16/04/2026
👉Ireto ary misy torohevitra vitsy2 hamerenana ny feo🗣️ mifarina na lasa mihitsy aza😉 :
1️⃣Miezaha tsy miteny betsaka fa ampangalao aina arak'izay azo atao ny tenda
2️⃣Misotroa rano foana
3️⃣Fadio ny mifoka sigara sy misotro toaka
4️⃣Manaova gararaka amin'ny ranon-tsika matimaty
5️⃣Mihinàna tongolo voakiky hasiny 1 miaraka amin'ny tantely iray sotro isan'andro
📌Raha toa ka maharitra andro maro2 na koa hoe misy fambara hafa toy ny fanaviana, fahasahiranana miaina, fahasahiranana misakafo, fivontosana na fanaintainana eo amin’ny tenda, dia ny tsara tonga dia manantona mpitsabo avy hatrany😊.