DRSP SAVA

DRSP SAVA Direction Régionale de la Santé Publique ( DRSP) région SAVA

16/04/2024
Tonga soamantsara teto amin'ny Faritra SAVA tamin'ny alahady  ireo fanafody avy amin'ny fitondram-panjakana entina hanao...
16/04/2024

Tonga soamantsara teto amin'ny Faritra SAVA tamin'ny alahady ireo fanafody avy amin'ny fitondram-panjakana entina hanaovana fitsaboana maimaimpoana ho an'ny vahoaka taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Gamane.

Tsy niandry ela fa avy dia nanatanteraka fitsaboana sy fanomezana fanafody maimaimpoana ho an'ny vahoaka ny Ministeran'ny Fahasalamambahoaka amin'ny alalan'ireo rantsamangaika aty amin'ny Faritra dia ny DRSP sy ny SDSP, ary ireo mpiasan'ny fahasalamana eny ifotony.

Marihina fa haharitra herinandro ary misy manerana ny Distrika efatra ato anatin'ny Faritra izao fandraisana an-tànana maimaimpoana izao.

Mankasitraka ny Fitondram-panjakana,
Mankasitraka ny Ministeran'ny Fahasalamambahoaka,
Mankasitraka ny mpiasan'ny Fahasalamana.

COMMUNICATION SUR LES RISQUES ET ENGAGEMENT COMMUNAUTAIRE (CREC)Voatsangana tamin'ny 19 Septambra 2022 lasa teo tao amin...
23/09/2022

COMMUNICATION SUR LES RISQUES ET ENGAGEMENT COMMUNAUTAIRE (CREC)

Voatsangana tamin'ny 19 Septambra 2022 lasa teo tao amin'ny hefitrano fivoriana Région SAVA ireo comité CREC Régional sy Distrika.

Afaka miantsehatra amin'ny asa avy hatrany ireto Comité ireto taorian'ny Fihofanana natao.

Anjaran'ny Distrika Antalaha indray manomboka amin'ny alatsinainy 26 Septambra 2022 izao.

Tolorana fisaorana ny mpiara-miombon'antoka CROIX ROUGE MALAGASY sy ny USAID/ACCESS nofanole tànana

Tafiditra tanteraka anatin'ny fikirakirana ny teknolojia amin'ny alalan'ny CommCare avokoa ireo mpiantsehatra amin'ny fa...
27/08/2022

Tafiditra tanteraka anatin'ny fikirakirana ny teknolojia amin'ny alalan'ny CommCare avokoa ireo mpiantsehatra amin'ny fahasalamana ato anatin'ny Faritra.

Namarana ny Fihofanana tamin'izany ireo Chef CSB sy mpanentana ara-pahasalamana ato anatin'ny Distrika Sambava nanomboka ny 15 Août ka hatramin'ny androany raha toa ka efa nahavita ny azy ny Distrika Vohemar ny 08 ka hatramin'ny 13 Août 2022 lasa teo.

Mihatsara hatrany ny tolotra omena ny vahoaka.
Misaotra ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka USAID/ACCESS.

23/08/2022
Fananganan-tsaina ny alatsinainy 22 Août 2022Vita tamin'iny herinandro lasa iny ny Fanofanana CommCare andiany voalohany...
23/08/2022

Fananganan-tsaina ny alatsinainy 22 Août 2022

Vita tamin'iny herinandro lasa iny ny Fanofanana CommCare andiany voalohany ho an'ireo AC sy Chef CSB Distrika Sambava
Teo koa ny AQS, SIC tany amin'ny Distrika Antalaha
Fanamafisana ny planning vaovao amin'ny fanatontosana ny Campagne 100 jours de vaccination Covid-19.

Mbola maro ireo asa miandry mandritra ny herinandro :

Réunion avec la SRB en matière de comptabilité matière et régie d'avance pour la DRSP et les SDSP
Réunion des acteurs composantes du Groupe Regional de Suivi Evaluation du secteur Nutrition
Analyse de changement des pratiques quotidienne des ménages en matière de Nutrition à Antalaha
Renforcement des activités de campagne 100 jours de vaccination Covid-19

Na dia teo aza ny rotsak'orana teto amin'ny Faritra dia tsy nohadinoina ny fanajana ny fanevam-pirenena.

Niaraka nanatanteraka izao fananganan-tsaina izao ireo mpiara-miombon'antoka: OMS, ACCESS, IMPACT tamin'ity alatsinainy ity.

Akon'ny fananganan-tsaina androny Talata 16 Aogositra 2022Somary navesatra ny asa tamin'iny herinandro lasa iny :   * Fa...
16/08/2022

Akon'ny fananganan-tsaina androny Talata 16 Aogositra 2022

Somary navesatra ny asa tamin'iny herinandro lasa iny :
* Fampihofanana ireo Chef CSB sy Mpanentana ara-pahasalamana tao amin'ny Distrikan'i Vohemar momba ny fampiasana ny teknolojia amin'ny fanatanterahana ny asa. "Formation en CommCare"
* Fihofanana natao tany Diego mikasika ny voka-dratsy azo avy amin'ny fihinanana fanafody, ary ny fanaraha-maso ny valan'aretina. " pharmacovigilance et Surveillance Intégrée des Maladies et Ripostes"
* AQS des CSB tany amin'ny Distrikan'i Vohemar.

Ireo asa miandry mandritra ity herinandro ity:
* Fandrindrana ireo ressources humaines ato amin'ny Faritra sy fametrahana ny tsirairay amin'ny andraikitra tokony ho sahaniny avy.
* AQS des CSB ho an'ny Distrika Antalaha
* Fihofanana CommCare ho an'ireo AC sy Chef CSB Distrika Sambava.
* Fanamafisana ny strajejia vaovao hampiasaina amin'ny fanentanana ny olona hanao vaksiny mandritra ny Campagne 100 jours de vaccination contre Covid-19.

Tahaka ny mahazatra dia nofaranan'ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka tamin'ny firarian-tsoa ny fotoana

11/08/2022
11/08/2022

ALEO MISOROKA TOY IZAY MITSABO
Ny fisehon'ny "Variole du Singe"
----

10/08/2022

Address

Sambava

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261320791749

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRSP SAVA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to DRSP SAVA:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram