28/04/2026
🤔💊 Efa mahazatra anao ve ny mitoto na manokatra voam-panafody "comprimés, gélules" ?
❌️ Fomba fanao tsy mety izany, ka ndao hahitsy. ✨️
=> Ny fanafody sasany dia notefena manokana mba hiasa miandalana na hiaro ny vavony.
💡 Noho izany fanovàna ny endriky ny fanafody dia mety hiteraka :
• fatra mihoatra na « surdosage »
• fihenan’ny fahombiazan’ny fanafody
• voka-dratsy tsy irina na « effets indésirables »
👉 Tsy tokony hototona na hosokafana ny fanafody rehetra.
✅ Raha misy mampisalasala, mangataha hatrany torohevitra amin’ny mahatianina momba ny fahasalamana .