17/04/2026
Miarahaba e 🥰
😢 Mitomany be ve ny zanakao tsy misy antony, indrindra amin’ny hariva ?
Mety ho colique amin’ny zazakely izany, izay olana fahita matetika amin’ny volana voalohan’ny fiainany.
👶 Nahoana ny zazakely no manao colique ?
Matetika izy io no miseho amin’ny zazakely, indrindra eo anelanelan’ny herinandro faha-2 ka hatramin’ny volana faha-4.
🔎 Fa maninona no mitranga izany ?
Tsy mazava tsara foana ny antony, fa ireto misy mety ho mahatonga azy:
• mbola tsy matotra tsara ny fandevonan-kanina
• misy rivotra ratsy entona ao an-kibo
• mitelina rivotra rehefa misotro ronono
• havizanana na fientanam-po be loatra
⚠️ Famantarana ny colique :
• mitomany be ny zazakely, indrindra amin’ny hariva
• manakombona ny tongony mankany amin’ny kibony izy
• mety ho mafy na mibontsina ny kibony
• sarotra ampitoniana izy
💡 Inona no afaka manampy ?
• Mitadiava tontolo mangina sy milamina
• Atao massage moramora ny kibony
• Omeo nono izy raha mety
• Ento mitsangantsangana
• Apetraho mitsotra amin’ny kibonao izy
❗ Raha efa niezaka ny zava-drehetra ianao nefa tsy mety mihitsy, dia aza misalasala manatona mpitsabo.