Clinique Mère Enfant Antsakaviro

Clinique Mère Enfant Antsakaviro CMEA est une clinique spécialisée en "Maternité et Pédiatrie".

👣 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐢𝐫𝐲 𝐨𝐫𝐚 𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐤𝐞𝐫𝐢𝐧-𝐣𝐚𝐳𝐚 ? Fanontaniana miverina matetika io fanontaniana io rehefa ilay manomboka miandr...
22/04/2026

👣 𝐌𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐟𝐢𝐫𝐲 𝐨𝐫𝐚 𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐤𝐞𝐫𝐢𝐧-𝐣𝐚𝐳𝐚 ?

Fanontaniana miverina matetika io fanontaniana io rehefa ilay manomboka miandry andro iny ny vehivavy.

👣 𝐀𝐧𝐝𝐚𝐨 𝐚𝐫𝐲 𝐡𝐨 𝐣𝐞𝐫𝐞𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐤𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐲.

- Raha zaza voalohany: Maharitra eo anelanelan’ny 12 ka hatramin’ny 18 ora eo ho eo ny fihetsehan-jaza, ary mety hahatratra 24 ora mihitsy aza indraindray.

- Raha efa niteraka kosa: Matetika dia haingana kokoa izany, eo amin’ny 6 ka hatramin’ny 10 ora eo ho eo.

Tsara ho fantatra anefa fa tsy tonga dia mafy be avy hatrany ny fanaintainana.
Manaikitra moramora aloha, mbola zaka tsara. Avy eo mihamafy kely kokoa rehefa akaiky ho teraka iny.

👣 Tadidio anefa fa samy manana ny toe-batany ny vehivavy tsirairay, misy ireo vetivety dia teraka, misy ireo elaela.

Mba hanampy bebe kokoa antsika rehefa hiteraka dia misy ny “𝐩𝐫𝐞́𝐩𝐚𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐚̀ 𝐥’𝐚𝐜𝐜𝐨𝐮𝐜𝐡𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭” miaraka amin’i La Classe Maman L.C.M ato amin'ny Clinique Mère Enfant Antsakaviro. Maro ireo zavatra ho zaraina ao mba hampihena ilay fanaintainana sy mba hahamora ny fiterahana.

👣 Ary ianareo izay efa niteraka, nandritran’ny ora firy ianareo no nihetsi-jaza ?

🤰Rehefa mitondra vohoka ny vehivavy iray dia mahatsapa hafanana be tampoka, izay no antsoina hoe “𝒃𝒐𝒖𝒇𝒇𝒆́𝒆𝒔 𝒅𝒆 𝒄𝒉𝒂𝒍𝒆𝒖𝒓”....
15/04/2026

🤰Rehefa mitondra vohoka ny vehivavy iray dia mahatsapa hafanana be tampoka, izay no antsoina hoe “𝒃𝒐𝒖𝒇𝒇𝒆́𝒆𝒔 𝒅𝒆 𝒄𝒉𝒂𝒍𝒆𝒖𝒓”. Tampoka eo dia mahatsiaro mafana be, tsemboka na ihany koa manao palpitations kely, eny fa na dia andro ririnina aza.

🤰 𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 ?
- Ny fiakaran’ny tahan’ny hormones 𝒐𝒆𝒔𝒕𝒓𝒐𝒈𝒆̀𝒏𝒆𝒔 𝒔𝒚 𝒑𝒓𝒐𝒈𝒆́𝒔𝒕𝒆𝒓𝒐𝒏𝒆𝒔. Manakorontana ny maripana ao anaty vatana izy ireo, ka izay no mahatonga ilay hafanana tampoka be iny.
- Mitombo ihany koa ny fatran’ny rà ao anaty vatana, satria ilay rà mihoatra io no mamahana ny zazakely ao anaty kibo. Mampafana be mihitsy ny fitomboan’izy io.
- Miasa mafy ny vatanao, eny na dia mipetrapetraka sy matory aza ianao. Lasa miasa indroa mihoatra noho ny tokony ho izy ny vatanao mba hampitombo sy hahasalama ilay zaza ao an-kibo
- Mihamavesatra ianao satria rehefa mitondra vohoka dia matetika mitazona rano betsaka kokoa mihoatra ny isan’andro ny vatana izay antsoina hoe 𝒓𝒆́𝒕𝒆𝒏𝒕𝒊𝒐𝒏 𝒅’𝒆𝒂𝒖.

🤰 𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐯𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐢𝐯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 ?
- Manaova akanjo maivana
- Misotroa rano matetika
- Aza mijanona amin’ny toerana mafana be arak’izay azo atao
- Sakafo maivana sy mora levonina hohanina
- Aza manao reraka be

🤰 Tsy dia misy tokony hatahorana mahakasika ny “𝒃𝒐𝒖𝒇𝒇𝒆́𝒆𝒔 𝒅𝒆 𝒄𝒉𝒂𝒍𝒆𝒖𝒓”. Fa tsara manantona mpitsabo avy hatrany raha toa ka :
- Midobodoboka mafy loatra ny fo
- Fanina na ihany koa safotra mihitsy
- Manavy na misy tazo ka miakatra be ny hafanana

Mirary soa !

💉 Mitaintaina foana isika ray aman-dreny rehefa ho atao vaksiny ny zazakely. 💉 Iza no no nanaraka ny harenakelinareo tam...
09/04/2026

💉 Mitaintaina foana isika ray aman-dreny rehefa ho atao vaksiny ny zazakely.

💉 Iza no no nanaraka ny harenakelinareo tamin’ny natao vaksiny ? Inona no zavatra tsapanao ?

💉 Mba lazao anay ary hoe !

🎀🐇Ny Clinique Mère Enfant Antsakaviro dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra ! 🎀🐇
05/04/2026

🎀🐇Ny Clinique Mère Enfant Antsakaviro dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra ! 🎀🐇

🤰Matetika rehefa bevohoka dia mivoaka ny atao hoe “𝐩𝐞𝐫𝐭𝐞𝐬 𝐯𝐚𝐠𝐢𝐧𝐚𝐥𝐞𝐬” ny vehivavy. Fotsy na transparent ny lokony ary tsy...
31/03/2026

🤰Matetika rehefa bevohoka dia mivoaka ny atao hoe “𝐩𝐞𝐫𝐭𝐞𝐬 𝐯𝐚𝐠𝐢𝐧𝐚𝐥𝐞𝐬” ny vehivavy. Fotsy na transparent ny lokony ary tsy misy fofona. Manana anjara asa lehibe izy ireny : miaro ny vozon’ny tranon-jaza sy ny zazakely amin’ny aretina (𝐢𝐧𝐟𝐞𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧).

🤰Raha toa anefa lasa be loatra izy ireny na koa miova loko (jaune, verte, marron) ary lasa misy fofona dia fambara olana. Toy izany koa, raha toa ka arahina fanaintainana, na mamaivay, na misy rà ilay izy, dia ilaina ny manantona dokotera na gynécologue avy hatrany.

🤰Misy gynécologue maro afaka mandray anao ato amin’ny 𝐂𝐥𝐢𝐧𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐌𝐞̀𝐫𝐞 𝐄𝐧𝐟𝐚𝐧𝐭 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐯𝐢𝐫𝐨 koa aza misalasala.

Mirary soa !

🍼Maromaro ireo reny no tsy mampinono na tsy afaka mampinono aorian’ny fiterahana. Miteraka resabe izy io matetika ary mi...
25/03/2026

🍼Maromaro ireo reny no tsy mampinono na tsy afaka mampinono aorian’ny fiterahana. Miteraka resabe izy io matetika ary misy mihitsy ireo olona manome tsiny. Fantaro anefa fa maro ireo antony tsy hahafahana mampinono.

- Ny raritsaina na ny stress
- Ny troubles hormonaux
- Ny havizanana be loatra ka lasa ritra na kely fandeha ny nono
- Ny fahasarotana tamin’ny fiterahana ka tsy mampiakatra ny nono
- Misy ihany koa ireo reny izay ao anaty tsy fahasalamana ka mila mihinana fanafody (cancer, aretina mitaiza...)

🍼 Vokatr'izany, mety ho kely na tsy misy mihitsy ny nono. Fantatry ny mpitsabo tsara izany tranga izany, ary tsy fahadisoan'ny reny velively izany sady tsy mampihena ny fitiavany ny zanany.

🍼 Raha tsy afaka mampinono ny reny, dia efa misy ireo solon-dronono sy biberon mety tsara ho an’ny zazakely ary mahasalama azy hatrany. Mila hajaina ny safidy sy ny toe-javatra iainan’ny reny tsirairay, ka tsy tokony homena tsiny izy ireo.

Mirary soa !

Inona no atao hoe “𝐞𝐫𝐲𝐭𝐡𝐞̀𝐦𝐞 𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐞𝐫” ary inona no hisorohana azy? Tena mpitranga amin’ny zazakely ny 𝐞𝐫𝐲𝐭𝐡𝐞̀𝐦𝐞 𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐞𝐫 ...
18/03/2026

Inona no atao hoe “𝐞𝐫𝐲𝐭𝐡𝐞̀𝐦𝐞 𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐞𝐫” ary inona no hisorohana azy?

Tena mpitranga amin’ny zazakely ny 𝐞𝐫𝐲𝐭𝐡𝐞̀𝐦𝐞 𝐟𝐞𝐬𝐬𝐢𝐞𝐫 na masaka. Anisan’ny antony mampitomany sy mahasorena azy izy io.

𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 ?
- Ny fahamandoana mijanona ela loatra ao anaty couche.
- Ny fahamandoana mijanona maharitra eo amin’ny hoditrin’ny zazakely
- Ny fikasohan’ny couche amin’ny hoditrin’ny zazakely.

𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐡𝐢𝐬𝐨𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 ?
- Soloy matetika ny couchen’ny zazakely (isakin’ny adiny telo na mbola tsy feno aza)
- Rehefa feno ny couche dia aza miandry ela fa soloy avy hatrany
- Diovy moramora amin’ny rano matimaty, ary tsy mampiasa savony mihitsy.
- Hamainina tsara amin’ny lamba malefaka vao asiana couche vaovao.
- Mampiasà crème de change na liniment miaro ny hodiny.

𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐭𝐨𝐚 𝐤𝐚 𝐞𝐟𝐚 𝐦𝐚𝐬𝐚𝐤𝐚 ?
Mampiasà 𝐜𝐫𝐞̀𝐦𝐞 𝐚𝐩𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐭𝐞 ho an’ny zazakely izay afaka jifainao eny amin’ny pharmacie, ary araho maso ny fivoarany.

Raha mitohy na mihombo izany, dia manatona pédiatre avy hatrany.

Mirary soa !

Zava-misy iainan’ny vehivavy maro tokoa ny “𝐩𝐨𝐬𝐭 𝐩𝐚𝐫𝐭𝐮𝐦” aorian’ny fiterahana. Rehefa avy nanome aina ianao, dia miatrik...
12/03/2026

Zava-misy iainan’ny vehivavy maro tokoa ny “𝐩𝐨𝐬𝐭 𝐩𝐚𝐫𝐭𝐮𝐦” aorian’ny fiterahana. Rehefa avy nanome aina ianao, dia miatrika fiovana lehibe na ny vatana na ny saina.

Ao ny harerahana be loatra vokatrin’ny tsy fahampiana torimaso, ao ny fiovaovan’ny hormones, ny fanaintainana eny amin’ny vatana. Misy ihany koa ny pression azo avy amin’ny olona ety ivelany izay mitsara ny fomba fitaizanao. Ary indrindra ny fahatsapan-tena ho irery.

Izany rehetra izany dia miteraka alahelo, tebiteby, mitomany na tsy fantatra aza ny antony, fahakiviana, tsy fahatokisan-tena, eny fa hatramin’ny dépression aza.

Tsy sanatria akory fahalemena izany na hakamoana.

𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐨 𝐚𝐟𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐫𝐞𝐧𝐲 𝐭𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 ?
- Henoy izy nefa aza tsaraina.
- Ampio izy amin'ny raharaha izay tokony ataony isan'andro.
- Omeo fotoana izy hialany sasatra ka anjaranao indray no mba mandray ilay zazakely
- Lazao izy tsy hisalasala hangataka fanampiana rehefa mila izany
- Ary indrindra, halaviro azy ireo olona izay tia mibaiko sy mitsikera fotsiny ihany

Ho anareo vehivavy mandalo izany dépression post partum izany : 𝐭𝐬𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐫𝐲 𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐨. Manan-danja ny zavatra tsapanareo. Ary tadidio: 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐚𝐥𝐨 𝐢𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐤𝐢𝐳𝐚𝐲.

Mirary soa !

Mankalaza ny hery, ny herim-po, ary ny fanoloran-tenan’ny vehivavy isika androany, na ny eto Madagasikara na manerana iz...
08/03/2026

Mankalaza ny hery, ny herim-po, ary ny fanoloran-tenan’ny vehivavy isika androany, na ny eto Madagasikara na manerana izao tontolo izao.

Ireo izay manome aingam-panahy, manorina, mikarakara, mamorona, manabe, ary mampandroso ny fiarahamonintsika isan'andro.

Fanajana, fitovian-jo, fankasitrahana: zo ireo fa tsy tombontsoa manokana.

Ny 𝐓𝐃𝐀𝐇 (𝐓𝐫𝐨𝐮𝐛𝐥𝐞 𝐝𝐮 𝐃𝐞́𝐟𝐢𝐜𝐢𝐭 𝐝𝐞 𝐥’𝐀𝐭𝐭𝐞𝐧𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐚𝐯𝐞𝐜 𝐨𝐮 𝐬𝐚𝐧𝐬 𝐇𝐲𝐩𝐞𝐫𝐚𝐜𝐭𝐢𝐯𝐢𝐭𝐞́) dia karazana fikorontanana eo amin’ny fiasan’ny...
04/03/2026

Ny 𝐓𝐃𝐀𝐇 (𝐓𝐫𝐨𝐮𝐛𝐥𝐞 𝐝𝐮 𝐃𝐞́𝐟𝐢𝐜𝐢𝐭 𝐝𝐞 𝐥’𝐀𝐭𝐭𝐞𝐧𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐚𝐯𝐞𝐜 𝐨𝐮 𝐬𝐚𝐧𝐬 𝐇𝐲𝐩𝐞𝐫𝐚𝐜𝐭𝐢𝐯𝐢𝐭𝐞́) dia karazana fikorontanana eo amin’ny fiasan’ny atidohan’ny ankizy sasany.

Ireto ny fambara mety hiseho amin’izany :
- Sarotra ho an’ilay zaza ny mifantoka amin’ny zavatra anankiray
- Manao hyperactivité izy (mihetsiketsika be foana, tsy mahatombina)
- Impulsive be mihitsy (mora tezitra, manao zavatra tsy ampieritreretana)

Fa maninona izy io no voizintsika androany ? Satria maro ireo ray aman-dreny manana zanaka misy 𝐓𝐃𝐀𝐇 no misy mitsara hoe “𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐚𝐲 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐢𝐳𝐚”.

⚠️ Marihina fa tsy ny ankizy maditra rehetra no misy 𝐓𝐃𝐀𝐇. Nefa ho an’ireo izay tratrany, tsy fanahy iniany ny manao ireny fihetsika ireny, ary tsy hoe tsy mahalala fomba izy ireo.

Hafa ny fomba fiasan’ny atidohany, ka mila fandeferana sy fanampiana manokana izy ireo, indrindra any am-pianarana.

Manana talenta sy hery manokana koa ireny ankizy ireny :
- Mahay mamorona zavatra vaovao
- Be hery sy mavitrika be
- Mailaka saina
- Malemy fanahy

Mirary soa !

Amin'ny ankapobeny, mitombo 10 ka hatramin'ny 15 kg ny vehivavy iray mandritra ny fitondrana vohoka (miankina amin'ny to...
25/02/2026

Amin'ny ankapobeny, mitombo 10 ka hatramin'ny 15 kg ny vehivavy iray mandritra ny fitondrana vohoka (miankina amin'ny toe-batan'ilay reny, ny lanjan'ny zaza, ary ny torohevitry ny dokotera izany).

𝐌𝐚𝐧𝐤𝐚𝐢𝐳𝐚 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐤𝐢𝐥𝐚𝐨 𝐢𝐫𝐞𝐨 ?
Tsy ny kibo ihany no mitombo amin’izany fa ireto ihany koa :
- Ny zaza : ~𝟑 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝟒 𝐤𝐠
- Ny liquide amniotique : ~𝟏 𝐤𝐠
- Ny placenta : ~𝟎,𝟓 𝐚̀ 𝟏 𝐤𝐠
- Ny tranon-jaza: ~𝟏 𝐤𝐠
- Ny fitombon'ny habetsahan'ny ra: ~𝟏 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝟐 𝐤𝐠
- Réserves de graisse (ilaina mandritran’ny fitondrana vohoka sy ny fampinonoana) : ~𝟑 𝐚̀ 𝟒 𝐤𝐠

Ara-dalàna, mahasoa, ary tena ilaina io fitomboan'ny lanja io ho an'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza.

Tsy mitovy ny vehivavy rehetra, ireo izay voalazan’ny mpitsabo no mila harahina. Aza mora sorena loatra amin'izay mety ho fitomboana.

Mirary soa !

Miparitaka be ny bronchiolite eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ary ny zaza latsakin’ny 2 taona no maro be voa az...
20/02/2026

Miparitaka be ny bronchiolite eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ary ny zaza latsakin’ny 2 taona no maro be voa azy io.

𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚 ?
✔️ Voan'ny sery na tsentsina ny orony
✔️ Mikohaka
✔️ Mihevina matetika
✔️ Misy feon'akoho kely maneno ny tratrany
✔️ Mety hisy hafanana

𝐈𝐫𝐞𝐭𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐭𝐨 𝐝𝐢𝐚 𝐞𝐟𝐚 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 :
✔️ Sempotra
✔️ Mihetsika ny taolan-tratrany
✔️Mangana ny molony
✔️ Tsy mety minono na tsy mahasakafo intsony
✔️ Reraka tsy toy ny mahazatra

🚨 Raha misy an'ireo fambara ireo ny zanakao, mandehana haingana manantona tobim-pahasalamana na service de pédiatrie

❗ Aza manome fanafody fahatany raha tsy misy toromariky ny dokotera. 𝐀𝐳𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐝𝐨𝐤𝐨𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐭𝐞𝐧𝐚 !

Misokatra 24/24h ary 7/7j ny Clinique Mère Enfant Antsakaviro raha misy mampanahy.

Address

Lot II W 23 Antsakaviro Ambodirotra
Antananarivo
101

Telephone

+261341434567

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Clinique Mère Enfant Antsakaviro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Clinique Mère Enfant Antsakaviro:

Share

Category