Clinique Mère Enfant Antsakaviro

Clinique Mère Enfant Antsakaviro CMEA est une clinique spécialisée en "Maternité et Pédiatrie".

🧸 Matetika mampiady hevitra foana ny resaka momban’ny “tétine sucette”. Ny sasany tena miantehitra aminy mihitsy mba ham...
05/11/2025

🧸 Matetika mampiady hevitra foana ny resaka momban’ny “tétine sucette”. Ny sasany tena miantehitra aminy mihitsy mba hampitoniana ny zaza, fa ny hafa kosa mandrara tanteraka ny fampiasana azy. Ndao ary ho resahina kely ny momba azy io.

🧸𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲 ?

Ny “𝒃𝒆𝒔𝒐𝒊𝒏 𝒅𝒆 𝒔𝒖𝒄𝒄𝒊𝒐𝒏” na koa hoe “𝒇𝒊𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒕𝒔𝒆𝒏𝒕𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂” dia zavatra natoraly eo amin’ny zazakely. Ny fitsetsafana tétine dia manampy ny zazakely ho mora tony.
Araka ny voka-pikarohana ara-tsiantifika dia manena ny tahan’ny “𝒎𝒐𝒓𝒕 𝒔𝒖𝒃𝒊𝒕𝒆 𝒅𝒖 𝒏𝒐𝒖𝒓𝒓𝒊𝒔𝒔𝒐𝒏” ny fanomezana azy tétine alohan’ny hatory.
Rehefa tojo stress ny zazakely dia afaka omena azy tsara mba hahazaony aina, ohatra hoe rehefa mivoaka ny trano, mandeha dokotera na koa ao aorian’ny vaksiny.

🧸 𝐑𝐚𝐡𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐨𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐚𝐳𝐲 ?

Ny tsara indrindra dia rehefa zatra minono ilay zaza izay vao mampiasa azy (3 à 4 semaines), mba hahazainy manavaka ny nono sy ny tétines.
Raha toa kosa mampiasa biberon ianao, izany hoe manao allaitement mixte dia afaka omena aloha izy.

🧸 𝐑𝐚𝐡𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐚𝐣𝐚𝐧𝐨𝐧𝐚 ?

Ny ankamaroan'ireo dokotera dia milaza fa tokony atsahatra izany rehefa feno 2 taona ilay zaza. Mba hialana amin’izay mety ho fiantraikany amin’ny nify sy ny fitenenana.
𝑰𝒓𝒆𝒕𝒐 𝒎𝒊𝒔𝒚 𝒕𝒐𝒓𝒐𝒉𝒆𝒗𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒗𝒊𝒕𝒔𝒊𝒗𝒊𝒕𝒔𝒚 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒍𝒂 𝒂𝒛𝒚 : omeo zavatra hafa hampitony azy izy toy ny doudou, tambitamby, fitantarana tantara alohan’ny hatory. Hampafahantaro azy fa efa mia-lehibe izy ka tsy mampiasa ireny intsony. Ajanony tsikelikely ny fanomezana azy, tsy omena amin’ny atoandro fa amin’ny alina ihany, ary ajanona tsikelikely ny amin’ny alina.

🧸 𝐀𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐢𝐬𝐚𝐟𝐢𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐲 ?

- Ireo izay misy soratra hoe “𝒇𝒐𝒓𝒎𝒆 𝒑𝒉𝒚𝒔𝒊𝒐𝒍𝒐𝒈𝒊𝒒𝒖𝒆” no tsara ampiasaina.
Mila atao mifanaraka amin’ny taona sy ny volana izy io ( ohatra hoe 3 volana ilay zaza dia ireo izay 0 à 4 mois no vidiana. Misolo indray izy iny rehefa mitombo ny volana).
- Ireo izay vita amin’ny 𝒔𝒊𝒍𝒊𝒄𝒐𝒏𝒆 ihany koa no tsara
Ireo izay misy marika “𝒔𝒂𝒏𝒔 𝑩𝑷𝑨, 𝒔𝒂𝒏𝒔 𝒑𝒉𝒕𝒂𝒍𝒂𝒕𝒆”, ary voamarina mifanaraka amin'ny fenitra fiarovana foana no tokony jifaina.
Ny tsara indrindra dia eny anivon’ireo pharmacie no mividy azy.

🧸 Mirary soa !

🍼Mbola mila fitandremana be tokoa ny zaza vao teraka hatramin'ny faha enim-bolana. Mbola tsy dia tena misy hery fiarovan...
29/10/2025

🍼Mbola mila fitandremana be tokoa ny zaza vao teraka hatramin'ny faha enim-bolana. Mbola tsy dia tena misy hery fiarovana izy. Noho izany, mora andairan'ny mikraoba izy ireo, indrindra fa amin'ireo fitaovana ampiasaina aminy toy ny biberon, ny tétine, ny sotrokely...
Izany no antony tsy maintsy hi-stériliser-na azy ireo.

🍼Ny ronono indrindra indrindra, dia toerana mora mampitombo ny bakteria. Na dia efa voadio tsara aza ireo, dia mety mbola misy mikraoba tavela. Mety hiteraka areti-kibo sy fivalanana ho an’ny zazakely izany.

🍼Raha tsy manana stérilisateur ianao dia ny tsara indrindra dia mampangotraka izany. Tsara ny manamarika fa mila sasana aloha ireo fitaovana ireo izay vao stériliser-na.

Mirary soa !

🫶 Rehefa tonga ilay vahiny kely dia lasa sahirana isika. Matetika i Neny no mikarakara an'ilay zaza, fa ianao Dada kosa ...
22/10/2025

🫶 Rehefa tonga ilay vahiny kely dia lasa sahirana isika. Matetika i Neny no mikarakara an'ilay zaza, fa ianao Dada kosa afaka manampy be dia be.

🫶 Ireto misy hevitra tsotra 5 izay tena ilaina :

- 𝐀𝐭𝐚𝐨𝐯𝐲 𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐚𝐧-𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨.
Rehefa mampinono na mampatory ny zaza i Neny dia mba ataovy ny sasa vilia, ny mahandro sakafo, ny fandaminana ny trano. Aza miandry hangatahana fa tonga dia raiso ny andraikitra mba hampamaivana ilay reny.

- 𝐌𝐢𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐟𝐚 𝐦𝐢𝐭𝐚𝐢𝐳𝐚 𝐳𝐚𝐳𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐥𝐢𝐧𝐚.
Tsy voatery ho i Neny ihany no mifoha amin'ny alina. Soloy izy indraindray, na ampio izy rehefa misy zavatra ilain'ilay zaza.

- 𝐑𝐚𝐢𝐬𝐨 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐤𝐢𝐭𝐫𝐚𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐳𝐚𝐳𝐚.
Mandraisa anjara amin'ny fampandroana azy, fanoloana "couche", na milalao azy. Manampy anao bebe kokoa hifamatotra amin’ny zanakao izany.

- 𝐊𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐨 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐝𝐢𝐧𝐚𝐨.
Matetika adinon’ny reny ny misakafo na misotro rano rehefa sahirana amin’ilay zaza izy. Hanaovy sakafo izy, tolory rano, ataovy tsapany fa eo ianao.

- 𝐇𝐞𝐧𝐨𝐲 𝐢𝐳𝐲 𝐚𝐫𝐲 𝐚𝐯𝐞𝐥𝐚𝐨 𝐡𝐢𝐚𝐥𝐚 𝐬𝐚𝐬𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐤𝐞𝐥𝐲.
Avelao izy hitaraina rehefa reraka, manampy azy hanala rarintsaina izany. Raiso ny zazakely ka omeo fotoana izy hialana sasatra na hatoriana kely. Izany no tena ilain'ny sainy sy ny vatany.

🫶 Mila mifanohana hatrany. Asehoy azy ilay fitiavana tena ilainy.

🫶 Mirary soa !

🦷Betsaka ny vehivavy marary nify mandritra ny fampinonoana. Na dia tsy ny fampinonoana aza no tena antony mivantana, mis...
15/10/2025

🦷Betsaka ny vehivavy marary nify mandritra ny fampinonoana. Na dia tsy ny fampinonoana aza no tena antony mivantana, misy anton-javatra maromaro mandray anjara amin’izany:

- Ny fiovaovan’ny 𝐩𝐫𝐨𝐥𝐚𝐜𝐭𝐢𝐧𝐞, 𝐨𝐜𝐲𝐭𝐨𝐜𝐢𝐧𝐞, ary ny fihenan’ny œ𝐬𝐭𝐫𝐨𝐠𝐞̀𝐧𝐞𝐬 dia mety hahatonga ny hihy ho mora mivonto sy marary.
- Ny fivontosan’ny hihy izay niseho nandritra ny fitondrana vohoka dia mety hitohy ka hiteraka fanaintainana sy mety hampandeha rà azy.
- Ny fampinonoana dia mampitombo ny filana 𝐜𝐚𝐥𝐜𝐢𝐮𝐦, 𝐯𝐢𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧𝐞 𝐃, ary 𝐦𝐚𝐠𝐧𝐞́𝐬𝐢𝐮𝐦. Ny tsy fahampiana izany dia mampihena ny tanjaky ny nify
- Ny adin-tsaina, ny tsy fahampian-torimaso dia anisan’ny mampanaintaina nify ihany koa.

Inona ary ny tokony atao ?
- Diovy tsara ny nify sy ny vava (mila borosina indroa isan’andro fara-fahakeliny)
- Mazotoa mihinana sakafo be 𝐜𝐚𝐥𝐜𝐢𝐮𝐦 𝐬𝐲 𝐯𝐢𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧𝐞𝐬.
- Ahenao ny sakafo mamy sy marikivy.
- Mankanesa any amin'ny dentiste raha tsy mety afaka ny fanaintainana na raha misy fambaran'aretina hafa.

🦷 Mirary soa !

👣Matetika mitaintaina isika ray aman-dreny rehefa mbola tsy mandady ny zazakely nefa efa tokony ho fotoanany.𝐀𝐳𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐡𝐲 ...
08/10/2025

👣Matetika mitaintaina isika ray aman-dreny rehefa mbola tsy mandady ny zazakely nefa efa tokony ho fotoanany.
𝐀𝐳𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐡𝐲 𝐟𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐡𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 !

👣Samy manana ny fomba fivoarany manokana ny zaza tsirairay. Misy zaza tsy mandady mihitsy fa manandrana mitsangana avy hatrany.

Ny anton’izany dia miezaka izy mampiasa sy manatanjaka ny hozany.
Avelao izy hikaroka sy hianatra irery, fa ampirisiho kosa hilalao amin'ny tany.

👣 Miezaha manome zavatra azo itazomany rehefa mitsangana izy.

👣 Mirary soa !

🌸 𝐕𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐎𝐤𝐭𝐨𝐛𝐫𝐚 = 𝟏 𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐨𝐦𝐚𝐦𝐢𝐚𝐝𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐧𝐨𝐧𝐨.Ireto ary misy torohevitra mba hisorohana...
01/10/2025

🌸 𝐕𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐎𝐤𝐭𝐨𝐛𝐫𝐚 = 𝟏 𝐯𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐨𝐦𝐚𝐦𝐢𝐚𝐝𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐧𝐨𝐧𝐨.

Ireto ary misy torohevitra mba hisorohana izany :

- Tsapao matetika ny nononao, indrindra aorian'ny fadimbolana, mba hamantarana izay fiovana.
- Manatonà dokotera manao dépistage indray mandeha isan-taona, na indray mandeha isaky ny roa taona.
- Mihinàna sakafo voalanjalanja, manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka, ary fadio ny toaka sy ny paraky.
- Miresaha amin'ny fianakavianao momban’ireo aretina mitaiza izay efa nisy tany aloha.

🌸 Raha misy tranga mampiahiahy hita, aza misalasala manatona mpitsabo avy hatrany. Arakaraky ny hamantarana azy mialoha, no maha mora kokoa ny fitsaboana.

🌸 Mirary soa !

🪮 Mandritran’ny fitondrana vohoka matetika dia malefaka sy mafy ery ny volo. Rehefa teraka kosa, dia lasa mihitsana be n...
27/09/2025

🪮 Mandritran’ny fitondrana vohoka matetika dia malefaka sy mafy ery ny volo. Rehefa teraka kosa, dia lasa mihitsana be ny volon-doha. Betsaka ireo vehivavy no lasa matahotra sy kivy mahita izany.

🪮 Fantaro anefa fa zavatra tena natoraly izany satria miakatra be ny hormonina rehefa bevohoka, ary midina be rehefa teraka ianao.

🪮 Ireo tsara ho fantatra :
-Mitranga eo amin’ny faha 2 hatramin’ny faha 6 volana aorian’ny fiterahana izany
-Tsy maharitra izy io

🪮 Ireo torohevitra afaka arahina :
-Aza fatorana mafy be ny volo
-Mampiasa shampoing malefaka
-Manana fahazarana manotra ny hodi-doha
-Mihinàna sakafo ara-pahasalamana misy protéines, fer, zinc ary vitamines

🪮 Tsarovy fa mandalo fotsiny ihany izany fa hiverina ho salama ny volonao ao aoriana ao. Mila manana faharetana kely fotsiny

🪮 Mirary soa !

🦷Manomboka mitsiry nify ny zaza eo amin’ny faha 6 volana eo ho eo. Indraindray dia mety hiseho aloha izany amin’ny faha ...
20/09/2025

🦷Manomboka mitsiry nify ny zaza eo amin’ny faha 6 volana eo ho eo. Indraindray dia mety hiseho aloha izany amin’ny faha 4 volana, na tara kokoa hatramin’ny 10 volana. Samy manana ny fivoarany ny zaza tsirairay.

Ireto ary ny famantarana fa hipoitra ny nify :
- Be rarakivy be izy ary tia mitsakotsako zavatra
- Mora mitomany sy mora tezitra
- Mena ny takolany
- Tsy dia matory tsara sy tsy mahasakafo
- Mety hisy tazo malefaka
- Mivonto kely ny gencive

🦷 Samy manana ny fotoany ny zaza tsirairay, koa aza taitra raha tara kely. Raha mafy na maharitra ny soritr’aretina dia tsara manatona dokotera.

🦷 Mirary soa !

⚕️Marobe ianareo no manontany anay ao amin’ny hafatra miafina hoe mampanao consultation ve ny gynécologue na tsy mitondr...
14/09/2025

⚕️Marobe ianareo no manontany anay ao amin’ny hafatra miafina hoe mampanao consultation ve ny gynécologue na tsy mitondra vohoka aza ? 𝐄𝐍𝐘 𝐧𝐨 𝐯𝐚𝐥𝐢𝐧𝐲.

⚕️Mba tsy hampisalasala anareo be intsony aza dia indro omenay eto ireo antony mila hanantonana gynécologue :
- 𝐍𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐛𝐞𝐚𝐳𝐚𝐧’𝐚𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚 : liana, mifidy, manavao na manova fomba fiarovana (pilina, “stérilet”, ...).
- 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐫𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐢𝐥𝐢𝐚𝐧𝐚 : fitiliana homamiadan’ny vozon-tranonjaza (frottis), fanaraha-maso ny nono.
- 𝐎𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐝𝐢𝐦𝐛𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 : fanaintainana, tsy ara-potoana na be loatra.
- 𝐀𝐫𝐞𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐚 𝐬𝐨𝐫𝐢𝐭𝐫’𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐞𝐥𝐢𝐧𝐠𝐞𝐥𝐢𝐧𝐚 : “mycose”, mangidihidy, fivoahana tsy mahazatra, aretina azo avy amin’ny firaisana (IST).
- 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐡𝐨𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 : fanaraha-maso mandritra ny vohoka na fanomanana mialoha ny hiterahana.

⚕️Afaka mandray ireo avokoa ny gynécologue ato amin’ny Clinique Mère Enfant Antsakaviro. Ary tsarovy fa tsy misy tokony hahamenatra avokoa ireo.

⚕️Mirary soa !

✂️ Marobe ireo ray aman-dreny no manontany hoe mila solaina ve ny volon-jaza mba hampatevina kokoa azy ? ✂️ Ny tena mari...
10/09/2025

✂️ Marobe ireo ray aman-dreny no manontany hoe mila solaina ve ny volon-jaza mba hampatevina kokoa azy ?

✂️ Ny tena marina anefa dia miankina amin’ny “génétique” ihany ny fanirin’ny volon’ny zaza.
Ny volon’ny zaza ihany koa, na dia manify aza dia miaro ny hodi-dohany amin’ny hatsiaka sy ny hafanana. Ny fanasolana ny volon’ny zaza dia mety hahatonga “irritations” na ratra kely ihany koa.

✂️ Raha toa ka misy fomba manokana arahina anefa ianareo ka tsy maintsy manao izany dia tsara kokoa miandry eo amin’ny faha enim-bolana.

✂️ Eo amin’ny resaka fanapahana indray ?
Afaka manapaka volon-jaza ianao eny na dia voateraka aza izy, raha toa ka misy manelingelina kely azy iny. Fa raha tena te hanapaka fotsiny dia aleo ihany miandry eo amin’ny faha enim-bolana.

Ireto tanisainay manaraka ireto anefa ny fotoana tena ilaina hanapahana izany :
- Rehefa misy sanga manakona ny mason’ny zazakely
- Rehefa mora misaringotra sy mifampisintona
- Rehefa mafana be

✂️ Torohevitra vitsivitsy
- Hety à bouts ronds aloha ampiasaina amin’ny voalohany
- Aza manapaka raha mbola tsy tony ny zanakao sao handratra azy
- Aza mampiasa tondeuse électrique alohan’ny faha 2 taonany mba tsy hampisy irritations azy na hampatahotra azy

✂️ Mirary soa !

👨‍👦 Inona ilay fehezanteny miverina matetika ao ambavan’ny dada rehefa mitaiza, indrindra ka mitomany be ilay zazakely ?...
06/09/2025

👨‍👦 Inona ilay fehezanteny miverina matetika ao ambavan’ny dada rehefa mitaiza, indrindra ka mitomany be ilay zazakely ?

𝐎𝐌𝐄𝐎 𝐍𝐎𝐍𝐎 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 𝐈𝐓𝐘 𝐙𝐀𝐙𝐀 𝐈𝐓𝐘 𝐄 !!

👨‍👦 Mba lazao anay ny fomba fitenin’ireo dada rehetra mahazatra anareo, taguer-o eto ihany koa izy ireo !

Rehefa tapitra ny congé de maternité dia mila miverina miasa amin’izay ny reny.Ahoana ny fomba niainanareo an’ilay fisar...
31/08/2025

Rehefa tapitra ny congé de maternité dia mila miverina miasa amin’izay ny reny.

Ahoana ny fomba niainanareo an’ilay fisarahana maharitra voalohany ? Ary iza no nitaiza ny zazakely ?

Mba tantarao anay hoe !

Address

Lot II W 23 Antsakaviro Ambodirotra
Antananarivo
101

Telephone

+261341434567

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Clinique Mère Enfant Antsakaviro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Clinique Mère Enfant Antsakaviro:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram

Category