FMLA-Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio Antsirabe

FMLA-Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio Antsirabe Clinique d'ophtalmologie implantée dans la ville d'Antsirabe. Elle prend en charge les différentes pathologies oculaires et vices de réfraction.

21/08/2024

Le magnésium est le complément le plus en vogue du moment, et nombre de sportifs en consomment régulièrement. La journaliste Melanie Paukner a osé l’expérimentation et voici ses conclusions après trois mois de test.

Lanonam-panokafana ny tetikasa HIRATRA P00469: Tetikasa fisorohana ny fahajamban'ny zaza eto Madagasikara amin'ny alalan...
18/07/2024

Lanonam-panokafana ny tetikasa HIRATRA P00469: Tetikasa fisorohana ny fahajamban'ny zaza eto Madagasikara amin'ny alalan'ny fitiliana mialoha ireo zaza tera-bao ka hatramin'ny faha-2 taon'ny zaza
Tetikasa vatsian'ny CBM Global, ary iarahana amin'ny SALFA Fitsaboana Maso Andranomadio. Ny tanjona dia mba hisorohana mialoha ny fahajambana eo @ zaza hatreo am-pahaterahana ka hatramin'ny taona hanaovan'ny zaza Vaksiny; amin'ny alalan'ny fametrahana fitiliana mialoha anivon'ireo tobim-pahasalamana fototra.
Nanotrona ny fotoana teto ireo tompon'andraikitra maro isan-tsokajiny, ka isaorana indrindra.
'ny Fahasalamam-bahoaka
Jeneraly SALFA
-paritry ny Mponina Vakinankaratra
CBM Global
fikambanan'ny olona manana fahasembanana.
vondrona mpiara-miasa isan-tokony.

Ny vahoakan'Mandoto indray no nisitraka ny fitsaboana maso maimaim poana androany 19 jona 2024, mirary soa antsika hatra...
19/06/2024

Ny vahoakan'Mandoto indray no nisitraka ny fitsaboana maso maimaim poana androany 19 jona 2024, mirary soa antsika hatrany, misaotra ireo mpiara miasa sy ireo mpiray ombon antoka rehetra!

16/06/2024

Miarahaba ny ray rehetra nahatratra ny andro anio! Mirary soa dia samia ho tahin'Andriamanitra

08/06/2024

Aza adino fa efa misokatra ny Fitsaboana maso loterana Betela Morondava! Afaka mandray isan 'andro ao ary efa misy ny solomaso sy ny fanafody azo raisina!
Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miditra mivantana amin ' ny pejy na miantso ny laharana 0387004531
Ekipan'ny Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio Antsirabe no mandray anao !
Mirary soa, aoka hifampilaza!
"Zontsoka ny hahita"

31/05/2024

Miarahaba antsika rehetra! Ampafantarina isika fa efa misy ny Fitsaboana Maso mandray marary isan andro ao amin ny hopitaly loterana betela morondava manomboka izao!
Mirary soa antsika rehetra, ilazao ny namana, havana arak izany!

23 Febroary 2024Anjaran'ny Betafo indray no nisitraka ny fitsaboana maso maimaimpoana androany!Mitohy hatrany ny fitetez...
23/02/2024

23 Febroary 2024
Anjaran'ny Betafo indray no nisitraka ny fitsaboana maso maimaimpoana androany!
Mitohy hatrany ny fitetezam paritra hiarahana amin Fitsaboana maso loterana Andranomadio izay fiaraha miasa amin fanjakana sy ireo mpamatsy avy any ivelany
Zontsika ny mahita sy hanana maso salama

Manoloana ity areti-maso conjonctivite mirongatra ity dia manentana antsika mba tsy hanao dokotera tena. Manatòna tobim-...
13/01/2024

Manoloana ity areti-maso conjonctivite mirongatra ity dia manentana antsika mba tsy hanao dokotera tena. Manatòna tobim-pitsaboana maso raha vao misy tranga mampiahiahy amin'ny maso. Tandrovy hatrany ny fepetra momba ny fahadiovana. Mampiasà gel hydroalcoolique na manasà tànana amin'ny rano sy savony alohan'ny hikitikitika maso.

Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio Antsirabe, manatrika ny fanokanana ny chapelle hopitaly Salfa Betela MorondavaMira...
21/10/2023

Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio Antsirabe, manatrika ny fanokanana ny chapelle hopitaly Salfa Betela Morondava
Mirary soa ho an'ny Salfa rehetra manerana ny nosy
Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra

06/06/2023

Hikatona ny Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio ny Asabotsy 10 jona hoavy izao satria hanatanteraka fanadiovana faobe(asa tana-maro)! Hiverina hisokatra kosa izy ny alatsinainy 12 jona!
Ampahatsiahivina ihany anefa isika fa misy hatrany ny fandraisana ireo marary tratry ny tsy nahy na mila fizahana maika (toy ireo ditsoka, voadona.... amin'ny fotoana rehetra
Mirary soa ho antsika rehetra

04/06/2023

Salama daholo! Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra izay ataon'ny Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio Antsirabe ka mampihomana anareo ao Ambositra sahady indray izay fa ho avy tsy ho ela!
Mifampilaza fa zon'ny rehetra ny hanana maso salama sy mahiratra

"IZAHAY MITSABO, JESOSY MANASITRANA"
19/04/2023

"IZAHAY MITSABO, JESOSY MANASITRANA"

Address

Antsirabe

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00
Saturday 08:00 - 11:00

Telephone

+261341911109

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FMLA-Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio Antsirabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to FMLA-Fitsaboana Maso Loterana Andranomadio Antsirabe:

Share

Category