Idealy Bio

Idealy Bio Épices ,Piment , complément Alimentaires

Poudre Moringa 😍😍40000ar kg.
22/08/2023

Poudre Moringa 😍😍
40000ar kg.

  ✳️FINARITRA INDRINDRA TOMPOKO✳️✅ Aananambo na MORINGA dia anisan'ny zava-maniry tena be otrikaina indrindra.noho izy m...
09/08/2023


✳️FINARITRA INDRINDRA TOMPOKO✳️

✅ Aananambo na MORINGA dia anisan'ny zava-maniry tena be otrikaina indrindra.
noho izy manankarena :
❇️Vitamine A, B2, B3, Zinc, Magnesium.
❇️ Anti inflammatoire na mpanala fanaintainana voajanahary tena mahery vaika
❇️ Misoroka ny homamiadana(cancer )ny fihinana azy matetika.
❇️Mampitombo faharanita-tsaina
❇️Mahatsara sy mitaiza ny taova indrindra ny aty ,Fo , maso , manatsara ny fiasan'ny lalandrà
❇️ Manantsara sy manampy ireo olona sahirana amin'ny fahitana torimaso.
✅ FOMBA FAMPIASA AZY
1 ka hatramin'ny 2 sotrokely maraina sy ariva alohn'ny sakafo. afaka asiana tantely kely ☺️

PRIX : 5000ar / 50g

Prix de gros 40000ar / kg 😍😍
Manao livraison amin'ny faritra izahay tompoko

Contact : 0331468038 / 0334291158

✊✊
25/07/2023

✊✊

☺️☺️
14/07/2023

☺️☺️

Tena sarotra ilay mi-comprendre vehivavy e?
Tsy hainao mihitsy hoe: aiza no hametrahanao ny tenanao?

Ireto misy dictionnaire vitsivitsy ry rahalahy ah:

Ny non= oui🤣

Ny oui= non🤣

Ny ataovy izay tinao= aza atao🤣

Tsy tezitra oa za= tezitra aho fa tambatambazo😒

Iza iny olona iny? = efa hainy tsara hatramn groupe sanguin sy ny casier judiciaire an'iny olona iny fa mananontany fotsiny izy mi'verifieé hoe handainga ve ianao sa tsia...

Ok= tezitra

Bonne nuit= mijanona aloha miresaka fa aza mbola matory

Inona moa ny andro androany? = Efa fantany ny andro androany fa ilay zoaieuuuu annnniverisera de mariage adinonao, ndana mitsoaka ralah ah... Dia mamorona cadeau zao dia zao.

Za aza resahana= resao ah, raraio ah ohhhh 🥺😅
..

Fa iza moa no miteny antsika hoe mi-compreneva vehivavy e????
Hoy ny Efesiana 5:25: "Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo..."

Rehefa tinao ny olona iray dia mi-comprendre hoazy eo ianao.

Tsara ity zoma ity

Fizaràna ho atsika eto Tamatave 😇
11/07/2023

Fizaràna ho atsika eto Tamatave 😇

Fantatrao ve fa hitondra avo ny ankohonana ny tanjona rehefa manangana tokantrano?

Save the date Ière édition TOAMASINA : inona moa izy ity?

"Salon du Mariage, du bébé et de la maison" izay ho tanterahina ny 25, 26, 27 Août ao amin'ny Amphithéâtre CRJS Toamasina, hahitana prestataires maro manodidina ny fikarakarana mariazy sy ny tontolon'ny zazakely ary ireo fitaovana ao an-tokantrano.

Maro ny hetsika ho hita ao toy ny:
- Séance de partage
- Wedding Show
- Tombola hahazoana loka maro
- Animation

Ny andron'ny 26 Août manokana dia hisy ny conférence hiarahana amin'i Mr Ratsimba (Mianatra Mahomby) manodidina ny Tokantrano Mahomby izay mizara toy izao:
- 8h: Mpivady Mahomby @ lafiny rehetra
-10h15: Ireo fototra mampahomby ny fandraharahana

Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy ny 032 73 185 11
Any izany mihaona,
Tsara ity salon ity🙂

👌
08/07/2023

👌

Tena marina 👌Mianatra Mahomby
27/06/2023

Tena marina 👌
Mianatra Mahomby

Tsy voatery hamiratra nohon'ny olona rehetra ianao androany, saingy tokony hamiratra noho ianao omaly ianao androany.

Ny tenako dia tsy mifaninana amin'olona hafa ankoatran'ny tenako.
Za dia mifaninana amin'ilay Ratsimba omaly.
Ny kalitaon'ny zavatra vitako dia mifaninana amin'ilay kalitaon'ny zavatra vitan'i Ratsimba omaly.

Tsy ny namanao no tokony hifaninananao; ny tokony hifaninananao dia ny tsara vitanao omaly.

Tsara ity talata ity

💖💖
23/06/2023

💖💖

Samihafa ny atao hoe: manabe zaza sy miompy zaza.

Ny atao hoe miompy dia: mamahana hanina, manatitra, mi-surveillé, manao vakisiny sy mitsabo; dia avy eo rehefa lehibe dia miandry tombony.

Raha niompy ianao hatramin'izay, ndao: tiavina, beazina, resahana, karakaraina, omena hanina, omena kapoka, bedesina, encouragé-na, caliné-na, tsofina-rano.... henoina ny zana-tsika.

Mora ny miompy, sarotra ny manabe...

Ny zaza tena nobehazina ihany no tena ho lehibe rahampitso

Mpiompy zaza ve ianao sa mpanabe zaza?

Tsara ity zoma ity

17/06/2023

A court de moyens?

Tourne-toi vers la source de tous moyens.

Tourne-toi vers Dieu.

Tsara ity sabotsy ity

💖💖💖
16/06/2023

💖💖💖

Aza manao normal
Aza manao moyen
Aza mampitovy ny vitanao amin'ny vitan'ny olona

Manomeza ny tsara indrindra avy any aminao foana
Manaova ny maximum mba hahatonga anao hiavaka kokoa foana

Satria nohariana ho tsara ianao dia ataovy tsara noho ianao ny zava-bitanao

Tsara ity zoma ity

  😍
13/06/2023

😍

Rehefa mba manana occasion hihaonana amin'ny mpanakarem-be dia: aza mangata-bola mihitsy.

Mangatà hevitra; mangàlatà toro-hevitra mba hahazahoana vola.

Ny transaction an'ny harena dia miampita amin'ny alalan'ny teny.
Ny famoronana rehetra dia nanomboka tamin'ny "idée".

Ohatrinona izay ny vola efa nandalo teo amin'ny ratsan-tananao?
Hey, raha vola no nampanan-karena: efa nanankarena daholo ny mahantra rehetra!

Manomboka izao: mianara mangataka ny mahasoa alohan'ny mahafinaritra!

Hey, mahaiza mangataka: mangatà hevitra!

Tsara ity talata ity

12/06/2023

🤭 MAHALALÀ MENATRA 🙄

Ao anaty fanasana, rencontre, repas d'affaires, réseautage amin'ny mpandraharaha... tsy hisakafo no handehananao any fa hampitombo ny réseau sy ny relation anao...

Rehefa mitombo ny réseau sy ny relation ka mahomby ianao: afaka asianao buffet ao an-tranonao dia afaka misakafo foana ianao!

Isika Afrikanina, tena hita mihitsy hoe tsy ampy sakafo.
Isika Afrikanina, tena hita mihitsy hoe tsy zatra mahita sakafo be...

Réseau inona kay no antenainao amin'ity mamoaka sachet ity hampirimana an'ilay sakafo hoentina mody?
Ny sasany aza moa mitondra tavohangy mihitsy hitondrana coca mody; ny sasany: ilay plateau iny mihitsy no batainy eny ambony latabatra...
Ny sasany manangona taolana ho an'ny saka sy ny alika any an-trano hono: hany ka vitany mihitsy ny miteny latabatra rehetra hanaovana provision.
Mazàna ny buffet aty Gasikara dia fifandrombahana; raofina mihitsy ilay sakafo, ary atao mitafotafo ny eo am-bilia....

Aza sakanana amin'ny zavatra toy izany ny fahombiazanao.

Tsy ilay sakafo no opportunité ao anaty réseautage fa réseau tompoko!

Ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany...

Tadidio fa any aminao ny mason'ny futur partenaire anao
Tadidio fa any aminao ny mason'ny futur collaborateur anao
Tadidio fa any aminao ny mason'ny futur fournisseur, potentiel client, investisseur, financeur....

Na dia mifandrombaka sakafo eo aza ny olona rehetra, ianao: manajà ny tenanao.
Na tena réalité aza ilay ianao "tena tsy ampy sakafo" avy any antrano: manajà ny tenanao tompoko.

Ianao mibosibosika sy mitondra sachet iny anie ka mety hanakana milliard tsy hiditra aminao e!

Aza habaribary ny fahalemena
Aza habaribary ny fitanjahana
Aza habaribary ny hanoanana

Hey, mahalalà menatra tompoko

Tsara ity alatsinainy ity

Mianatra Mahomby 👌
10/06/2023

Mianatra Mahomby 👌

Raha tsy mahay mandraharaha ianao amin'izay hanananao: dia tsy hahay handraharaha ianao amin'izay ho atolotra ho anao.

Ny fianarana mandraharaha dia manomboka amin'izay hananana fa tsy manomboka amin'ny fitsiriritana izay mbola tsy eo am-pelatanana.

Sarotra amin'ny mpamatsy vola ny hamatsy olona tsy mahay mitantana sy mampitombo izay efa nananany.
Sarotra amin'ny mpamatsy vola ny hino olona tsy mbola nahatsangan-javatra nefa milaza fa mahay manangana.

Aty amin'ny fandraharahana, vokatra no tena hitsarana anao fa tsy ny fampanantenanao.

Sahia manomboka.

Mianara manomboka amin'izay eo am-pelatanana.

Tsara ity sabotsy ity

09/06/2023

Ny avonavona dia mampikatso....
Ny avonavona dia manena vitesse...

Mba betsaka ihany ny ao amin'ny répertoire-ko fa tsy mbola nahita mpandraharaha mahomby niavonavona aho...
(Raha mpandraharaha miavona izy dia= mpandraharaha mbola tsy mahomby izay izy)

Ny tena mpandraharaha dia tsy miandry ny hafa hanao premier pas...
Ny tena mpandraharaha dia manetri-tena manatona foana na izy ary no "grand" noho ilay "petit".

Sahia mifanantona.

Tsara ity zoma ity

08/06/2023

Fahazarana mety tsy hampahantra anao.

Ireto fahazarana omeko anareo ireto dia mety sarosarotra ny mampihatra azy androany fa kosa sahiko ny milaza fa tsy hahahantra izany ianareo raha taona iray mahery any no ampiharanareo azy.

1. Ny tsy mirobaroba rehefa misy vola.
Hitanareo ny olona mahazo ny ankamaroan'olona ?
Vao misy vola , mandray vola kely ny faran'ny volana dia mividy zavatra maro be na tsy dia ilaina.
Soloy izay fahazarana izay, soloana tsy mirobaroba ka na misy vola miditra dia ataovy toy ny fiainanao tsy manam-bola dia manangona.

2. Ny fianarana isanandro.
Haiko fa vitsy isika no tia mianatra vao nahazo poste na vao nahavita fianarana.
Mila mitady zavatra hianarana foana ianao na efa miasa aza satria ny fiainana mivoatra foana.
Ka manaova toy ny fanaoko hoe , isakin'ny herinandro aho tsy maintsy mianatra zavatra vaovao foana.

3. Ny mampiasa vola.
Aza angonina ela loatra ny vola fa ampiasao mba hiteraka vola hafa.
Ahodino amin'ny zavatra hazahoana tombony.
Ampisao mba hananganana activités kely.
Mianara mba mividy zavatra eny an-tsena dia amidy amin'ny vidiny ambony avy eo.
Mianara mba mamorona zavatra ilain'olona.
Miaraha amin'olona manana idées ireny raha tsisy idées na midira ao amin'ny vondrona izay nisokafako Magéne business groupe raha mitady idées afaka atao fa misy kazarany maro no zaraiko ao.

Izay fa anjaranao sisa.
Averiko kely iany , somary sarotra ireo zavatra niresahako ireo fa lainga raha ianao ny ho mahantra raha anatin'ny heritaona mahery ianao no mampihatra azy ireo.

Misy vahaolana omeko anareo ireto mba hahatonga

07/06/2023

Tsy fantatrao hoe rahoviana ianao no hiala eto.
Tsy fantatrao hoe manana firy andro, firy ora, firy minitra sisa ianao????

Noho izany aza gaspilléna ny fotoana sisa hananao!

Tsara ity alarobia ity

Address

Antsirabe
110

Telephone

+261331468038

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Idealy Bio posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share