02/07/2021
Miarahaba e,
Andao mba ho resahana ny FANAOVANA DOKOTERA TENA ka mividividy fanafody tsy araka ny tokony ho izy.
Tandremo tompoko io fanao iray io, indrindra isika malagasy izay tena zatra manao azy io, fa tena loza ho anao izany.
Tsy hoe akory nisy fanafody nahasitrana an'i Rabe na Rakoto na Rasoa dia mety aminao ihany koa ka andeha hinana tahaka an'iny ianao.
Tsy hoe efa nandeha mpitsabo ianao ary nahazo fanafody tamin'izay, ka nisy soritraretina nitovitovy tamin'iny niseho indray taminao na tamin'ny manodidina anao de andeha ihinana an'iny ihany koa fa hoe ity ihany no naha sitrana.
Tsy hoe nisy fanafody nalaza be tampoka tato amin'ny tambanjotra serasera na nalaza tao amin'ny fiarahamonina fa naha sitrana izao sy izao na fiarovana amin'izao sy izao dia ihinana ihany koa ianao.
Fadio tena fadio izany satria :
-Ny olona dia samy manana ny toe-batana ka ny fanafody dia tokony hifanaraka foana amin'izay toe-batany izay no azony hoanina.
-Ny aretina na mety hitovitovy ary ny soritraretina de tsy voatery aretina mitovy ka tandremo ny miaino resak'olona na manao dokotera tena.
-Na fanafody mitovy ary no hoan'ny olona roa, mety samy hafa no fomba fihinany azy satria misy zavatra maromaro no mila jerena ao anatin'izany. ohatra : ny taonan'ilay marary, ny lanjany, ny fanafody hafa hoaniny miaraka amin'ny fanafody iny, ny aretina mitaiza azy, sns
Noho izany, manantona foana mpitsabo rehefa misy zavatra tsy azoazo eo amin'ny lafin'ny fahasalamana. Maka foana toro-hevitra amin'ny mpiasan'ny fahasalamana fa aza manao dokotera tena.
Olon'ny fanafody ny farmasianina, matokia azy.