Alain ratò

Alain ratò "Efa mikoriana ao anaty ra
Efa noharina hameno ny fanahy
Ny tontolo ny asa soratra "

MITIA FANAHyRaha toa akia tsy maintsy hisara_diaity fo roa mifangia,dia fatory an_tsaina izao!Tiako foana ianao ary izah...
23/02/2025

MITIA FANAHy

Raha toa akia
tsy maintsy hisara_dia
ity fo roa mifangia,
dia fatory an_tsaina izao!
Tiako foana ianao
ary izaho tsy hanadino
mihitsy mihitsy izany,
satria aho efa nino
sy nisotro koa ny ran'
ny fifanekena,
tamin'ny kalisy volamena

Ka ny volana jerena
Raha Sendra ianao mahatsiaro
fa ao ny rakitry ny ela,
ny hira sy ny kalo
niarahantsika teto.
Miangavy anao tsy hisento
na momja iray minitra
fa tsy tiako ianao hitsetra
ny elenelantsika

Fa toa mandindona ahy
Ilay isika hisara_droa
F'ianao toa tsy fanahy
fa nofo be sy fo
Ka tsy maintsy ianao hafoiko
satria manota ny finoko
Fa ny nofo sy fanahy
Tsy miombon_draharaha

Koa raha ho avy ny maraina
isika hisara_dia
Tsarovy sombinaina
fa hatrany aho mbola tia
Saingy fotsiny hoe:
"tsy izaho no anjaran_dry!"

Izay dia mifalia,
ary mahatokia
f'ianao tsy ho very Anjara
satria vehivavy tsara

Alain Ratovonandrasana 09.02.25 11h13min Tsiroanomadidy

Ho anao malalako  zary vita sikotra ao an'eritreritro ao ilay molotrao nitsiky teny amparatazana iny,sy ilay kopakopa-ta...
20/11/2024

Ho anao malalako

zary vita sikotra ao an'eritreritro ao ilay molotrao nitsiky teny amparatazana iny,
sy ilay kopakopa-tana nitory fifandaoza.
Nandeha mantsy ianao,nandeha nanohy fianarana any an-drenivohitra any,
hikaro-pahalalana handresena ny habadoana.
Ô!miangatra ny vintana,miangatra izy,
miangatra satria! nahoana no tsy isika no niaraka nihoatra iny fanadinana iny?
Nefa iza moa aho?Iza no afaka hanome tsiny ny mpandahatra?
F'efa izay no anjara nomeny ny mpanendry.
Eny e! izay nafafy ihany tokoa moa no tsy maintsy jijaina,
namafy fitia miredareda aho ka nanao ambanin-javatra ny tanjoko hany ka nijinja faresena sy fahalavoana.
Nefa a, mirary soa ho anao aho,mirary anao havita izay nokasaina,
f''izaho hamerina hiady ny ady tsy efa,saingy na izany tadidio foana fa tianao aho

Veloma hoy ilay tianao

Alain Ratovonandrasana 20/11/24

05/11/2024
HINOAKORako-draho-ngalyny habakaba-manga.Ory ory ny tany,fa tsy hita manangasangailay ray mpanazavaMpivimbin'hafananaKa ...
07/09/2024

HINOAKO

Rako-draho-ngaly
ny habakaba-manga.
Ory ory ny tany,
fa tsy hita manangasanga
ilay ray mpanazava
Mpivimbin'hafanana
Ka he,mamanala.

ô! miangatra ny lanitra,
miangatra ny vintana.
Fa tsy sitrak'Andramanitra
ny hirarahan'ny kintana
ho rado ny soriko
Ka he,makena ny molotro.

Nefa na izany aza!
izaho tsy hitabataba
hanome tsiny
ny Ray ao ambony.
Fa kosa hinoako
f'izao zava-tiany
hisedrana ny finoako

Alain Ratovonandrasana 240824 Androtra/tsididy

NITEHIN-TRATRARehefa ianao tianyDia mahaiza mankafyFa rehefa hidifianyDia tsarovy fa ny atyNo efa nitomanyTamin'izany or...
24/08/2024

NITEHIN-TRATRA

Rehefa ianao tiany
Dia mahaiza mankafy
Fa rehefa hidifiany
Dia tsarovy fa ny aty
No efa nitomany
Tamin'izany ora izany.
Eny,nitehin-tratra
Saingy,niezaka nitraka

Tsy manozona tsy akory
F'izay ilay toe-pony
Tia tia randram-bao
Ka mahìna ihany ianao

Alain Ratovonandrasana 22.0824

MpandresyMankarary ny fo sy ny saikoNy mandinika anao sadasadaTiako ilaozana ianao fa tsy haikoFa misy mibedy ahy tsy ha...
16/08/2024

Mpandresy

Mankarary ny fo sy ny saiko
Ny mandinika anao sadasada
Tiako ilaozana ianao fa tsy haiko
Fa misy mibedy ahy tsy handrava
Ny manda izay efa mijoro

Ianao,
Tsy volana ambony ny kintana
Fa volana anaty ny rano
Tsy trondro falain'ny fintana
F'ilay rongony mahamamo

Rongony mamamo ny zava-boaary
Izay manana fo ka afa-mitia
Ilay tokana anaty ny sary
Kanto sy mivavaka ery

Ianao,ilay olona miavaka
Tsy maty ny oram-panala
Tsy haraky ny andro mingaina
Tsy voafofo ny varatra koa

Mpandresy ny mandavantaona!

Alain Ratovonandrasana 15.08.24

isika isika foanaManenjika ny oraIsika nefa mbola!MifampidoladolaMitsaika moramoraNy rivo-manakoraNy rahona manjoraIsika...
13/08/2024

isika isika foana

Manenjika ny ora
Isika nefa mbola!
Mifampidoladola
Mitsaika moramora

Ny rivo-manakora
Ny rahona manjora
Isika kotsakotsa
Saingy,samy tsy kanosa

Dia mbola io miray
Mizotra fehizay
Ho amin'ny tanjona iray
Dia ny hiombon-day

F'isika isika foana
Na aza enjehin'ny fotoana

Alain Ratovonandrasana.

Aleo manginaRehefa mandinika Ny tafatafa Nifanaontsika roaDia vao-dinitrafa miverina ny lasamotem-po indray foSaingy ale...
08/08/2024

Aleo mangina

Rehefa mandinika
Ny tafatafa
Nifanaontsika roa
Dia vao-dinitra
fa miverina ny lasa
motem-po indray fo

Saingy aleo mangina
aleo tsy miteny
izany rehetra izany
Ndrao ianao liana
hamerina an'ireny
ka hipody ny tomany

Alain Ratovonandrasana 09.08.24

Ampy ahyEfa nodorakony diary rehetra.Efa nofongorikoTsy hisy hitoetraTsy tiako ny hievinaraha sendra ianao matsiarona ko...
06/08/2024

Ampy ahy

Efa nodorako
ny diary rehetra.
Efa nofongoriko
Tsy hisy hitoetra

Tsy tiako ny hievina
raha sendra ianao matsiaro
na koa manembona
ny vita an-taona maro

nefa, izao ianao mandalo
milaza ho mbola tia
mivimbin-teny mamy sy kalokalo
saingy toa anjoria

Ka aoka mihitsy aloha
aleo aho hiala saasatra
ampy ahy ireo taloha
sanatria ny hijabaka

Alain Ratovonandrasana

Ontsa ho aho ny fokoOntsa ho aho ny fokoMahita ireto zazagasyMiaina anaty loto,tsikokoMiaina anaty fakoZara raha mahazoI...
06/08/2024

Ontsa ho aho ny foko

Ontsa ho aho ny foko
Mahita ireto zazagasy
Miaina anaty loto,tsikoko
Miaina anaty fako
Zara raha mahazo
Izay anjaran-kanina
Ka dia mitanitanina
Ireo mpanana
Miaina anaty fiadanana
Minosanosana amin'irony hôtely
Ny zazavavy kely
Indray,mivaro-tena
Mivarobaro-body
Amin'ireo tsy mataho-tody
Taranaka mpanjanaka
Mpaniba ny taranaka
Mpamono ny efa lanaka
Mpanidry ny efa sasatra

Ireo zazalahy
Mivondrona ho tambajotra jiolahy
Mpaka an-keriny
Sy mpamaky trano
Mpanampatra ny heriny
Nidoroka dia mamo
Maty ny eritreriny

Ontsa ho aho ny foko
Ontsanao ry taniko
Ontsanao ry gasy
Saingy tsy afaka hitoloko
Satria ny eto mbola mamiko
Na dia efa miharatsy

...???...

Ontsa ho aho ny foko
Mahita ireo mpitondra
Midera sy manompo
Vola aman-karena
Fa tsy mba mahafoy iray minitra monja
Hanompona firenena

Dia malagasy
Indray no mangasihasy
Fa tsy sahy mihotra
Satria matahotra anao vazaha
Vazaha an-taratasy
Vazaha fa malagasy
Vazaha mitondra basy
Vazaha avy any lafirantsy
Hoy Aÿ moa lafrantsa
Mpabotry anay mahatra

Ô! ontsanao ny foko
Ontsanao ry fireneko
Saingy Izaho tsy hitoloko
Fa ianao no tsy maintsy ho fandreseko

Alain rato 22.12.23 tamin'ny 10 ora sy 44 minitra ( tsiroanomadidy; androtra)

tsy matahon-trozonaAnio ianao mitomany!Mitomany,satria lanyny lainga tsara rindraNetinao namindraTambony fahamarinakof'i...
06/08/2024

tsy matahon-trozona

Anio ianao mitomany!
Mitomany,satria lany
ny lainga tsara rindra
Netinao namindra
Tambony fahamarinako
f'izao ianao irindrinako
ato an'efitra mangina
dia feno fahoriana

ka he,miantsoantso tody
sy mihirahira tsiny
saingy,izaho miambozona
aretina tsy misy fanafody
ka tsy mataho-trozona
f'efa vita vakisiny

Alain Ratovonandrasana

NENINATsy hoe:izaho no tsy andalovanaNa tsy mivaditrovanaF'ianao no tsy matotraVehivavy tsy azo antokaFa tia mihetraketr...
17/07/2024

NENINA

Tsy hoe:izaho no tsy andalovana
Na tsy mivaditrovana
F'ianao no tsy matotra
Vehivavy tsy azo antoka
Fa tia mihetraketraka
Tsy mahay mipetra
Amin'izay ananana
Fa tia mana-maro namana

Ary ianao,tsy mba taranak'i abela
Satria tia mifadibadidela
Fa tsy mandala fahamarinana
Fa mankafy ny fahamaizinana
Toy ilay menarana ela
Tia mitorotoroka
Ô! nanenina aho nanoroka
Ny molotrao janga
Indrindra ilay niray lamba
Tanaty diavolana
Andriamanitra ô! enga anie
Mba tsy hisy ra hifamatorana

Alain ratò 12.04.24

Address

Tsididy
Tsiroanomandidy

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Alain ratò posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share