23/12/2025
🥗 Sakafo manampy ny vatana sy ny fahasalamana :
Ny vatantsika dia mila sakafo mety sy voalanjalanja mba hiasany tsara sy hisorohana aretina maro. Ny fahasalamana tsara dia tsy miandry marary vao mihetsika, fa manomboka amin’ny safidy ataontsika isan’andro.
🍎 Atidoha
Ny sakafo manankarena amin’ny vitamina sy “antioxydant” (toy ny voankazo sy legioma maitso, voanjo, akondro, paoma…) dia manampy ny atidoha hiasa tsara, manatsara fitadidiana ary mampihena ny harerahana ara-tsaina.
❤️ Fo
Ny sakafo mahasalama toy ny legioma, voankazo, menaka voajanahary ary sakafo tsy dia be tavy dia manampy amin’ny fiarovana ny fo, mampihena ny tosidrà ary misoroka aretim-po.
🧠 Kibo sy tsinay
Ny sakafo misy fibre (legioma, voankazo, katsaka, tsaramaso) dia manampy amin’ny fandevonan-kanina tsara, misoroka ny fitohanana ary manadio tsikelikely ny vatana.
🫀 Aty (foie)
Ny aty dia tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana ny vatana. Ny sakafo voajanahary sy tsy be menaka, miaraka amin’ny rano ampy, dia manampy azy hiasa tsara sy hisoroka fahasimban’ny aty.
🌱 Fahazarana (aptitudes) ilaina hiarovana ny fahasalamana
-Misafidy sakafo ara-pahasalamana isan’andro
-Misotro rano ara-dalàna
-Mampihena siramamy, sira ary menaka be loatra
-Manao fanatanjahan-tena kely na dia tsotra aza
-Matory ampy tsara ary manena adin-tsaina
👉 Tsara kokoa ny misoroka toy izay mitsabo.
Ny fahalalana ny sakafo sy ny otrikaina ilain’ny vatana dia manampy antsika hiaro ny fahasalamana sy hisoroka aretina maro alohan’ny hisehoany.