OMSI Organisation Médico-sociale Interprofessionnelle de Toamasina

Salama tompoko    Ireto ireo "Pharmacies de garde " eto Toamasina, manomboka ny Sabotsy, faha-10 Janoary 2026 @ 12 ora a...
12/01/2026

Salama tompoko
Ireto ireo "Pharmacies de garde " eto Toamasina, manomboka ny Sabotsy, faha-10 Janoary 2026 @ 12 ora antoandro, ka hatramin'ny Sabotsy, faha-17 Janoary 2026 @ 12 ora antoandro.
Misy peta-drindrina mampahafantatra izany ihany koa eo akaikin'ny varavarana faha-33, "service URGENCE" OMSI.
Maniry anao ho tomady hatrany.
Misaotra tompoko

Salama tompoko❗️   ♻️ Ireto ireo "Pharmacies de garde " eto Toamasina, manomboka ny Sabotsy, faha-03 Janoary 2026 @ 12 o...
07/01/2026

Salama tompoko❗️
♻️ Ireto ireo "Pharmacies de garde " eto Toamasina, manomboka ny Sabotsy, faha-03 Janoary 2026 @ 12 ora antoandro, ka hatramin'ny Sabotsy, faha-10 Janoary 2026 @ 12 ora antoandro.
♻️ Misy peta-drindrina mampahafantatra izany ihany koa eo akaikin'ny varavarana faha-33, "service URGENCE" OMSI.
👉👉👉 Maniry anao ho tomady hatrany.
Misaotra tompoko❗️

🤝Salama tompoko❗️        📢📢 Vendredi Joli : Ndao isika anio hiresaka « Ravin-tsaogno(ravin-tsaonjo) sy totom-boanjo asia...
12/12/2025

🤝Salama tompoko❗️
📢📢 Vendredi Joli : Ndao isika anio hiresaka « Ravin-tsaogno(ravin-tsaonjo) sy totom-boanjo asiana tongolo gasy ».
🍀🍀 Anisany sakafo mampiavaka antsika Malagasy ity sakafo resahantsika anio ity.
Mora karakaraina, sy hahazoana tombony tsara ara-pahasalamana izy ity, satria :
📌Afaka manamafy ny hery fiarovana
📌Manan-karena « beta-carotene » sy « vitamine C »
📌Manatsara ny fandevonan-kanina
📌Manatsara ny fahasalaman’ny fo
📌Manampy amin'ny fanaraha-maso ny siramamy ao amin'ny ra
📌Manampy amin'ny fisorohana ny anemia
📌Manatsara ny fahasalaman'ny taolana
📌Manatsara ny fahasalaman'ny maso
📌Manatsara ny fahasalaman'ny hoditra
🍀🍀 Toy izao ny fikarakarana azy :
▪️ Esorina ny fil @ tahony dia tapatapahina @ tanana miaraka @ raviny izy.
▪️ Sasana madio tsara avy eo izay vao arotsaka anaty vilany misy rano mangotraka ambony afo.
▪️ Ariana ilay ranony afaka 5mn izay vao afangaro ny totom-boanjo sy tongolo Gasy, atao betsabetsaka ary asiana sira. Afaka atao sakay vaingany eo amboniny, mba hanome hanitra azy.
▪️ Atao malefadefaka ny afo.
⚠️ Maro ny fangaro mety atao aminy toy ny Voanio, hena,trondro, patsa, angivy …, fa arakaraka izay tianao ihany. Dia mahazoa tombony ara-pahasalamana avy amin’ny fihinanana « Ravin-tsaogno» sy totom-boanjo.
🙏🙏🙏 Misaotra tompoko❗️

🤝Salama tompoko❗️   📣📣Mbola maro no tsy mahalala na koa misalasala ka ndao averina resahana.   👉👉 Fantaro ary fa tsy voa...
11/12/2025

🤝Salama tompoko❗️
📣📣Mbola maro no tsy mahalala na koa misalasala ka ndao averina resahana.
👉👉 Fantaro ary fa tsy voatery ireo mpiasa birao ihany vao afaka miditra ho mpikambana ato amin’ny OMSI Toamasina sy ao amin’ny « OMSI Annexe Foulpointe », fa ny mpiasan’ny Orin’asa tsy miankina rehetra tsy ankanavaka dia afaka miditra ho mpikambana avokoa.
👉👉 Aza misalasala intsony ary ianao, na mpanao Hotely, na mpiantsehatra amina trano fandraisam-bahiny, na mpiasa anivon’ny Sekoly, sns …, izany hoe ny mpandraharaha rehetra dia afaka miditra sy mampiditra ny mpiasany hikambana avokoa, mba hahafahana misitraka ny fiahiana ara-pahasalamana ato amin’ny OMSI Toamasona sy « OMSI ANNEXE FOULPOINTE ».
👉👉 Azo atao tsara ny manatona ao amin’ny « OMSI ANNEXE FOULPOINTE », parcelle 2, ankaiky épicerie Dadan'i Sanda, mitsofoka kely miantsinanana 45 metatra eo ho eo,na miantso ny laharana : 038 39 971 47 / 038 16 320 46 raha hiditra ho mpikambana, na koa mila fanampim-panazavana, ary torak’izany ihany koa ny aty amin’ny OMSI Toamasina(manatona ny varavarana faha-05).
⚠️ Aza atao ambanin-javatra ny fahasalamana, fa izay manana toe-batana salama ihany no afaka manatontosa ny asany antsakany sy andavany, ary tombony ho an’ny mpampiasa izany.
🙏🙏🙏 Misaotra tompoko❗️

🤝Salama tompoko❗️    📢📢 Vehivavy mitondra vohoka : maninona no lasa manintona kokoa ?  ♈️ Saika mahatsikaritra ny fiovan...
10/12/2025

🤝Salama tompoko❗️
📢📢 Vehivavy mitondra vohoka : maninona no lasa manintona kokoa ?
♈️ Saika mahatsikaritra ny fiovana ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka ny mpiara-monina aminy noho izy, toa lasa madio tarehy, mandimandina, mangilangilatra sy somary mibindina eo amin’ny orona, sns…
♈️ Ny anton’izy ireny dia miha mitombo hatrany ny tahan’ny « œstrogène » ao aminy rehefa mitondra vohoka izy, ary tsikaritra fa mampitombo kokoa ny filany ara-nofo ihany koa izy io.
♈️ Fanampin'izany, rehefa mitombo ny kibo ary miharihary kokoa ny fitondrana vohoky ny vehivavy sasany dia tsapa ho manintona kokoa sy mahasarika kokoa izy ireo, izay mety hanamafy ny faniriany hanao firaisana ara-nofo izany.
♈️ Tsy fanahy iniana akory izany fa voajanahary, ka anjaranareo vehivavy mitondra vohoka no mandanjalanja azy.
♈️ Tsara ho fantatra ihany koa fa tsy voarara, ary azo atao matetitetika amin’ny tokony ho izy ny firaisana ara-nofo ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, saingy mila tandremana tsy ho voatsindry ny kibo, ary tsy miovaova olona iarahana fa ilay olon-tiana nahatonga ilay vohoka ihany.
⚠️ Manana Dokotera sy Rasazy efa voky fahaiza-manao amin’ny fanaraha-maso ireo vehivavy mitondra vohoka isika ato amin’ny OMSI Toamasina sy OMSI ANNEXE Foulpointe, ary manome toro-hevitra sy ny tokony ataon’ny Reny mitondra vohoka ihany koa. Fanampin’izany dia manana fitaovana hanaovana fitarafana (échographie), hanaraha-maso manokana ny fitombon’ny zaza sy ny fahasalamany ihany koa, ka aza misalasala manatona raha misy ilana izany.
🙏🙏🙏Misaotra tompoko❗️

🤝Salama tompoko❗️    📣📣 Ndao resahantsika anio ny lazaina amin’ny teny frantsay  hoe « visite médicale périodique ».  💢 ...
09/12/2025

🤝Salama tompoko❗️
📣📣 Ndao resahantsika anio ny lazaina amin’ny teny frantsay hoe « visite médicale périodique ».
💢 Ny « visite médicale périodique » dia ny fijerena ny fahasalaman'ny mpiasa iray sy ny maha-mety azy amin'ny asa ataony, ka tsy maintsy averina tsy tapaka araka ny fifanarahana arak’asa izany.
💢 Mazava ho azy, fa ny manam-pahaizana momba ny fahasalamana amin'ny asa (mpitsabo, mpitsabo mpanampy, sns.) amin'ny sehatra tsy miankina na ho an'ny daholobe, no misahana izany, ka fizahana tsindraindray izay mamoaka ny tombana amin’ny maha-ara-dalàna ny mbola hiandraiketana ny asa, sy ny fampihenana ny loza mety hitranga, ary ny fanentanana ny mpiasa momba ny loza ateraky ny asa.
💢 Tsy maintsy atao izany mba hahafahana manatsara ny kalitaon'ny asa, sy ny fiainan'ny mpiasa rehetra.
⚠️ Manana sampan’asa (SST) misahana izany isika ato amin’ny OMSI Toamasina(Porte 66), ka anjaran’ny mpampiasa sy io sampan’asa io no mifandamina amin’ny fotoana hanaovana izany, izay tsara ho marihina fa ny mpiasa mpikambana irery ihany no takiana amin’ny fanaovana izany.
🙏🙏🙏 Misaotra tompoko❗️

Miarahaba antsika jiaby  "Pharmacies de garde " eto Toamasina, manomboka ny Sabotsy,  06 Desambra 2025 @ 12 ora antoandr...
09/12/2025

Miarahaba antsika jiaby
"Pharmacies de garde " eto Toamasina, manomboka ny Sabotsy, 06 Desambra 2025 @ 12 ora antoandro, ka hatramin'ny Sabotsy, 13 Desambra 2025 @ 12 ora antoandro.
Afaka jerena eo akaikin'ny varavarana faha-33, "service URGENCE" OMSI ihany koa
Ho samby salama aby antsika jiaby.
Misaotra tompoko!

🤝Salama tompoko❗️     📢📢 Hiresaka kely mahakasika ny sokajin-drà (groupe sanguin) isika anio.  🩸🩸 Maro amintsika no mana...
02/12/2025

🤝Salama tompoko❗️
📢📢 Hiresaka kely mahakasika ny sokajin-drà (groupe sanguin) isika anio.
🩸🩸 Maro amintsika no manao ambanin-javatra ny tokony hahafantarana ny sokajin-drà ao aminy, kanefa dia tena ilaina amin’ny vonjy aina raha sanatria ka misy olona tojo tsy fahasalamana ka mila tampoka ny fanampian-drà.
🩸🩸 Nozaraina efatra (04) lehibe ny sokajin-drà ( A, B, AB, O), araka ny fatatra hatrizay, ka miankina amin’ny sokajin-dràn’ny Ray aman-dReny no hiampitan’ny sokajin-drà ho an’ny zanaka. Raha sokajy (A) ny Ray, sokajy (A) koa ny Reny dia mety hampita amin’ny zanaka ho sokajy (A) na (O), sns …
🩸🩸 Fantaro fa rehefa hamindra rà amin’olona iray dia tsy maintsy mamantatra ny sokajin-drà misy ny olona manome rà, sy ny olona omena rà.
🩸🩸 Tsara ho fantatra ihany koa fa, ny sokajin-dra O- dia mety amin’ny rehetra; antsoina hoe « donneur universel »izy io. Noho izany, ny ra O- dia ampiasaina, ankoatra ny zavatra hafa, amin'ny toe-javatra maika. Mifanohitra amin'izany kosa ny sokajin-dra AB+ izay afaka mandray rà avy amin'ny sokajin-drà rehetra, ary izany no iantsoana azy hoe « receveur universel ».
👉👉 Ahoana no hahafantarana fa miabo(+) na miiba (-) ny sokajin-drà ho an’ny olona iray ?
🩸🩸 Ny mpanao fitiliana rà amin’ny « Laboratoire d’analyse », na « Laborantin » ihany no afaka mahafantatra io sokajin-drà io, aorian’ny fitiliana ataony, ka raha misy ny Rhésus (Rh) ao amin'ny sela mena, dia lazaina izy fa miabo (+). Mifanohitra amin'izany kosa, raha tsy hahitana (Rh) dia lazaina fa miiba (-).
⚠️ Mila fantatra amin’ny fotoana rehetra ny sokajin-drànao, ka manaova fitiliana haingana. Manana « laboratoire d’analyse » mampiasa fitaovana raitra, izay afaka hanaovana fitiliana, hamantarana ny sokadin-drà isika ato amin’ny OMSI Toamasina, ao ambony rihana, varavarana faha-28 (Porte-28) ka aza mangatak’andro sao tojo filana tampoka, hamonjenao ny mpiara-belona aminao.
🙏🙏🙏 Misaotra tompoko❗️

🤝Salama tompoko❗️📣📣Andro maneran-tany hiadiana amin’ny SIDA anio 01 Desambra 2025.  ❇️ Naorin’ny Fikambanana Iraisam-pir...
01/12/2025

🤝Salama tompoko❗️
📣📣Andro maneran-tany hiadiana amin’ny SIDA anio 01 Desambra 2025.
❇️ Naorin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) tamin’ny 1 Desambra 1988 ity fankalazana ity, ary neken’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana ny zo hanao ny hetsika izay atao isan-taona isaky ny voalohan’ny volana Desambra.
❇️ Mbola anisan’ny aretina mampanahirana ny zanak’olombelona izy ity, na dia efa misy fomba azo atao ihany aza, ka ny fisorohana no tena tsara indrindra.
⚠️ Mila miara-miezaka ny rehetra, ary mila mahatsapa tena mba hiadivana amin’ny SIDA, mba ho tanteraka ny lohahevitra nisafidina tamin’ity taona 2025 ity hoe : « Surmonter les perturbations, transformer la riposte au sida ».
🙏🙏🙏 Misaotra tompoko❗️

Miarahaba antsika jiaby  "Pharmacies de garde " eto Toamasina, manomboka ny Sabotsy,  29 Novambra 2025 @ 12 ora antoandr...
28/11/2025

Miarahaba antsika jiaby
"Pharmacies de garde " eto Toamasina, manomboka ny Sabotsy, 29 Novambra 2025 @ 12 ora antoandro, ka hatramin'ny Sabotsy, 06 Desambra 2025 @ 12 ora antoandro.
Afaka jerena eo akaikin'ny varavarana faha-33, "service URGENCE" OMSI ihany koa
Ho samby salama aby antsika jiaby.
Misaotra tompoko!

🤝Salama tompoko❗️   📣📣 Vendredi joli : Ndao hiresaka « litchis » sy ny tombony ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinana...
28/11/2025

🤝Salama tompoko❗️
📣📣 Vendredi joli : Ndao hiresaka « litchis » sy ny tombony ara-pahasalamana azo avy amin’ny fihinanana azy.
🛑 Fotoanan’ny fahamasahan’ny « litchis » amin’izao fotoana izao, ka tsara raha resahana mba hahalalantsika ny tombony azo avy aminy.
🛑 Manankarena potasioma, sodium, vy, kalisioma sy manezioma,vitamina C, mineraly, izay ilaina ho an'ny fahasalaman’ny sela mena sy mitarika ny tosi-drà ho voalanjalanja ny fihinanana « litchis », ary azo atao matetika sy isan'andro izany satria mety hampihena ny loza ateraky ny aretim-po izy io.
🛑 Ankoatra izany, manampy amin’ny fandravana ny asidra matavy miangona ao amin'ny lalan-drà koa izy nohon’ny fananany vitaminina B, izany hoe afaka misoroka ny loza mety ateraky ny aretim-po, sady manampy amin’ny fampihenana ny « cholesterol » ratsy ao amin’ny lalan-drà-ntsika.
🛑 Manampy amin’ny fampihenana ny harerahana ny « litchis » ary amporisihina ny vehivavy mitondra vohoka, sy ireo atleta mba hinana azy ity fa tena mety amin’izy ireo tsara.
🛑 Tsara ho an’ny hoditra koa ny « litchis », satria ny fisian’ny « vitamine C » sy « polyphénols » be dia be ao aminy dia mahatonga azy ho mpiara-miasa manohitra ny fiantraikan'ny fahanteran'ny hoditra. Ny « antioxidants » ao aminy dia manampy amin'ny fanadiovana ny hoditra sy ny fampihenana ny ketrona.
⚠️Na izany aza, mitandrema ihany amin’ny fihinanana azy. Atao amin'ny antonony, fa tsy atao be loatra satria mety hiteraka « hyperglycémie » izany. Noho izany, mila mitandrina ihany raha voan'ny diabeta ianao.
👉👉 Ankafizo ary ny voankazo « litchis » izay tena vokatra tokoa amin’izao, ary raison y tombony ara-pahasalamana be dia be avy amin’ny fihinanana azy.
🙏🙏🙏Misaotra tompoko❗️

🤝Salama tompoko❗️  📢📢 Hiresaka mahakasika ny solomaso « lunettes de soleil » na   « contre soleil » isika anio.   ⭕️ Las...
27/11/2025

🤝Salama tompoko❗️
📢📢 Hiresaka mahakasika ny solomaso « lunettes de soleil » na « contre soleil » isika anio.
⭕️ Lasa fahazaran’ny rehetra ny fampiasana « lunettes de soleil » na « contre soleil », nohon’ny hazavana be avy amin’ny fibaliakan’ny masoandro eto amintsika, ankoatran’ireo izay efa zatra manampy haingo amin’ny fampiasana azy io. Misy antony maromaro ny tombony ara-pahasalamana azo avy amin’ny fampiasana azy ity, ka singanintsika manokana eto ny fahafahany mampihena ny fisehon'ny ketrona ho an’izay mampiasa azy.
⭕️ Manampy amin'ny fampihenana ny fisehoan'ny ketrona manodidina ny maso, arak’izany ny fanaovana solomaso « lunettes de soleil » na « contre soleil ». Ny antony dia tsotra, raha tsy manao solomaso dia, afaka miondrika na miketrona rehefa misy ny tara-pahazavan’ny masoandro indrindra raha izy vao miposaka iny.
⭕️ Ankoatr’izany, miaro koa ny hodimaso sy ny manodidina azy izay manify sy marefo tokoa ny solomaso, izay mampiadana ny fahanteran’ny hoditra.
⭕️ Na dia izany aza, mahaiza mifidy solomaso hanaovana, fa sao mahazo ilay misy « degré » ka lasa manimba ny maso indray.
⚠️ Tsara kokoa raha manatona manampahaizana amin’ny fampiasana ny solomaso. Manana « appareil » afaka hitiliana ny maso mba hampifanarahana ny solomaso ilainao, isika ato amin’ny OMSI Toamasina ka azonao atao tsara ny manatona raha te hisitraka an’izany ianao, na efa mpikambana amin’ny OMSI, na mbola tsy mpikambana.
🙏🙏🙏 Misaotra tompoko❗️

Address

Boulevard De La Fidélité
Toamasina
424

Opening Hours

Monday 07:30 - 11:30
14:30 - 17:30
Tuesday 07:30 - 11:30
14:30 - 17:30
Wednesday 07:30 - 11:30
14:30 - 17:30
Thursday 07:30 - 11:30
14:30 - 17:30
Friday 07:30 - 11:30
14:30 - 17:30
Saturday 07:30 - 11:30

Telephone

+261344999002

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when OMSI posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to OMSI:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram