14/08/2025
🌟 Astuce by M'Zara Soins Med.
✅ Tombotsoa ara-pahasalamana azo avy amin'ny MORONGO (Ananambo) :
1- Manamafy ny hery fiarovan'ny vatana : Manankarena Vitamine C , Vitamine A, ary Antioxydants Izay miaro amin'ny aretina sy virus.
2- Manome hery sy Angovo 💪 : Manana fer, Calcium , potassium , sy protéine be dia be izy, ka tsara hoan'ny olona RERAKA na MAREFO.
3- Miaro ny fo sy manatsara ny Rà ❣️: Manampy amin'ny fanafiovana rà , fanatsarana ny fikorian'ny rà sy ny fampihenana ny TOSI-DRÀ (Hypertension)
4- Manampy amin'ny fampihenana ny Lanja : Mampitombo ny fandevonan-kanina sy manamaivana ny fitomboan-tavy.
5- Manatsara ny fiasan'ny ati-doha (Aide mémoire): Manampy amin'ny fitazonana ny fitadidiana, manalefaka adi-tsaina sy havizanana ara-tsaina.
6- Mahasoa hoan'ny Taolana sy nify : be calcium sy phosphore , manampy amin'ny tanjaky ny Taolana.
7- Tena tsara hoan'ny vehivavy bevohoka sy mampinono : Mampitombo ronono sy manampy sakafo hoan'ny Zaza ao ankibo.
🍲FOMBA FIHINANA SY METY FIKARAKARANA AZY :
🔰 Ananambo (Lasopy, hen'omby, sns...)
🔰 Jus Morongo
🔰 Ravina maina atao vovony
🔰 Poudre atao miaraka 😋
🔰 Du thé (Infusion Morongo)
🔰Ananambo
🛑FAMPITANDREMANA KELY :
👉Raha be loatra ny fihinanana, Dia mety hiteraka fivalanana, indrindra amin'ny Jus.
👉Raha bevoka amin'ny volana voalohany, Dia tsara atao amin'ny fatra antonony arakan'ny torohevitran'ny mpitsabo).
🔷Ny Morongo Dia tena zavamaniry Manankarena amin'ny otrinaina sy Fanafody voajanahary. Mora hita, mora amboarina nefa Mitondra vokatra ara-pahasalamana lehibe hoan'ny vatana.
🎯Mirary Fahasalamana hoantsika rehetra ny Équipe M'Zara Soins Med.
👉Zarao hahasoa ny hafa...Araho hatrany ny pejy tsika.
☎️0346025586-0328834820