02/07/2025
✅𝐅𝐚𝐦𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀
𝐹𝑖𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎-𝑚𝑖𝑒𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑛𝑖𝑜, 𝑙𝑜𝑣𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑚𝑝𝑖𝑡𝑠𝑜
📍𝐴𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑟𝑖𝑣𝑜, 30 𝐽𝑜𝑛𝑎 2025 | 𝐶𝐶𝐼 𝐼𝑣𝑎𝑡𝑜
🟢Notanterahana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Centre de Conférences Internationales (CCI) Ivato ny 30 jona 2025 ny lanonana famaranana ny Tetikasa MIAROVA (« Miaro antsika amin’ny COVID-19 ny Vaksiny »), tetikasa notanterahin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny Rafitra Mpandrindra ny Tetikasa (UCP).
Notarihin’i Dr Yasmine Lethicia Lydia, Sekretera Jeneraly, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ny lanonana. Nanotrona izany ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ireo mpisehatra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ary ireo mpisitraka ny tetikasa.
🎯𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐢𝐩𝐨𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐡𝐨 𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐦𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 , 𝐥𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐬𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐚
Natsangana tamin’ny taona 2021 nandritra ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny COVID-19, ny tetikasa MIAROVA ary nivoatra tsikelikely ho sehatra matanjaka ho an’ny fanavaozana sy fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara.
Nohamafisin-dRamatoa Manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena, RAZAFIMANDIMBY Eliane fa nitombo tsikelikely ny sehatra niasan’ny tetikasa MIAROVA hamaliana ireo fanamby ara-drafitra maharitra, toy ny fanatsarana ny fiofanana sy fahaiza-manaon’ny mpiasa ara-pahasalamana, ary ny fananganana tambajotram-pitaterana sy fitehirizana vaksiny, indrindra any amin’ireo faritra saro-dalana sy lavitra andriana.
👉𝐕𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐢𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐨𝐚𝐤𝐚
Nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa dia maro ny fitaovana ara-pitsaboana nohavaozina. Scanners 10 mahazaka teknolojia avo lenta no napetraka amin’ireo hopitaly lehibe, izay manamora sy manatsara ny fandraisana an-tanana ny marary. Ankoatra izany, fitaovana fanaovana “radiographie” miisa 50 no nozaraina, nanamafy ny fahafahan’ny tobim-pahasalamana misahana ny sarim-pitsaboana.
Tsy azo adinoina ihany koa ny fandraisana andraikitra teo amin’ny lafiny fahaiza-manao. Mpiasa ara-teknika miisa 120 no nahazo fiofanana manokana momba ny fikojakojana mialoha ireo fitaovana ara-pitsaboana. Manampy izany, teknisiana 2 no nalefa nianatra tany ivelany momba ny fitantanana ny fanamafisana ny fitahirizana vaksiny amin’ny mari-pana ambany dia ambany. Mpiasan’ny fahasalamana miisa 170 avy any amin’ny distrika no nahazo fiofanana miverimberina momba ny fanao tsara indrindra amin’ny fikojakojana ara-teknika.
Teboka manan-danja amin’ny tetikasa MIAROVA ihany koa ny fanamafisana ny fitahirizana vaksiny. Nozaraina manerana an’i Madagasikara ny vata fampangatsiahana miisa 250 mandeha amin’ny herin’ny masoandro, sy efitra mangatsiaka miisa 24. Moto ara-pahasalamana 590 no nomena ireo faritra sarotra idirana, ary fiara misy vata fampangatsiahana miisa 17 no nampiasaina hamindrana ny vaksiny am-pilaminana sy amin’ny mari-pana voafehy.
👉𝐅𝐢𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐢𝐤𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐨𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐥𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚𝐫𝐞𝐭𝐢𝐧𝐚
Na dia natao hiatrehana ny valan’aretina COVID-19 aza no niandohan’ny tetikasa MIAROVA, dia lasa lova manan-danja ho an’ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara . Ankehitriny, ireo fitaovana sy fahaiza-manao ireo dia mitohy mandray anjara amin’ny fitsaboana aretina tsy mifindra sy manamora ny asa fanefitry ny vaksiny ho an’ny vahoaka manerana ny Nosy.
---------------------------
✅𝐂𝐥𝐨̂𝐭𝐮𝐫𝐞 𝐨𝐟𝐟𝐢𝐜𝐢𝐞𝐥𝐥𝐞 𝐝𝐮 𝐏𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀
𝑈𝑛𝑒 𝑎𝑙𝑙𝑖𝑎𝑛𝑐𝑒 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑎𝑢𝑗𝑜𝑢𝑟𝑑’ℎ𝑢𝑖, 𝑢𝑛 ℎ𝑒́𝑟𝑖𝑡𝑎𝑔𝑒 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑑𝑒𝑚𝑎𝑖𝑛
📍 𝐴𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑟𝑖𝑣𝑜, 30 𝑗𝑢𝑖𝑛 2025 | 𝐶𝐶𝐼 𝐼𝑣𝑎𝑡𝑜
🟢Le Projet MIAROVA (« Miaro antsika amin’ny COVID-19 ny Vaksiny »), mis en œuvre par le Ministère de la Santé Publique à travers l’Unité de Coordination des Projets, a officiellement pris fin ce 30 juin 2025. La cérémonie de clôture, tenue au Centre de Conférences Internationales (CCI) d’Ivato, a réuni les principaux acteurs du secteur de la santé, les partenaires techniques et financiers, ainsi que les bénéficiaires du projet. Un événement presidé par Madame le Sécrétaire Général de la Santé Publique, Dr YASMINE Lethicia Lydia, qui a représenté Monsieur le Ministre, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
🎯𝐔𝐧 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐧𝐞́ 𝐝𝐞 𝐥’𝐮𝐫𝐠𝐞𝐧𝐜𝐞, 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐬𝐟𝐨𝐫𝐦𝐞́ 𝐞𝐧 𝐥𝐞𝐯𝐢𝐞𝐫 𝐝𝐞 𝐝𝐞́𝐯𝐞𝐥𝐨𝐩𝐩𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐬𝐚𝐧𝐢𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞
🟢Le Projet a été lancé en 2021 dans un contexte marqué par l’urgence sanitaire liée à la pandémie de COVID-19. Au fil des années, il a su évoluer pour devenir un instrument stratégique de modernisation et de résilience du système de santé malagasy. Comme la Spécialiste en Santé au sein de la Banque mondiale, RAZAFIMANDIMBY Eliane l’a soulevé.
L’objectif initial du projet MIAROVA était clair : appuyer la réponse nationale face à la pandémie de COVID-19, notamment à travers la mise en œuvre d’une campagne de vaccination efficace, la sécurisation de la chaîne d’approvisionnement et le renforcement des infrastructures médicales.
🟢Parmi les acquis majeurs du projet figurent des investissements significatifs dans les équipements médicaux de pointe. Dix scanners médicaux (10) de dernière génération ont été installés dans les hôpitaux publics stratégiques, permettant des diagnostics plus précis et plus rapides. En complément, 50 appareils de radiographie ont été déployés pour améliorer les capacités d’imagerie dans les centres de santé.
Sur le plan des compétences, MIAROVA a mis un accent particulier sur la formation technique et la transmission du savoir. Ainsi, 120 techniciens ont été qualifiés en maintenance préventive des équipements médicaux, garantissant leur pérennité et leur bon fonctionnement. Deux (02) experts nationaux ont bénéficié d’un perfectionnement à l’étranger pour maîtriser la gestion de la chaîne de froid ultra-basse température, tandis que 170 agents de santé au niveau des districts ont été formés en cascade aux bonnes pratiques de maintenance.
L’un des volets les plus innovants du projet concerne le renforcement de la chaîne de froid vaccinale. Grâce au financement de MIAROVA, 250 congélateurs solaires et 24 chambres froides ont été installés dans les régions, assurant une conservation optimale des vaccins même dans les zones non raccordées au réseau électrique. À cela s’ajoutent 590 motos médicalisées, destinées à atteindre les populations vivant dans des zones difficiles d’accès, et 17 véhicules réfrigérés pour le transport sécurisé des vaccins à l’échelle nationale.
👉𝐔𝐧 𝐢𝐦𝐩𝐚𝐜𝐭 𝐪𝐮𝐢 𝐝𝐞́𝐩𝐚𝐬𝐬𝐞 𝐥𝐚 𝐩𝐚𝐧𝐝𝐞́𝐦𝐢𝐞
Si MIAROVA est né dans l’urgence, son héritage est résolument tourné vers l’avenir. En contribuant au renforcement durable des infrastructures sanitaires et en professionnalisant les agents de santé, le projet a jeté les bases d’un système de santé plus équitable, plus résilient et plus apte à répondre aux futures crises. Il permet aujourd’hui une meilleure prise en charge des maladies non transmissibles, et assure un service de vaccination de routine plus efficace, au bénéfice de milliers de Malgaches.
MMinisteran'ny Fahasalamam-bahoakaBBanque mondiale Madagascar