29/09/2025
PARAMÈTRES VITAUX (3) : HÉMODYNAMIQUES
🍚🌬️ Ny "Glucose" avy amin'ny sakafo sy ny "Oxygène" avy amin'ny rivotra iainana dia tsy tonga amin'ny nofo raha tsy entin'ny lalan-drà (vaisseaux) atosiky ny fitempon'ny fò (battements cardiaques).
🧑⚕️ Tsapain'ny Mpiasan'ny Fahasalamana ary ny :
❤️ - Fidoboky ny Fò, indrindra ny hafainganany (Fréquence Cardiaque : FC) manambara ny tanjaky ny Fò. Amin'ny "Sthétoscope"/Loha-tanana.
🩺 - Tosi-drà (Tension Artérielle : TA) manambara ny fihenjanan'ny lalan-drà, izany hoe ny fahatongavan'ny rà any amin'ny nofo. Amin'ny "Tensiomètre".
🚨 Anatin'ny hamehana (Urgences) dia alaina eo noho eo ireo, saingy raha hanao "Consultation" tsotra kosa dia misy fepetra arahina :
🪑 Mipetraka – 😮💨 Naka aina >5min – ☕ Lavitry ny sakafo, indrindra nisotro kafe...
➡️ Raha misy tsy mazavazava na hoe hitsapa azy mihitsy no andehanana amin'ny dokotera dia mila alaina ny TA havia/havanana. Ankoatran'izay kosa ilany ihany dia ampy.
📊 Tsy "interprétable" tsara ny TA raha tsy miaraka amin'ny FC.
👩⚕️ Afaka maka azy avokoa izay mpiasan'ny fahasalamana, ka raha misy fikorontanana be mety hiteraka fahafatesana eo noho eo, dia aza gaga raha mandray fanapahan-kevitra aloha izy (na tsy dokotera aza, anavotana ny ainao), izay vao miantso tompon'andraikitra.
⚡ Ny fihenan'ny fitaterana rà mankany amin'ny nofo dia antsoina hoe "Choc", izay raha tsy voatsabo haingana dia miteraka fahapotehan'ny nofo maro (Défaillance MultiViscérale) miafara amin'ny fahafatesana.
⬇️ Ny TA ambany loatra no mahafaty eo noho eo, fa ⬆️ ny TA ambony loatra kosa mety hampitondra takaitra mandra-pahafaty.
🌍 Efa misy "norme internationale" io tompoko fa tsy misy an’izany hoe “io mihitsy no zakako” nefa ambony be.
📝 Maro ny azo resahina momba azy io fa izay aloha no azo lazaina tsy ho lava ny resaka...