05/12/2024
IREO FIOVANA TSARA FANTANTSIKA METY MISY AM VIAVY KOA EFA MARIKITRY HO TONGA IO RÈGLE IO ( eo am herinandro mialoha ka hatram règle tapitra) NA AKAIKY MÉNOPAUSE :
♦️Samy manana ninazy ny viavy tsirairay satria misy ny atao hoe " hormone" izay voajanahary mandrindra ny "cycle "araiky ka mibaiko ny fiovana jiaby na arabatana na ara pihetsehampo amintsika viavy ary mahatonga fikorontanana am asa ,ny fiainana andavan'andro sy ny fifandraisana am manodidina antsika izy io ,indrindra eo am vady amanjanaka izay mila mahafantatra tsara koa .Ka ireto avy izainy :
▶️-somary mizihitra bebe kibo kara misy rivotro,kara mavesabesatra lohategna,tsy mahagaga raha somary teritery ely ny ceinture, mitombo lanja kely,na somary mavesabesatra ny vatana ,mety mibinabina ny tanana sy ny tongotra , lasa teritery ny kiraro mahazatra 🤣
▶️-ny nono koa somary henjakenjana,mety mararirary rehefa kasihiny na somain'ny ramose🤣, ity tena matetiky mampiasa loha antsika viavy ,dreky misy efa miheritreritra fa misy aretiny nono ,nefa raha normal le izy
▶️Mety ho bebe mony ny tarehy, bebe menaka , botabota
▶️- marary ny vanintaolana na mangotsokotsoko nofotro , mety ho cramper , mety marary lamosina, mangandoha , te handoa,
▶️- Misy sakafo tiana ohanina tampoka , te ihinana sakafo matsikotsiko kara olo manandoko 🤣 na sakafo bebe sakay🤣 , bebe sira 🤣
▶️- mety ho kamokamo manao firaisana aranofo (tsisy envie)noho ireo faneligelenana misy am vatana ireo ,
▶️-mora nerveuse ,mora taitry,bé tahotra,mora malahelo , reradreraka , déconcentré , misy problème mémoire
▶️-mety constipé
▶️- Misy hafanana miakatra tampoka
▶️-Mikorontana ny torimaso
♦️NY TOKONY ATAO :
👉🏽Mihezaha matory 8h isan'andro am ora fixe
👉🏽 Mihinana légumes sy fruits maro loko, atao betsaka isan'andro ary misotro rano 1,5l farafahakeliny isan'andro
👉🏽Manaova sport maivamaivana na am antonony 30 min ka hatram 1 h isan'andro
👉🏽Ahenao ny stress am alalan'ny fandaminana sy fahaizanao mandrindra ny asanao sy ny fiainanao isan'andro
👉🏽Mila miala voly matetika: manao izay raha mahafalifaly ny fo,mitsangatsangana,mandeha vacances,mandihy, milomano,mihira,mihaino hira milamindamina, mijery film documentaire, manao sortie récréative na mamonjy soirée,...
👉🏽Manampy am mémoire sy concentration ny famakiam boky matetika, ny fianarana zava baovao , ny manoratra ,ny mivavaka mangina 🙏.
♦️Raha misy anefa ny tsy maintsy Ilana fanafody dia tsara ny manantona rasazy na dokotera azahoana izay mifanaraka am toebatanao satria samy hafa ny olona tsirairay.
Liker , partager ary abonner ny pejy
's
alice de Vincy Jaomila