary ny atidoha izy io amin'ny zaza
◾Sarotra amin'izy ireo ko ny mitandrina ny fahadiovana
➡️ Ahoana ny fisehony?
➖Tazo bé arahin'ny aretin_doha mafy
➖ Fivontosana (ganglions) eny amin'ny tenda, helika, na eny amin'ny foto_pe
➖ fanaintainana ny hozatra sy faharerahana be
➖ Mipoitra boutons (fivontosana misy rano na pus) eo amin'ny tarehy , tanana, tongotra na amin'ny vatana manontolo
➡️Inona fisorohana atao?
◾ Fitiliana sy fitsaboana haingana raha vao misy soritr'aretina
◾Fanavahana (isolement) hentitra ny Zaza marary
◾Fanatsarana ny sakafo sy ny fanjarin_tsakafo
◾Fanaovana vaksiny araka torimarika ara_pahasalamana.
◾Fanasana matetika ny tanana amin'ny savony
◾Halaviro ny fifampikasohana akaiky amin'ny olona mampiseho soritr'aretina .

coucou 🥰Anisany manelingelina antsika vehivavy ity thème tsika androany ity " " dia ho resahan-tsika KelyAra_dalàna raha...
31/12/2025

coucou 🥰
Anisany manelingelina antsika vehivavy ity thème tsika androany ity " " dia ho resahan-tsika Kely

Ara_dalàna raha misy fofona Kely ny fivaviana satria misy bakteria voanjanahary miaro azy
👉Mety hiova io fofona io arakaraka ny:
◾Fiovan'ny hormonina:
Mandritra ny fadimbolana, fitondrana vohoka mety hiova Kely ny fofona
◾ Fadimbolana :
Ny rà sy tsiranoka mifangaro dia mety hiteraka fofona
◾Hatsembohana:
Rehefa mafana dia miteraka hatsembohana mitovy amin'ny vatana
◾Tsiranoka voanjanahary :
Mivoaka isan'andro hiarovana ny fivaviana dia mety hisy fofona Kely
◾Sakafo:
Sakafo sasany (toy ny tongolo, sakay, na zava_manitra) mety hisy fiantraikany
◾Adin_tsaina:
Mety hanova ny fifandajan'ny bakteria ao amin'ny fivaviana ny stress
👉Raha malefaka ny fofona ary tsy misy mangidihidy, fanaintainana na tsiranoka hafahafa dia ara_dalana
🚫 Rahovina kosa tsy ara_dalana
◾Tokony hitandrina Raha mahery bé ny fofona(ohatra: fofona trondro)
◾Misy mangidihidy, may, na fanaintainana
◾Miova loko na bé loatra ny tsiranoka mivoaka (fotsy, matevina, mavo na maintso)
👉Amin'izay tsara manantona mpitsabo
▶️Ahoana fomba hisorahana izany:
🔸Sasao ivelany ihany amin'ny rano madio isan'andro,aza mampiasa savony na produit
🔸Aza manao fanasana bé loatra fa manimba ny bakteria miaro ny fivaviana
🔸Manao akanjo anatiny madio sy coton, tsy tery loatra Ary ovay isan'andro
🔸 Aorian'ny fandroana na hatsembohana dia ataovy maina foana n'y faritra aza avela mando ela
🔸ovay ara_ potoana ny serviette hygiénique aza avela ela loatra
🔸 Mihinana sakafo ara_ pahasalamana (voankazo, legioma)
🔸Mitandrema amin'ny aretina azo avy amin'ny firaisana
🔸Manantona mpitsabo raha misy mampiahiahy.
Mirary faran'ny taona mafinatra ho antsika rehetra 🥰🥳

Arahaba vita fety e🥰 dia mirarisoa antsika rehetra Eny Ary e! andao ho resahan-tsika indray ny atao hoe " "Izany hoe reh...
26/12/2025

Arahaba vita fety e🥰 dia mirarisoa antsika rehetra
Eny Ary e! andao ho resahan-tsika indray ny atao hoe " "
Izany hoe rehefa bé loatra ny lanjan'ny Zaza ao an_kibo, matetika mihoatra ny 4kg rehefa teraka
➡️Inona ary mahatonga ny Zaza ho lehibe loatra?
☑️ Diabèta amin'ny reny
Raha manana Diabèta ny reny, indrindra Ilay miseho mandritra ny fitondrana vohoka (bé siramamy ao anaty rà dia mitombo bé ny Zaza)
☑️Reny Matavy loatra na bé lanja
Raha matavy loatra na bé lanja ny reny dia mora mitombo bé loatra ny Zaza ao ankibo
☑️Fitondrana vohoka mihoatra ny fotoana
Raha ela loatra fitondrana vohoka (mihoatra 9 volana) dia mitohy mitombo n'y Zaza
☑️ Fianakaviana Zaza lehibe
Raha Zaza lehibe hatrany no teraka ao amin'ny fianakaviana zany hoe manaranaka (génétique)
☑️Sakafo tsy voalanjalanja
Raha bé menaka, siramamy, farine loatra ny sakafo dia tsy voafehy ny fitombon'ny Zaza
☑️Fitondrana vohoka efa maro
Raha efa niteraka imbetsaka ny reny mety ho lehibe kokoa ny zaza manaraka
👉Fehiny: Ny macrosomie dia mety vokatrin'ny : diabèta, sakafo, lanjan_dreny, fotoana ela loatra, fianakaviana, fitondrana vohoka maro
➡️Inona ny olana mety hitranga?
👉 Amin'ny reny:
◾Sarotra ny fiterahana satria lehibe loatra ny Zaza mety mila fandidiana (césarienne)
◾Mety hisy ratra ao amin'ny lalan_jaza
◾Bé rà very rehefa miteraka
👉 Amin'ny Zaza:
Mety hiraikitra ao am_ piterahana ny soroka na ny vatana
◾Mety ho sahirana miaina avy hatrany rehefa teraka
◾Mety mikorotana ny tahan'ny siramamy Ilay Zaza vao teraka
▶️ Tsy midika hoe tsy Salama ny Zaza lehibe , fa raha tsy voaomana tsara ny fiterahana dia mety hampidi_doza ny reny sy ny Zaza
👉Izay ny antony ilàna:
🔹 Fanaraha_maso akaiky ny fitondrana vohoka
🔹Fanarahana ny torohevitry ny mpitsabo
🔹Fanomanana mialoha ny fomba fiterahana.

coucou🥰"Fomba fanisana Andro Ary e! "Andeha ho resadresahan_tsika indray⭐cycle menstruel :👉Manomboka ovina?Manomboka ami...
24/12/2025

coucou🥰
"Fomba fanisana Andro Ary e! "
Andeha ho resadresahan_tsika indray
⭐cycle menstruel :
👉Manomboka ovina?
Manomboka amin'ny andro voalohany ahitana rà ➡️ mifarana amin'ny andro mialoha fadimbolana manaraka
👉Firy andro ny cycle menstruel ?
Matetika dia 21 hatramin'ny 35j , betsaka ny vehivavy manana cycle 28j arakaraka ny toe_batana
👉Inona avy ireo dingana ao amin'ny cycle menstruel
➖ Fadimbolana (règles):
🔸Mandeha ny rà io no andro voalohany amin'ny cycle
🔸 Mandritra 3-7 Andro faharetany
➖Dingana mialoha ny ovulation:
🔸 Manomboka rehefa tapitra ny fadimbolana
🔸Manomana atody vaovao ny ovaire
🔸Matotra tsikelikely ny atodinaina
➖ OVULATION :
🔸 Mivoaka ny atodinaina
🔸Fotoana mora mahabevoka
⭐Ahoana Ary fikajiana azy?
Fantaro aloha ny halavan'ny cycle_nao
👉 Manomboka amin'ny andro voalohany nahatongavan'ny fadimbolana ➡️mifarana amin'ny andro mialoha fadimbolana manaraka araka n'y fanazavana etsy ambony ☝️
🔹ohatra: 26j, 28j ,30j , sns
👉Esory 14 Andro amin'ny halavan'ny cycle Zay no jours d 'ovulation
🔹ohatra: 🔸26 ny cycle ➡️ 26-14 =12 ème jours ny ovulation
🔸28cycle ➡️28- 14=14 ème jours ny ovulation
🔸30cycle ➡️30-14=16 ème jours ny ovulation
👉Tsy andro iray monja anefa izy io fa 5j alohan'ny ovulation sy 1 andro aorina
🔹ohatra: ovulation faha 14 ème
fotoana fertile izany: 9 hatramin'ny 15 ème jours
☑️Tandremo ny fiovan'ny cycle
Inona mety mahatonga azy hiova?
🔸Adin_tsaina
🔸Harerahana na tsy fampiana torimaso
🔸Aretina na fanafody sasany
🔸Fiovana lanja tampoka
🔸 Hormone mikorotana
Inona vokany amin'ny ovulation
🔸mety ho tara ny ovulation
🔸mety aloha noho ny kajy
🔸 Indraindray mety tsy misy ovulation mihintsy
🔅Nahoana no zava_ dehibe ny mahafantatra ny cycle sy ny ovulation?
◾ Raha fantatrao ny fotoana ovulation dia Fantatrao fotoana maha bevoka
◾ Mahafantatra ny andro atahorana, afaka mitandrina bébé kokoa amin'ireo Andro ireo
◾Manampy hahalala ny fahasalamana

Salama e 🥰 Hiresadresaka ny mety antony mahatonga ny Zaza mip**i am_ pandriana.👉Misy antony maro mety mahatonga azy:◾Mbo...
19/12/2025

Salama e 🥰
Hiresadresaka ny mety antony mahatonga ny Zaza mip**i am_ pandriana.
👉Misy antony maro mety mahatonga azy:
◾Mbola tsy matotra tsara ny tatavia ka mbola tsy mahay mitazona p**i mandritra ny alina ny Zaza
◾Torimaso lalina bé loatra ka tsy mahatsapa rehefa feno ny tatavia
◾Fandovana: raha misy ray aman_dreny p**i am_pandriana fony mbola Kely dia mety hitranga amin'ny Zaza
◾Tahotra na adin_tsaina( ohatra: fiovana eo amin'ny fiainana,tahotra any an_tsekoly, na olona an_trano)
◾Aretina ihany koa: toy ny aretin'ny tatavia na areti_kibo( indrindra Raha vao tampoka no miseho)
➡️Ity kosa tsara ho fantatra Kely:
🔸Ho an'ny Zaza latsaka ny 6 taona dia ara_dalana satria mbola tsy matotra tsara ny tatavia
🔸Ny zaza sasany dia tara Kely fotsiny vao mahafehy ny p**i amin'ny Alina
👉Mila mailo kosa raha:
🔸Raha efa mihoatra ny 6 taona ny Zaza mbola mip**i am_pandrina
🔸Na vao tampoka no niseho nefa tsy nisy teo aloha
🔸Na miaraka amin'ny fanaintainana, tazo, na mip**i miaraka amin'ny mangidihidy
▶️Raha ireo kosa no miseho dia tsara manantona mpitsabo
➡️Inona tsy tokony atao?
🔸Tsy tokony ho tezerana na ho saziana ny Zaza satria tsy fanahiniana izany
🔸Aza ampitahaina amin'ny ankizy hafa hoe " ianao irery sisa no manao izany"
🔸Aza omena tahotra, fandrahonana na fampitahorana
🔸Aza manery ny Zaza hifoha matetika amin'ny alina amin'ny fomba mahery
🔸Aza omena zava_pisotro mamy amin'ny hariva
➡️Inona tokony atao?
◾ Amporisihana ny zaza handeha hip**i alohan'ny hatory
◾Ahena ny fisotroana rano ora vitsy alohan'ny hatory
◾Asehoy Fitiavana sy faharetana ny Zaza lazao azy fa tsy diso izy
◾ Ampirisihana sy deraina rehefa Ilay mba tsy manao iny izy (tsy lena ny fandriana)
◾Araho maso raha misy fiovana na soritr'aretina
▶️Tsarovy fa tsy safidin'ny Zaza izany fa toe_javatra ara_fiovana, mila faharetana, Fitiavana, fanohanana izy fa tsy sazy.

Address

LOT VO 26 C MANAKAMABAHINY EN FACE UNIVERSITE ACEEM
Antananarivo
101

Telephone

+261345485527

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Clinique Maternité De Manakambahiny posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram

Category