Infirmiers à domicile Toamasina

Infirmiers à domicile Toamasina - Soins infirmiers à domicile (pansement, prélèvement, injection, ...)
- Garde malade à l'hopital et/ou à domicile
- Assistance aux personnes âgé(e)s

12/01/2024

‼️ Manàna fahazarana MANASA TANANA MATETIKA amin'ny rano sy savony na mampiasa "Gel désinfectant" hisorohana ny fiparitahan'ny areti-maso mora mifindra.

👋 Mirary Fahasalamana ho anao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

Miara-mientana ho an'ny Fahasalamana
--------
Direction de la Promotion de la Santé
Be M’RAY Ofisialy PSI Madagascar
fans
(C): Comdps- Jan 2024

TOROHEVITRA TSOTRA VITSIVITSY HO FISOROHANA NY GRIPA manoloana izao fiovaovan'ny toetr'andro izao -mientana ho an'ny fah...
18/11/2023

TOROHEVITRA TSOTRA VITSIVITSY HO FISOROHANA NY GRIPA manoloana izao fiovaovan'ny toetr'andro izao
-mientana ho an'ny fahasalamana
Source: Direction de la promotion de la santé

14/11/2023

📌14 Novembre : andro iraisam-pirenena ho an'ny diabeta📌
Inona no atao hoe diabeta ?
Fiakarany tahany siramamy ambony tsy araka ny tokony ho izy ao amin'ny lalandrà.
N'y fiakarany tahany siramamy io zany Dia vokatry ny tsy famokarany sarak'aty na insuline, ny vokatry ny famokarany insuline na fiasany na izy roa miaraka.
⚫ INSULINE: tsiry mpanentana 'olombelona vokarin'ny sarak'aty ary mandevona ny zavamamy na mampiditra ny zavamamy any anaty sela.
Tsy mifidy taona ny diabeta mety ho voany avokoa na kely na tanora na lehibe na antitra
⚫Fisehony diabeta voalohany @ ankapobeny:
🔹Maina ny ativava
🔹Mangetaheta lava
🔹Mipipi matetika
🔹Reraka lava
🔹Misotro rano matetika
🔹Mivalandrano matetika
Ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho any diabeta Dia hisy ny fitiliana maimaim-poana any @ clinique A.MA.DIA faravohitra manomboka @8 Ora maraina hatramin'ny 3 Ora tolakandro
à domicile Tamatave

Tsara ho fantatra
17/07/2023

Tsara ho fantatra

🔴Inona no dikan'ireny asain'ny dokotera atao ireny ⁉️

Ireto ary ny ampahany amin'izy ireo :

✅1️⃣ na (numération formule sanguine)
👉dia hitiliana hoe ampy rà ve (raha latsaka ny hémoglobine dia tsy ampy rà ilay marary, izay lay anémie)
👉tafiakatra ambony be ve ny isan'ny sela fotsy (raha ambony ny globules blancs be dia manambara fa misy infection na homamoadany rà)
👉ampy ve ny isan'ny plaquettes (raha latsaka be dia mety ho antony hampande-rà)

✅2️⃣ (c-reactive protein)
👉raha mikatra dia manambara fa misy inflammation izay ilay marary (ny antony dia mety ho microbe tafiditra, na cancer, na aretina hafa). Ny analyse hafa no manampy be be kokoa hitadiavana hoe aiza ilay toerana misy io inflammation io.

✅3️⃣ sy (azotémie)
👉dia loto ao anaty rà (raha avo be izy io dia tsy miasa tsara ny voa, na hoe manao insuffisance rénale).
👉mety ho fiakarana mandalo miserana fotsiny, ka rehefa tsaboina ilay antony mampiakatra azy dia midina ho normal ihany (izay ilay insuffisance rénale aigue).
👉raha efa potika kosa ny voa, dia tsy hidina ho normale intsony io analyse io (izay ilay insuffisance rénale chronique).

✅4️⃣
👉hijerena hoe ampy Potassium tsara ve ilay marary, sa tafiakatra avo loatra (hyperkaliémie, izay mety hampijanona ny fò tampoka raha tsy voatsabo) sa latsaka ambany loatra (hypokaliémie, izay mampikorontana fidoboky ny fò, mahatonga faharerahana, crampes, sy maro hafa).
👉ampy sira tsara ve (Sodium sy Chlore). Raha tafiakatra avo loatra (hypernatŕémie, dia mety tsy ampy rano izay ilay olona, na déshydraté). Raha tafidina ambany indray dia na tena tsy ampy sira tokoa, na feno rano ny vatany ka mila alaina (hyponatrémie de dilution).

✅5️⃣ (transaminasémie)
👉hitiliana hoe misy sa tsisy fahavoazana ny aty
👉raha tafiakatra avo be, dia izay ilay antsoina hoe Cytolyse hépatique. Mety ho maro no antony, fa anisany amin'ireo ny Hépatite (virale, médicamenteuse, sns).

✅6️⃣
👉tahany siramamy ao anaty rà raha vao tsy nisakafo (tokony ho iva ny glycémie raha mbola tsy nisakafo ny olona iray).
👉raha tafiakatra avo dia mety ho Diabeta izay no antony, ka mila manao ilay Cycle glycémique (hijerena hoe miakatra foana ve maraina atoandro hariva? Sa miovaova? Hahafahana mametraka ny fitsaboana mifanaraka amin'izany)

✅7️⃣ (hémoglobine glyqué)
👉analyse hijerena hoe Diabetika sa tsia ny olona iray.
👉ampiasana ihany koa hanarahana ireo diabetika mihinana fanafody, hoe voatsabo tsara sa mihombo ny aretina.
👉isan-telo volana ny HbA1c no tokony ho jerena.
👉marihina fa areti-mandoza ny Diabeta, ary mamotika haingana ny Fo, ny Lalandrà, ny Voa raha tsy voatsabo tsara.

✅8️⃣
👉ny LDL-cholestérol, no antsoina hoe cholestérol ratsy (raha tafiakatra avo izy dia betsaka ny risque hanetsenany lalandrà).
👉ny HDL-cholestérol, no antsoina hoe cholestérol tsara (izy indray dia ilain'ny lalandrà, ka tsara raha tena avo ny valiny).
👉raha mikorontana izy ireo dia izay ilay antsoina hoe Dyslipidémie.

✅9️⃣
👉tavy any anaty rà izy io, ka mahatsentsina lalandrà raha avo be (sakafo be siramamy sy be menaka no mampiakatra azy)

➡️AFAKA MANAMPY IZAY MANANA HANAMPIANA.
➡️AFAKA MANINTSY IZAY MAHITA HAHITSY.
_____
💢 raha hitanao fa mahasoa
_____
Page : Inona vaovao Dokotera 🥕 🥕 🥕

Androany 17 Avril Dia fankalazana n'y andro manerantany ho an'ny fijininihan'ny ra lava "HEMOPHILIE" Dia mis hetsika fan...
17/04/2023

Androany 17 Avril Dia fankalazana n'y andro manerantany ho an'ny fijininihan'ny ra lava "HEMOPHILIE" Dia mis hetsika fanomezana ra eo anivon'ny CRTS manerana n'y nosy koa entanina antsika rehatra MBA hanome ra

📌Manome ra manome aina📌

05/04/2023

🔴Aza adino ny misotro rano 1,5 na 2 litatra isanandro 🥂🥛

Fa ilaina be izany

05/04/2023

🔴 ⚠️⚠️⚠️ | Misy fizaràna kely mba tiana hampita mikasika ny Sohìka na Asthme.

✅ Hita tokoa fa betsaka isika Malagasy no te hahalala be be kokoa mikasika io aretina io.
_____

❌ Ny ASTHME dia aretin'ny avokavoka, mikasika manokana ireo lalan-drivotra mivatsy ny Oxygène hoan'ny vatana.

💯 Miseo ny Asthme rehefa mihatery ireo lalandrivotra ireo, ka tsy mahazo Oxygène tsara intsony ny vatana.

⚠️ Maro ny antony mety hahatonga ny olona iray ho lasa Asthmatique. Raha tsy hilaza hafatsy ny hoe manaranaka izy io, raha toa ka misy asthmatique ny raiamandreny niteraka. Tsy voatery ho voa anefa ilay zaza, fa kosa be be kokoa ny risque haha-asthmatique azy.

📕 Misy ny Asthme mitranga mandritry ny fahazàzana, matetika ny zazalahy kely no tena voa. Misy ihany koa anefa ireo ao anaty fahatanorana vao tratra, ka ny tovovavy no matetika hisehoany.

🛑 Rehefa asthmatique ny olona iray, dia maro ireo tranga mety hampihetsika ilay asthme. Anisan'izany ny andro mangatsika, ny fiovaovan'ny toetrando, ny rivotra mangatsiaka, ny gripa, ny vovoka, ny fofona isankarazany, ny toerana mihiboka sy mandomando, ny fanafody sasantsasany, ny fiasàna saina, ny volombiby, ny fofona bombongolo, ny fofon-tsigara, ny rivotra maloto eny andrenivohitra.

🔥 Ny fomba hahafantàrana hoe mihetsika ny Asthme dia maro, fa ny fahasemporana no tena matetika hita. Mahatsapa fa tery ny tratra, tsy mahavita misintona sy mamoaka rivotra tahaky ny mahazatra, mikohamaina tsy mijanona kanefa tsy mahazo rehoka matetika, maneno ny tratra isaky ny mamoaka rivotra (toy ny feon'akohokely), tsembo-dratsy, tsy mety mahazo fofonaina, tsy mahavita miresaka mazava fa mitsitapatapaka elanelanina sefosefo.

🔴 Azo tsaboina sy alamina tsara ny asthme. Ny Pneumologue no Dokotera Spesialista mpitsabo azy. Tsara ny manantona azy ireo raha toa ka misy iray amin'ireo tranga voalaza etsy ambony ireo ianao, na ny manodidina anao.

⚠️ Ny fanafody hitsaboana ny Asthme dia tsy voatery hitovy avokoa. Samy manana ny fanafody hitsaboana azy, miankina amin'ny karazana Asthme miseo aminy ny tsirairay. Satria maro karazany ny Asthme ary maro karazana ny fomba hitsaboana azy ireo. Raha nandaitra tamin'ny olona iray tsy voatery handaitra amin'ny hafa. Izay no antony hisian'ireo Dokotera Spesialista hanavaka sy hitsabo izany araky ny tranga tsirairay. Rehefa manaraka fitsaboana anefa, dia aza adino velively ny manao Contrôle hanarahana ny toempahasalamana na dia efa mahatsapa tena fa salama aza ianao. Misy ny antsoin'ny Mpitsabo hoe fanatsaràna ny dose-ny fanafody, na ny fanoloana ny fanafody, araky ny fivoaran'ny aretina Asthme.

❌ Rehefa tonga amin'ilay faratampon'ny Crise d'Asthme, antsoina hoe Asthme Aigu Grave, dia tsy mandaitra intsony ireo fanafody fampiasa andavanandro. Ny antony dia satria tena efa sempotra be ilay marary, reraka ny avokavoka miady amin'ilay fahasemporana, ka mety hahafaty raha tsy mahazo Oxygène faingana ny vatany.

❌ Eo no tsy maintsy miditra amin'ilay hatao hoe Ventilation Mécanique (fampidirana Oxygène amin'ny alalan'ny fantso midina makany anaty lalandrivotra direct). Ampatoriana ilay marary, ary atsofoka ilay fantso hitondra ilay Oxygène.

⚠️ Marihina anefa, fa io no faratampony amin'ny fanavotana aina ho an'ireo marary mihetsika Asthme Grave, rehefa tsisy nandaitra intsony ny fitsaboana rehetra natao. Maro ny avotra, maro ihany koa no tsy tana ny ainy satria matetika efa tara ny fitsaboana.
_____

❌ Mino aho fa hanampy anareo hahay hisoroka ito fizaràna ito.

❌ SAMIA MIZARA FA MAHASOA.
____
Page : Inona vaovao Dokotera

29/11/2022

Salama tompoko, mitady maika infirmier na sage femme mipetraka Tamatave disponible rapitso maraina mp tohiny

27/07/2022

Salama tompoko
Ny infirmièrs à domicile Toamasina dia manao ny soins infirmiers rehetra Ary manao garde malade ihany koa
Disponible : 24/24h sy 7/7j
Contact :0349252790

Address

Toamasina
501

Telephone

+261349252790

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Infirmiers à domicile Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Infirmiers à domicile Toamasina:

Share