Centre Médical Aintsoa

Centre Médical Aintsoa -Centre de Référence et de prise en charge du Diabète
- Médecine Générale

Asa no entitsika miatrika ity taona ity. Fitiavana sy fahazotoana no loharano hanatanterahana azy.Ny fahasalamana no her...
02/01/2025

Asa no entitsika miatrika ity taona ity.
Fitiavana sy fahazotoana no loharano hanatanterahana azy.
Ny fahasalamana no heritsika lehibe.
Ary samy hioty fahombiazana ny tsirairay, Satria mendrika izany ny isam-batan'olona.
Mirary soa.

DIABETAN'NY VEHIVAVY BEVOHOKA(Diabète gestationnel) Ahoana tokoa moa zany? ⭐Fiakaran'ny tahan'ny siramamy izay mitranga ...
14/11/2024

DIABETAN'NY VEHIVAVY BEVOHOKA
(Diabète gestationnel)
Ahoana tokoa moa zany?
⭐Fiakaran'ny tahan'ny siramamy izay mitranga mandritra ny fitondrana vohoka, ary tsy hita intsony izany rehefa teraka lay reny.
⭐ Tsara ho marihana anefa,fa io karazana diabète io dia mila avahana tsara aminy diabète izay efa nisy talohan'ny vohoka (raha toa ka efa nisy izany).
⭐Maro ny antony mety hampiakatra sy hampivoatra io diabète gestationnel io:
- eo ny fomba fiaina
- eo ny lanja mihoatra sy tafahoatra amin'ny tokony ho izy eo ampanombohan'ny fotoana maha-bevohoka
- eo ny fihemoran'ny taona hitondrana vohoka
- eo ny toebatana efa diabetika mihitsy
- ...
⭐ Misy tokoa ny vokadratsin'io tranga io eo amin'ny fahasalaman'ilay reny sy ny zaza, raha tsy misy ny fitandremana sy ny fandraisana antanana.
Tandremo:
⚠️Mety hiakatra ny tosidra
⚠️Mety hoteraka tsy Tonga volana ny zaza
⚠️Mety ho hisy fiatraikany amin'ny fitomboan'ny Zaza
⚠️Mampitombo ny risque vaovao ho amin'ny diabète gestationnel rehefa hitondra vohoka indray amin'ny manaraka
⚠️Mety hanao hypoglycémie ilay zaza vao teraka

✅ Noho izany, mila fanaraha-maso manokana sy fandraisana an-tanana ny reny manao ity diabète gestationnel ity. Indrindra rehefa tonga eo aminy faha 28 herinandro ny fitondrana vohoka.
✅ Aza misalasala manao fitiliana sy manatona tobim-pahasalamana.

🔘 Journée Mondiale du Diabète 🔘
🔘 CENTRE MÉDICAL AINTSOA 🔘

Malaky miparitaka ity aretina ity. Raha azo atao, Dia aleo aloha tsy asiana fifandraisan'tanana, fifanorohana, sy fikasi...
10/01/2024

Malaky miparitaka ity aretina ity.
Raha azo atao, Dia aleo aloha tsy asiana fifandraisan'tanana, fifanorohana, sy fikasihana matetika ny faritry ny tarehy(maso).
✔️Atao madio mandrakariva ny tanana.
✔️Aza adino manatona tobim'pahasalamana raha tojo tsy fahasalamana fa saropady tena saropady ny maso. 👁️👁️

01/01/2024
Miarahaba tompoko. 💙14 Novembre 💙: andro iraisampirenena hoan'ny Diabeta. 💙"FISITRAHANA NY FITSABOANA DIABETA" no lohahe...
14/11/2023

Miarahaba tompoko.

💙14 Novembre 💙: andro iraisampirenena hoan'ny Diabeta.

💙"FISITRAHANA NY FITSABOANA DIABETA" no lohahevitra enti'manamarika izany.💙

💙Eto izahay Dia tsy mitsahatra manentana anao, antsika tsirairay mba hanatona ny tobim'pahasalamana rehetra na ny tobim'pahasalamana voatokana, tsy hisalasala, hizaha fahasalamana, hanaraka fitsaboana sy hisitraka ireo torohevitra manandanja ilainao entina hanatsarana ny toe-pahasalamanao, sy hisorohana indrindra hisorohana ny fahasarotan'ny fandraisana an-tanana.
Tadidio fa raha vao tsy milamina ny Diabeta Dia maro tokoa ireo taova potika aterany: fo, voa, maso, sns. Vokany : mitombo ny fahasarotana, Simba ny vatana, mitombo ny vola lany, ny fotoana lany.

💙Tandremo! Aza variana intsony.

Maniry soa tompoko.💙🌷

05/07/2023

CONGÉ ANNUEL

Le Centre sera fermé du 07 au 16 Juillet 2023 pour congé annuel.
Merci.

21/04/2023

Miarahaba tompoko,
Tsy misokatra izahay eto amin'ny Centre Médical Aintsoa ny sabotsy sy Alahady 22,23-04-2023.
Misaotra tompoko

02/01/2023

Miarahaba anao nahatratra ny taona 2023.
Maniry soa sy fahasalamana mandrakariva tompoko.
C.M.A

💙💙ANDRO IRAISAM'PIRENENA HOAN'NY DIABETA 💙💙 14 NovembreMila mailo isika ary tokony hanao fitiliana raha misy ireto zavat...
14/11/2022

💙💙ANDRO IRAISAM'PIRENENA HOAN'NY DIABETA 💙💙 14 Novembre

Mila mailo isika ary tokony hanao fitiliana raha misy ireto zavatra ireto miseho eo amintsika:
💙 Noana lava
💙Mamany lava sady be p**i
💙 Mangetaheta lava, maina foana ny vava
💙 Mahatsapa ho tsy ampy hery matetika, ary rera'dava
💙 Manjavozavo ny fahitana(maso)
💙 Miha'mahia, mihen'danja.

Aza misalasala, ndao hanao fitiliana, aza variana MBA tsy hihitaran'ny aretina.

Raha efa miaina miaraka amin'ny diabeta kosa ianao dia ataovy tsara ny fitsaboana, tadidio fa mila fitsaboana ny diabeta, Mila alamina ny siramamy anaty vatanao ao.

💙💙💙Ity no tsarovy: TSY MITOVY NY TRAITEMENT an'ny olona tsirairay na fatra na karazam'panafody hohanina, satria miankina amin'ny toe'batana sy ny karazany ary ny aretina hafa fanampiny ny fitsaboana.

Misokatra hoanao ny CENTRE MEDICAL AINTSOA Toamasina amin'ny fandraisana an'tanana ny diabeta.
Maniry soa tompoko

Miarahaba tompoko.💙💙 Andro iraisam'pirenena hoan'ny diabeta anio💙💙 14 NOVEMBRE💙💙Ireto no tsara ho fantatra: .Rehefa toy ...
14/11/2022

Miarahaba tompoko.
💙💙 Andro iraisam'pirenena hoan'ny diabeta anio💙💙 14 NOVEMBRE💙💙
Ireto no tsara ho fantatra:
.
Rehefa toy ny ahoana no mila manao fitiliana isika?
💙MANOMBOKA EO AMIN'NY FAHA 35TAONA NY OLONA REHETRA DIA TOKONY HANAO FITILIANA AVOKOA, indrindra moa raha misy tafiditra anatin'ireto sokajy ireto:
1- lehibe ny vatana mihoatra amin'ny halavana, matavy, zany hoe IMC>=25
2- Manana Ray aman'dreny misy diabeta.
3- Efa nanana na manana olan'ny aretin'ny fo na/sy tahan'ny tosidra ambony.
4- vehivavy manana olana eo amin'ny ovaires( syndromes des ovaires polykystiques)
5- vehivavy bevohoka voamarina fa manao diabetan'ny vehivavy bevohoka
6-ireo olona ahitana fambara mifandraika amin'ny tsy fiasa na fandairan'ny insuline, izay matetika miseho ety ivelany amin'ny hoditra.
7- Miaina miaraka amin'ny tsimokaretina VIH
💙 NDAO HANAO FITILIANA TOMPOKO, raha misy tranga mampiahiahy.
Raisinay an'tanana ny momba anao.
Maniry soa.

CENTRE MEDICAL AINTSOA TOAMASINA
-

TONGASOA OKTOBRA4taona amin'ity volana ity ny Centre Médical Aintsoa Vonona hatrany izahay ifanasoa aminao/aminareo mila...
01/10/2022

TONGASOA OKTOBRA

4taona amin'ity volana ity ny Centre Médical Aintsoa
Vonona hatrany izahay ifanasoa aminao/aminareo mila anay.
Tazoninay hatrany ity teny faneva anay ity hoe
''NY FAHASALAMANAO NO LAHARAM- PAHAMEHANAY'' ''VOTRE SANTE C'EST NOTRE PRIORITE''
Mankasitraka tompoko, maniry soa sy fahasalamana mandrakariva.

Samia mitandrina amin'ity aretina iray ity. Lahitokana ny aina.Maniry soa
11/08/2022

Samia mitandrina amin'ity aretina iray ity.
Lahitokana ny aina.

Maniry soa

Address

Logement 186A, Rue Michel Mahazo
Morafeno
501

Telephone

+261 34 95 863 49

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre Médical Aintsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Centre Médical Aintsoa:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram