11/01/2026
⚠️ 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗣𝗢𝗜𝗭𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗧𝗦𝗔𝗞𝗔𝗙𝗢
Olona dimy ambin'ny folo (15) avy amin’ny fiangonana zandriny iray eto Toamasina, nanao fety fifampiarahabana noho ny taona vaovao omaly, no tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo (TIAC).
Niditra tato amin’ny sampana vonjy taitra eto amin’ny hopitaly androany, taorian’ny fisehoan’ny soritr’aretina toy ny: fivalanana sy fandoavana, fanina, marary an-andoha.
Noraisina an-tanana ary nomena fitsaboana avy hatrany izy ireo amin’izao foatoana izao ary atao ny fanadihadiana mahakasika ny tranga.
Efa nandalo nijery ireo marary ny avy ao amin'ny fitsirihana momba ny sakafo.
▶️Manentana hatrany, ny avy amin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny olom-pirenena rehetra mba hitandrina amin’ny fikarakarana sy fitehirizana sakafo, indrindra ireo sakafo atao an-trano, mba hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo amin'ny fety tahaka itony.
Tsy maintsy mitandrina isika rehetra amin’ny fahadiovan’ny sakafo hohanina isan’andro.
Mirary fahasitranana haingana sy feno ho an’ireo marary.
fans
Centre Hospitalier Universitaire Analankininina Toamasina
DRSP Atsinanana
-----