24/03/2026
🫁 ANDRO MANERAN-TANY IADIANA AMIN’NY TIBERKILAOZY 🫁
24 Martsa 2026
🫁 ANDRO MANERAN-TANY IADIANA AMIN’NY TIBERKILAOZY 🫁
24 Martsa 2026
🎤 Misy andro manokana natao hampahatsiahy antsika fa mbola misy aretina mangina nefa mahery vaika, ka tsy tokony hohadinoina. Anisan’izany ny tiberkilaozy, izay mbola mitaky fahamailoana sy fahavononana hatrany, na dia efa mandroso aza ny fitsaboana ankehitriny. Tsara ho marihina fa azo tsaboina tanteraka ny tiberkilaozy raha voatsabo ara-potoana sy arahina tsara ny fitsaboana.
🫴 Toy ny isan-taona dia mankalaza ny Andro Maneran-tany iadiana amin’ny tiberkilaozy isika, fotoana iray hanamafisana ny ezaka hiadiana amin’ity aretina mbola mananontanona ny fahasalamam-bahoaka ity. Nosafidiana tamin’ity taona ity ny lohahevitra hoe:
👉 “Eny foanantsika ny tiberkilaozy. Andraikitry ny Firenena, iaraha-mientana amin’ny vahoaka.”
📣 Midika izany fa tsy misy toerana ho an’ny tsy firaharahiana intsony. Ny fahanginana no mampiely azy, fa ny fahalalana sy ny fandraisana andraikitra no mandresy azy.
⛔ Tsy tokony hisy aina ho very noho ny aretina azo tsaboina. Rehefa miandry ianao dia mandroso ny aretina, fa rehefa mihetsika ianao dia misy aina voavonjy.
👥 Ndao isika hifanome tanana, hiara-hientana ary handray andraikitra dieny izao : hitiliana ara-potoana, hanaraka fitsaboana, ary hanohana ireo marary.
Amin’ny firaisankina sy finiavana, dia azo tanterahina ny tanjona : tontolo iray afaka amin’ny tiberkilaozy.
📸 Pejy - Programme National de Lutte contre la Tuberculose Madagascar.
💯 MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA.
©️Ny Fitaleavana ny Serasera.