06/06/2025
𝗘𝗙𝗜𝗝𝗘𝗥𝗬 (𝘦́𝘤𝘳𝘢𝘯) 𝘀𝘆 𝗠𝗔𝗦𝗢
🌿Maninona no mila ahena ny fotoana laniana amin’ny efijery ?🌿
𝖤fa lasa anisan’ny fiainantsika andavanandro ny efijery : amin’ny asa, fianarana, fialamboly na fifandraisana... Kanefa 𝗋𝖺𝗁𝖺 tafahoatra ny fampiasana azy, dia mety hanimba ny fahasalaman’ny maso izany.
👁 𝗙𝗮𝗵𝗮𝗿𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗼 : rehefa mijery ka mifantoka @ efijery ela loatra, dia mihena ny fikipin'ny maso, ka mahatonga ny 𝗺𝗮𝘀𝗼 𝗵𝗼 𝗺𝗮𝗶𝗻𝗮, mety hangirifiry, mena, ary toy ny mamasipasika ao amin’ny maso.
📱 𝗦𝘆𝗻𝗱𝗿𝗼𝗺𝗲 𝗱𝗲 𝗹𝗮 𝘃𝗶𝘀𝗶𝗼𝗻 𝗮𝗿𝘁𝗶𝗳𝗶𝗰𝗶𝗲𝗹𝗹𝗲 : io dia fitambaran’ny soritr’aretina samihafa ka mahatonga ho manjavona tampoka ny fahitana, marary an-doha, reraka eo amin’ny soroka sy hatoka, ary tsy mahavita mifantoka tsara ny fijery, indrindra amin’ny andro harivariva.
💡 𝗛𝗮𝘇𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗴𝗮 : mamokatra hazavana manga (𝘭𝘶𝘮𝘪𝘦̀𝘳𝘦 𝘣𝘭𝘦𝘶𝘦) ny efijery, izay mety hanimba ny torimaso, ary mahatonga fahanterana aloha loatra amin’ny masontsika (𝑐𝑎𝑡𝑎𝑟𝑎𝑐𝑡𝑒 𝑠𝑦 𝐷𝑀𝐿𝐴 𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝑎𝑙𝑜ℎ𝑎 𝑙𝑜𝑎𝑡𝑟𝑎).
🧠 Ho an’ny ankizy : raha mihoatra loatra ny fijerena efijery dia mety hanakana ny fivoaran’ny sainy sy ny fahitany, hampitombo ny mety hisian’ny 𝒎𝒚𝒐𝒑𝒊𝒂, manakorontana ny torimasony ary mahatonga azy tsy afaka mifantoka tsara amin'ny fianarany.
✅ Torohevitra tsotra :
⏱️ Miato isaky ny 20 minitra (fitsipika 20-20-20 : mijery zavatra lavitra 6 metatra mandritra ny 20 segondra).
👀 Miezaha mikipy matetika.
😴 Aza mampiasa efijery adiny iray alohan’ny hatory.
🌞 Aleo mampiasa hazavana voajanahary, ary atao mifanaraka @ fahazavana manodidina ny fahazavan'ny ny efijery.
👨⚕️ Ny fiarovana ny masonao dia fiarovana ny fahasalamanao.
-----------------------------------------------------------------
Aza adino ny mizara sy manaraka ny pejy Dr. Ophtal'Maso