ORL & Audiology Clinic

ORL & Audiology Clinic ORL & Audiology Clinic – Spécialiste en audition, nez et gorge. Consultations, dépistage et soins partout à Madagascar. Tel : 034 34 677 47

Fait les chirurgies de l'oreille, du nez, et du cou. Faits les tests audiométriques de base: audiométrie tonale, audiométrie vocale, tympanométrie, OAE...
Prise d'empreinte auriculaire pour fabrication d'embout auriculaire
Adaptation prothétique en appareil numérique de qualité. Equipe composée de:
- Médecins ORL / Otologistes
- Audiologistes
- Infirmier(e)s spécialisés
- Techniciens audioprothesistes

Miarahaba sy mirary P***a sambatra ho antsika rehetra. "Fandresena ny fahafatesana"
04/04/2026

Miarahaba sy mirary P***a sambatra ho antsika rehetra. "Fandresena ny fahafatesana"

Mbola ao anatin'ny fankalazana ny andro manerantany ho an'ny fandrenesana hatrany.Tontosa soa aman-tsara ny fizahana sof...
31/03/2026

Mbola ao anatin'ny fankalazana ny andro manerantany ho an'ny fandrenesana hatrany.
Tontosa soa aman-tsara ny fizahana sofina faobe izay notanterahina tao amin'ny efitrano fivoriana Distrika Manjakandriana sy ny centre medical ROVA ny 11 Martsa lasa teo.
Olona maro no nahazo tombon-tsoa tamin'izany fizahana sofina maimaim-poana izany ary nahazo torohevitra sy fanentanana mikasika ny fiarovana sy fikarakarana ny sofina.

Eto dia maneho fisaorana sy fankasitrahana manokana izahay ho an’ireo manam-pahefana sy tompon’andraikitra tonga nanome voninahitra ny hetsika:

•Ny Lehiben’ny Distrika Manjakandriana
•Ny Solombavambahoakan’i Manjakandriana
•Ny Ben’ny Tanàna lefitra ao Manjakandriana
•NyTalen’ny Fahasalamam-bahoaka Faritra Analamanga (DRS Analamanga)
•Ny Médecin Inspecteur ao Manjakandriana
•Ny Tale Jeneralin’ny SALFA
•Ny Filohan’ny SMORL sy ireo mambra niaraka taminy
•Filohan’ny CROM sy ireo mambra niaraka taminy

Tsy hadino ihany koa ireo mpiara miombon'antoka rehetra nanohana ity hetsika ity .

Indreto zaraina amintsika ny sary nandritra ny hetsika📸

Tamberina an-tsary ny hetsika fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny fandrenesana izay notanterahana teny anivon'ire...
27/03/2026

Tamberina an-tsary ny hetsika fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny fandrenesana izay notanterahana teny anivon'ireo sekoly ambaratonga fototra miisa 3 manodidina ny Ambohibao (EPP Morondava , EPP Andranoro , EPP Ambohibao)

Izany hetsika izany dia nialohavan'ny fampiofanana fohy ireo mpampianatra momba ny fahasalaman'ny sofina sy ny fikolokoloana azy.
Ankizy maro manodidina ny 150 no nisitraka izany fizahana sofina maimaim-poana izany.

Isaorana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miombon'antoka nifarimbona ka nahatanteraka ity hetsika ity.

« 03 Martsa 2026 - Andro manerantany ho an’ny fandrenesana  »Ireto ary misy toro-hevitra fikolokoloana  ny sofina : 👉🏻Am...
03/03/2026

« 03 Martsa 2026 - Andro manerantany ho an’ny fandrenesana »

Ireto ary misy toro-hevitra fikolokoloana ny sofina :

👉🏻Ampianaro hahay manisin-delo ny zaza

👉🏻Atsaharo ny fampiasana « coton tige »

👉🏻Ahenao ny fampiasana écouteur

👉🏻Ialao ny fihainoana feo mafy anaty trano filanonana sy fandihizana

👉🏻Mampiasà « bouchon d’oreille » rehefa miasa anaty toerana misy tabataba mafy ( orinasa , masinin-kazo , fitotoam-bary, famakiana vato )

👉🏻Atsaharo ny vono indrindra fa amin’ny faritry ny loha

👉🏻Manantona tobim-pahasalamana raha misy olana mahakasika ny sofina

📢Ho an'ireo izay any Manjakandriana sy ny manodidina .Ho fankalazana hatrany ny andro manerantany ho an'ny fandrenesana,...
23/02/2026

📢Ho an'ireo izay any Manjakandriana sy ny manodidina .
Ho fankalazana hatrany ny andro manerantany ho an'ny fandrenesana, ny SALFA ORL-Audiology Clinic Ambohibao dia mikarakara hetsika fizahana sofina maimaim-poana.

👉Daty : Alarobia 11 Mars 2026 amin'ny 8 ora maraina
👉Toerana : Efitrano Fivoriana Distrika Manjakandriana
📞 034 34 677 47

📌Ny fisoratana anarana kosa dia ao amin'ny Centre Médical Rova Manjakandriana akaikin'ny Paositra.

📢Filazana ho anareo any Antsirabe sy Fianarantsoa ary  ny manodidina Ho fankalazana ny andro manerantany ho an'ny fandre...
16/02/2026

📢Filazana ho anareo any Antsirabe sy Fianarantsoa ary ny manodidina

Ho fankalazana ny andro manerantany ho an'ny fandrenesana.
Ny SALFA ORL -Audiology Clinic dia mikarakara hetsika fizahana sofina maimaim-poana amin'ireto toerana ireo :

➡️Alarobia 04 Martsa 2026 izay manomboka amin'ny 08 ora maraina
Toerana : Service ORL-AC SALFA Ivory Atsimo Fianarantsoa
📞 : 038 66 850 82

➡️Zoma 06 Martsa 2026 izay manomboka amin'ny 08 ora maraina
Toerana : Service ORL-AC Andranomadio Antsirabe
📞 : 038 78 908 44

06/02/2026

Ampahafantarina isika fa efa azo atao tsara ny miantso ny laharana 034 34 677 47 izay nisy olana teo aloha.Mitondra ny fialantsiny noho ny tsy fahatomombanana izay mety naterak'izany.

Vonona handray anao am-pitiavana hatrany ny ORL-AC Ambohibao

Mirary soa tompoko

🌿Ensemble , chaque pas nous rapproche du sommet !• Randonnée réussie ✅Une journée hors du cadre professionnel pour parta...
26/01/2026

🌿Ensemble , chaque pas nous rapproche du sommet !

• Randonnée réussie ✅
Une journée hors du cadre professionnel pour partager des moments conviviaux et renforcer nos liens .

Cette belle expérience nous rappelle que la cohésion d’équipe se construit autant dans le travail que dans le plaisir et le bien-être partagé.

Retour en images sur notre Assemblée Générale (ORL-AC Antananarivo - Antsirabe - Fianarantsoa) qui s'est tenue le Vendre...
22/01/2026

Retour en images sur notre Assemblée Générale (ORL-AC Antananarivo - Antsirabe - Fianarantsoa) qui s'est tenue le Vendredi 16 janvier 2026.

✍️Un moment fort pour faire le point sur l’année écoulée et construire ensemble les perspectives à venir.

Mampatsiahy sahady ny hankalazana ny JMA isika, na andro manerantany ho an'ny fihainoana.03 Martsa 2026.Samia miomana am...
20/01/2026

Mampatsiahy sahady ny hankalazana ny JMA isika, na andro manerantany ho an'ny fihainoana.
03 Martsa 2026.
Samia miomana amin'ny fandaminana ny isan-toerana.

Address

Hôpitla Luthérien TPLA, Ambohibao
Antehiroka
105

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 15:00
Saturday 08:00 - 11:00

Telephone

+261343467747

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ORL & Audiology Clinic posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to ORL & Audiology Clinic:

Share