09/04/2026
VEHIVAVY MITONDRA VOHOKA
Hiteny kely an'lisany LEHILAHY aho!
Maty teo ampiterahana niaraka tamin'ny zazakely ity sary asehoko anareo ity!
Tamin'ny andro nitondrany vohoka dia fijaliana sy fampirafesana ary aditsaina sy ranomaso lava no tambiny azony tamin'ny vadiny
Ary tamin'ny andro nahaterahany dia tsy nanatrika ny vadiny fa variana tany amin'ny revy sy namany ary vehivaviny tany!
Misy fiatraikany lehibe amin'ny vohoka sy fahasalamany izany ary niafara tamin'ny ain'izy mianaka
Tsy mora izany mitondra vohoka izany.
Raha mba maloiloy mandoha ny vehivan'lisany tsy oe VORETRA izy na manao fanahy iniana fa ilay zaza ao ankibony no antony.
Raha mba mitady sakafo ny vehivavin'lisany na misasak'alina aza, dia mifohaza ka omeo hanina izy.
Matetika mivonto ny tongony , aza reraka manome rano anaty koveta azy andomany azy mba i-soulager izany.
Matetika izy malaina mietsika tsy fahakamona akory ireny fa fahavesarana.
Tsy mahavita miondrika izy nohon'ny kibony raha mba miangavy an'lisany hanidy ny kirarony tsy filambaniny akory fa ilay zanakareo
Matetika izy tsy mahinankanina tsy oe miavonkanina akory na tsy tiany ilay sakafo fa noho ilay zanakareo.
Matetika tsy mahita tory amin'ny alina izy, tsy oe izy no tsy te hatory na te hanakotaba an'lisany fa noho ny zanakareo.
Raha misy filana tin'lisany tsy manakana ny firaisana aranofo ny vohoka na angezan'ny kibony, miangavy aho aza apirafesina izy fa mahavita izany izy!
Na inona na inona ilain'lisany afaka ataony raha mbola vitany!
Vehivavy mahery ny vadinao💪
Vehivavy manja nohon'ny any ivelany izy😍
Nohon'ny zanakareo no mahatonga azy mbola sahirana kely tsy mahakaraka vatana indraindray na tsy afaka mietsika firy fa tsy fahakamoana na faharatsiana velively!
Tiavo izy fa amin'ny andro ahaterahany no andro MAHAFATY na MAHAVELONA azy sy ny ZANAKAREO!sao hanenina
9 volana monja anie e!😍
Olona mitondra olona ny vadinao ka tiavo
Aina mitondra aina ka hajao.
© HARENA NY ZANAKA