๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’

  • Home
  • Madagascar
  • Fรฉnรฉrive-Est
  • ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’

๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’ Le spรฉcialiste de l'alimentation et du mode de vie saine Maroloko. 1. ๐‘จ๐’‰๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’Ž๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’ ?

Ny Maroloko Nutrition dia manao ny asa ยซ ๐—”๐—ฐ๐—ฐ๐—ผ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ด๐—ป๐—ฒ๐—บ๐—ฒ๐—ป๐˜ | ๐—–๐—ผ๐—ฎ๐—ฐ๐—ต๐—ถ๐—ป๐—ด ๐—ฒ๐—ป ๐—ป๐˜‚๐˜๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป-๐—ฑ๐—ถ๐—ฒฬ๐˜๐—ฒฬ๐˜๐—ถ๐—พ๐˜‚๐—ฒ ยป ho anโ€™ny fahasalamanao ; ka aminโ€™ny alalanโ€™ny fampiasana ny tambajotran-tserasera no anatanterahana izany. Ny Maroloko Nutrition dia teraka noho ny fahatsapana ny olana misy araka ny traikefa hita mikasika ny fanjariantsakafo eto Madagasika satria ny mpamorona azy dia olona manana traikefa sy mahafantatra tsara ny tontolonโ€™ny fanjariantsakafo (Nutrition) eto Madagasikara, satria efa niasa taminโ€™ny sehatra momba izany fanjariantsakafo izany nandritra ny 15 taona izao; miaraka aminโ€™ny ekipa tanora izay maharaka tsara ihany koa ny fivoarana sy ny zava-baovao eo aminโ€™ny tontolonโ€™ny fanjariantsakafo satria niofana manokana momba izany.

2. ๐‘ฐ๐’“๐’†๐’ ๐’›๐’‚๐’—๐’‚๐’•๐’“๐’‚ ๐’‚๐’›๐’๐’๐’‚๐’ ๐’‚๐’•๐’‚๐’ ๐’Ž๐’Š๐’‚๐’“๐’‚๐’Œ๐’‚ ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’โ€™๐’๐’š ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’ ? ALIMENTATION POUR GESTION DU POIDS (Sakafo fitantanana ny lanja)
Perte de poids | Gain de poids | Nutrition sportive | Body Building
Mampidina lanja ยฌ| Mampitombo lanja |Mpanao fanatanjahan-tena |Mampitombo hozatra
ALIMENTATION POUR MANAGEMENT DES MALADIES (Sakafo ho anโ€™ny olona marary)
Hypertension | Diabรจte | Cholesterol | Cardio Vasculaire | Rรฉnale | Digestive | Goutte | Tuberculeux | VIH-Sida | Covid-19 โ€ฆ
ALIMENTATION Pร‰DIATRIQUE (Sakafo ara-pahasalamana)
Nutrition pour enfant | Nutrition pour adolescents | Nutrition chez l'autiste | Nutrition chez les drรฉpanocytaire
Fanjariantsakafonโ€™ny Zaza | ny Tanora | Ny manan-kilema
ALIMENTATION SPร‰CIALE (Sakafo manokana)
Nutrition de la femme | Alimentation du Nourrisson et du Jeune Enfant | Nutrition de prรฉ-conception | Nutrition pendant la grossesse | Nutrition pendant l'allaitement | Regime dรฉtox
Fanjarian-tsakafonโ€™ny vehivavy (Alohanโ€™ny hitoe-jaza, Bevohoka, Mampinono)| Sakafo ho anโ€™ny zazamenavava sy ny ankizikely| Rรฉgime Dรฉtox
ALIMENTATION EN ENTREPRISE (Sakafonโ€™ny orinasa)
Nutrition pour salariรฉ | Performance en entreprise | Animation | Atelier de Nutrition
Fanjariantsakafonโ€™ny mpiasa | Fampandrosoana ny orinasa | Fanentanana | Atrikasa momba ny fanjariantsakafo
APPUI | CONSEIL | FORMATION MODULAIRE (Tohana | soson-kevitra |Fiofanana )
Nutrition Scolaire | Sรฉcuritรฉ alimentaire | Nutrition communautaire | Urgence Nutritionnelle
Fanjariantsakafo an-tsekoly |Filaminana ara-tsakafo | Fanjarian-tsakafo anivonโ€™ny fiaraha-monina |Voina ara-panjariantsakafo
Arakarakโ€™ireo tolotra ireo ihany koa arakโ€™izany ny sarany aloanao, ka afaka atao ny mandoa izany indray mandeha miaraka na araka izay ifanarahana (isan-kerinandro, isam-bolana, โ€ฆ.)

3. ๐‘จ๐’‰๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’‡๐’๐’Ž๐’ƒ๐’‚ ๐’‡๐’Š๐’‚๐’”๐’‚๐’โ€™๐’๐’š ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’ ? Hanamaivanana ny fahazahoanโ€™ny Malagasy rehetra ny tolotra dia natao ยซ en ligne ยป na ยซ ร  distance ยป izany hoe ampitain-davitra ny asa rehetra hatreto.
- Izahay dia manolotra anao ยซ Sakafo ara-pahasalamana ยป efa voalanjalanja.
- Tsy manavaka fa ny olona rehetra dia afaka manaraka tsara ny ยซ programme ยป izay atolotray izay samy manana ny faharetany avy ihany koa arakaraka ny olona, manaja ny fahazotoanao sy ny tsiron-tsakafo mety aminao. Tsara marihina anefa fa ho anay, izay tsy mihevi-tena ho mpitsabo (dokotera) ka noho izany dia tsy hanisy olana aminโ€™izay fanafody sy fitsaboana nasainโ€™ny mpitsabo anao harahinao. Fa ny ataonay aza dia ny hiaraka hiasa aminy sy ny hanampy anao aminโ€™ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana mba ho toko-telo mahamasa-nahandro aminโ€™ny fahatratrarana ny tanjona.
- Samy manana ny toe-batany sy ny mampiavaka azy ny olona tsirairay, noho izany dia ยซ Programme ยป manokana mifanaraka aminโ€™ny toe-batanao no homenay anao arakaraky ny filร nao.
- Resaka fanjariantsakafo no hanampiana anao, aminโ€™ny alalanโ€™ny fampahafantarana ireo karazan-tsakafo mifanaraka aminโ€™ny vatana sy fahasalamanao, ny fomba fikarakarana izany, ny habetsahany tokony hampiasaina, ny endriny sy ny maro samihafaโ€ฆ. izay hanarahinโ€™ny ekipanโ€™ny ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’ anao isanโ€™andro aminโ€™ny alalanโ€™ny fifandraisana aminao aminโ€™ny tamba-jotra ampiasainao (Facebook messenger, WhatsApp, Skype, Zoom, โ€ฆ.. ) na antso an-telefaonina. Tombony lehibe izany noho ianao malalaka tsara sy tsy lany fotoana aminโ€™ny fiandrasana sy filaharana na koa ny famonjena ny toerana na toby satria na aiza na aiza toerana misy anao, na inona na inona ataonao dia afaka mifandray aminโ€™ny ekipa foana ianao (an-trano na birao, an-jaridaina, any am-pialantsasatra snsโ€ฆ.), arakโ€™izany dia tsy voatery hanantona toy ny mahazatra aminโ€™ny ยซ Service ยป hatrizay ianao fa manam-potoana tsara. Ary izany dia mandritra ny fotoana rehetra mandra-pahazoana vokatra tsara.
- Raha misy ireo asa tsy maintsy ilร na fifanatrehana (prรฉsentiel) dia ifanarahana ny fotoana sy ny toerana hanaovana izany (toy ny Fiofanana, Sรฉminera, snsโ€ฆ.)

4. ๐‘ณ๐’Š๐’‚๐’๐’‚ ๐’Š๐’‚๐’๐’‚๐’ ! ๐‘ฐ๐’๐’๐’๐’‚ ๐’‚๐’—๐’š ๐’‚ฬ€๐’“๐’š ๐’๐’ ๐’‚๐’•๐’‚๐’ ๐’—๐’๐’‚๐’๐’๐’‰๐’‚๐’๐’š ? Raha mahaliana anao izany dia safidio ireo tolotra ilainao. Aorianโ€™ny fandoavanao ny sarany mifanaraka aminโ€™izay tolotra ilainao dia hahazo fanamarinana (confirmation de paiement) ianao miaraka aminโ€™ny fotoana (daty sy ora) hiresahanโ€™ny tomponโ€™andraikitra aminao mivantana (mba ahafahanao miomana aminโ€™ireo fanontaniana sy fanadihadiana tsy maintsy hatao). Izany dia hatao aminโ€™ny alalanโ€™ny fitaovan-tserasera izay ampiasainao sy mety aminao ( Skype, messenger, zoom, snsโ€ฆ.)

5. ๐‘น๐’‚๐’‰๐’‚ ๐’—๐’‚๐’ ๐’‰๐’‚๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’๐’Œ๐’‚ ๐’‰๐’Š๐’‚๐’“๐’‚๐’Œ๐’‚ ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’'๐’๐’š ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’ ๐’…๐’Š๐’‚ ๐’‚๐’‰๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’ ๐’‚๐’•๐’‚๐’ ? Aminโ€™ny fifandraisana aminao voalohany dia iarahanay manao aminao ny mijery ny mombamomba anao aminโ€™ny lafiny ara-pahasalamana (bilan de santรฉ) izay mifototra aminโ€™ny fanontaniana aminโ€™ny antsipirihany mikasika izany : Ara-pianakaviana (antรฉcedants familiaux), olana ara-pahasalamana, fahazarana aminโ€™ny fiainana (habitude de vie), ny torimaso, fanatanjaha-tena atao, sy ireo fiasร nanโ€™ny vatana samihana (digestif, nerveux, respiratoire, hormonal, cardio-vasculaire, ostรฉo-articulaireโ€ฆ). Hanampy anao aminโ€™ny fanatanterahanao izany ny ekipa ka mba tsy handiso ny zavatra hatao dia mila marina tsara ireo valin-teny omenao (Tazonina ho tsiambaratelo izany rehetra izany). Ho resahinay anao ireo zavatra rehetra hatao aorianโ€™izay.

6. ๐‘ฐ๐’๐’๐’๐’‚ ๐’๐’ ๐’‚๐’๐’•๐’๐’๐’š ๐’‚๐’๐’‚๐’๐’—๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’๐’‚๐’“๐’‚๐’‰๐’‚-๐’Ž๐’‚๐’”๐’ (๐‘บ๐’Œ๐’š๐’‘๐’† ๐’๐’‚ ๐’๐’๐’๐’Ž ๐’๐’‚ ๐‘ด๐’†๐’”๐’”๐’†๐’๐’ˆ๐’†๐’“) :
Manomboka aminโ€™ny RDV faha-2 dia mila miresaka mivantana aminโ€™ny alalanโ€™ny appel vidรฉo na izay tambajotra hafa mety aminao izahay mba:
* Hanamboarana ny sakafonao aminโ€™ny fampahafantarana anao ireo sakafo mety sy tokony harahinao
* Hampidirana ireo sakafo tsara (super-aliment) hanatsarana ny fahasalamanao
* Hanomezana anao ireo fanampin-tsakafo hamenoana ny banga
* Hampidirana ireo fihetseham-batana sy fanatanjahan-tena ary fombam-piainana tokony hataonao

7 - ๐‘ฏ๐’‚๐’‡๐’Š๐’“๐’Š๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’ ๐’‡๐’‚๐’‰๐’‚๐’“๐’†๐’•๐’‚๐’๐’š ? Marihina eto fa mila manana faharetana raha te hahita fahombiazana satria koa ny tsirairay dia samy manana ny toe-batany hoy isika tery ambony (physiologiquement , psychologiquement)
Misy dingana maromaro tsy maintsy arahina mba hahazoana ny fanovร na tiana ho tratrarina
Fa aminโ€™ny ankapobeny dia miovaova ny fe-potoana anaovana ny ยซ programme ยป, fa ny kely indrindra dia 3 volana, ary mety haharitra hatraminโ€™ny 1 taona na mihoatra.

8 - ๐‘ถ๐’—๐’Š๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’ ๐’•๐’”๐’‚๐’“๐’‚ ๐’Ž๐’‚๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’๐’Œ๐’‚ ? Ny fotoana rehetra mandritra ny taona dia mety avokoa raha te hanatsara ny fahasalamana sy ny fiainana ankapobeny
Rehefa vonona sy tapa-kevitra ianao dia afaka miara-miasa isika hahatratraranao ny tanjonao.

๐™ˆ๐™–๐™ง๐™ค๐™ก๐™ค๐™ ๐™ค ๐™‰๐™ช๐™ฉ๐™ง๐™ž๐™ฉ๐™ž๐™ค๐™ฃ
#๐™จ๐™–๐™ ๐™–๐™›๐™ค๐™ฃ๐™ค๐™›๐™–๐™ฃ๐™–๐™›๐™ค๐™™๐™ฎ

Address

Fรฉnรฉrive-Est
509

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to ๐‘ด๐’‚๐’“๐’๐’๐’๐’Œ๐’ ๐‘ต๐’–๐’•๐’“๐’Š๐’•๐’Š๐’๐’:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram

Category