DRSP Atsimo Andrefana

DRSP Atsimo Andrefana Direction Régionale de la Santé Publique Atsimo Andrefana

ADY AMIN'NY FIPARITAHAN''NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO ‼️FARITRA ATSIMO ANDREFANA Mitohy hatrany ny fitadiavana ire...
13/01/2026

ADY AMIN'NY FIPARITAHAN''NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO

‼️FARITRA ATSIMO ANDREFANA

Mitohy hatrany ny fitadiavana ireo paik'aidy mba hialana amin'ny fiparitahan''ny aretina MPOX na nendran-drajako

➡️Ny alatsinainy 12 janoary 2026 dia nanatontosa fivoriana niaraka tamin'ireo mpiara-miombonantoka eto an-toerana sy ireo mambran'ny COUSP ny Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka HOTAHIENE Raphaël

✅Samy naneho ny hevitra sy nifampizara ny traikefany avy ny tsirairay ho entina hisorohana hatrany ny fiparitahan'izany aretina izany

✅Nanamafy koa ny avy ao amin'ny croix rouge fa vonona ny hanampy amin'ny fampitanana ireo fanentanana eny amin'ny haino aman-jery sy hanao fanentanana eny an-tsekoly hiaraka amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana,

✅Hisy koa ny fampitana ireo spot eny amin'ireny toerana be olona izay misy toerana fandraisana (salle d'attente) izay ahitana fahita-lavitra ireny
(banky,cotisse, hôpitaly....)

✅Noresahana tao ny fiaraha-miasa amin'ny fitateranana anabakabaka amin'ny fandefasana ireo santionana nalaina tamin'ireo tranga mampiahiahy mba hazahoana valiny fitialiana ara-potoana

✅Izany rehetra izany moa dia ho taterina eo anivon'ny CO izay tarihin'ny prefen''i Toliara MBA ho entina hanatanterahana azy

➡️Hisy moa ny fivoriana hatao indray miaraka amin'ireo mpiara-miombonantoka afaka herinndro izay hijerena indray ny tokony hatao araky ny fivoaran'ny zava-mis

🙏andraikitro, andraikitrinao,andraikintsika, n'y fisorohana sy ady amin'ny fiparitahan''ny aretina nendran-drajako (IMPOX)

Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

SDSP MOROMBE𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐍𝐄𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐉𝐀𝐊𝐎Notontosaina androany 12 janoary ny fivorian’ny mpiasan’ny fahasal...
12/01/2026

SDSP MOROMBE

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐍𝐄𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐉𝐀𝐊𝐎

Notontosaina androany 12 janoary ny fivorian’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra eto an-tampotananan’i Morombe izay notarihin’i Médecin Inspecteur sy ny PFD SIMR.

Fifampizarana no nibahana nandritra ny fotoana:
- fampahafahantarana ankapobeny ny toe-draharaha mikasika ny aretina (point de situation)
- fanazavana mikasika ny aretina: ny fisehony, ny fomba fifindrany ary ny fisorohana
- fanazavana ireo famaritana ny aretina (définition de cas) mba tsy hivaona raha sanatria misy tranga mampiahiahy
- ny tokony hatao sy ny anjara asan’ny tsirairay raha sanatria ka misy tranga

Izao no natao dia ny mba hahatsara fiomanana ny ekipa manoloana ny aretina.

Natao mba ho tatitra.
Am-panajana.

𝑯𝒐 𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒎-𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂𝒏𝒚

''𝑴𝑰𝑨𝑺𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑯𝑶 𝑨𝑵'𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑨𝑽𝑨𝑶𝒁𝑨𝑵𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑨𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨''

DRSP Atsimo Andrefana

Sdsp Morombe

👉Faritra Atsimo Andrefana ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO ➡️Tafapetraka androany 10 janoary 2...
10/01/2026

👉Faritra Atsimo Andrefana

ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO

➡️Tafapetraka androany 10 janoary 2025 ireo sakana ara-pahahasalamana( na barrage sanitaire) roa eto Toliara (amin'ny lalan'ny RN7 sy RN9)

✅Izany no atao MBA hitsirihana sy hizahana ireo mpandeha miditra sy mivoaka ny tanana'i Toliara

✅ Mitohy hatrany ny fanentanana an'ireo mpandeha nba hanaja ireo hetsika sakana ho fiisorohana ny fiparitahan''ny aretina

💯MIASA MIARAKA ISIKA HO AMIN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

‼️ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO ➡️Taorian'ny fivoriana niarahana tamin'ireo mambra ao amin'...
09/01/2026

‼️ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO

➡️Taorian'ny fivoriana niarahana tamin'ireo mambra ao amin'ny CO izay notarihin'ny prefen'i Toliara dia nanatanteraka fivoriana niaraka tamin'ireo mambra ao amin'ny COUSP ny Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka Andriamatoa HOTAHIENE Raphaël
Namariparitra ireo paik'ady ho entina hisorohana ny aretina MPOX dia ny fanaraha-maso, fandraisana an-tanana ary fanentanana

👉Momba ny fanaraha-maso :
✅Fanokafana ny barrage sanitaire roa eto Toliara,dia eny Andranomena RN7 sy Sakabera RN9 rahapitso 10 janoary 2025
Efa manao ny asa fanaraha-maso sy fizahana koa ny eny amin'ny seranam-piaramanidina Andranomena Toliara.

👉 Fandraisana an-tanana
✅Fijjerena ireo olona hiasa (mpitsabo,agent de surface )eny amin'ny toerana manokana handraisana an-tanana ireo marary Raha misy tranga voamarina

👉 Fanentanana
✅Hamafisina hatrany ny fanentanana amin'ny alalan'ireo haino aman-jery eto an-toerana sy any amin'ny Distrika, fiaraha-miasa miaraka amin'ny fitaleavam-paritry ny serasera

🙏Adidiko, adidinao,adidintsika ny miaro ny mpiara-belona amntsika

💯MIASA MIARAKA ISIKA HO AMIN'NY FANOVANA, MANASITRANMinisteran'ny Fahasalamam-bahoakahDRSP Atsimo Andrefana Andrefana

⭕FARITRA ATSIMO ANDREFANA ➡️ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO👉 Ny Alarobia  07 janoary 2026 :Na...
08/01/2026

⭕FARITRA ATSIMO ANDREFANA
➡️ADY AMIN'NY FIPARITAHAN'NY ARETINA MPOX NA NENDRAN-DRAJAKO

👉 Ny Alarobia 07 janoary 2026 :
Nanatontosa fivoriana momba ny ady amin'ny valan’aretina MPOX na nendran-drajako ireo tompon’andraikitra marolafy sivily sy miaramila sy ireo mpiara-miombon’antoka mpiantsehatra ato amin’ny faritra Atsimo Andrefana, izay notarihan’ny Préfet-ny Toliara, notronin’ny lehiben'ny Faritra Atsimo Andrefana mpisolo toerana, ny Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka, ary ny avy ao amin'ny BNGRC.

➡️Nanao famelabelarana momba io aretina MPOX io ny Talem-paritry ny Fahasalam-bahoaka sady nampahafantra ny fisehony, ny fifindràny ary ny fisorohana azy mba hifehezana io aretina io sy ny fiparitahany nandritra izany fivoriana izany.

➡️ Najoro ihany koa na ivo-toerana fandraisana andraikitra vonjy taitra ara-pahasalamana na ny COUSP : Centre opérationnel d’Urgences en Santé Publique eto Toliara.

➡️ Hamafisina hatrany ny fanentanana toy ny fanajana ireo fepetra sakana sy fanantonana haingana ny tobi-pahasalamana Raha misy tranga mampiahiahy.

➡️Efa fantatra ny toerana hanokanana sy handraisana an-tanana ireo marary raha sendra misy tranga voamarina fa mitondra io tsimok’aretina nendra-drajako io.

🙏MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

30/12/2025
Amin'ny alahelo lehibe no hampandrenesana antsika rehetra fa nantsoin'i Ray nody any aminy i Mme HARISOA Eva Leonie Gabr...
22/12/2025

Amin'ny alahelo lehibe no hampandrenesana antsika rehetra fa nantsoin'i Ray nody any aminy i Mme HARISOA Eva Leonie Gabrielle, Laborantin tao amin'ny Hopitaly Be Toliara.Maneho fiaraha-miory sy fiononana feno ho an’ny vady aman-janany, ny havany sy ny fianakavimben'ny fahasalamana. HANDRY AMPIADANANA ANIE NY FANAHINY.

➡️Notontosaina androany 19 desambra 2025 tao amin'ny efitrano fivorian'ny fitaleavam-paritry ny Fahasalam-bahoaka Atsimo...
19/12/2025

➡️Notontosaina androany 19 desambra 2025 tao amin'ny efitrano fivorian'ny fitaleavam-paritry ny Fahasalam-bahoaka Atsimo Andrefana ny famindram-pitantanana eo amin'ny Talemparitry ny Fahasalam-bahoaka teo aloha Andriamatoa LAHIMASY Emihangy sy ny Talemparitry ny Fahasalam-bahoaka vaovao Andriamatoa HOTAHIENE Raphaël

➡️Tamim-piralahiana hatrany no nanatanterahana an'izany famindram-pitantanana izany

✅Nanome voninahitra sy nanotrona an'izany lanonana izany ny Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Toliara sy ny solotenan'ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka Profesora Milijaona RANDRIANARIVELOJOSIA

✅Ary natrehin'ireo Médecin inspecteur, ireo Directeur d'établissement ary ireo mpiara-miasa rehetra ato amin'ny fitaleavam-paritry ny Fahasalam-bahoaka

13/12/2025
FANAOVAM-BAKISINY MIARO AMIN'NY HOMAMIADAN'NY VOZON'NY TRANON-JAZA ➡️Manentana fa Tsy manery🙏 Mankasitraka an'ireo Ray a...
12/12/2025

FANAOVAM-BAKISINY MIARO AMIN'NY HOMAMIADAN'NY VOZON'NY TRANON-JAZA

➡️Manentana fa Tsy manery

🙏 Mankasitraka an'ireo Ray aman-dreny izay nanome fahatokisana ny mpiantsehatra ao amin'ny fahasalamana rehetra nampanao vakisiny ireo zanany na tamin'ny alalan'ireny taratasy fifandraisana ireny na tamin'ny alalan'ny fanaterana ny zanany mivantana

👉 Ankohonana vita vakisiny, Ankohonana salama👈

💪 Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka,eo anilanao hatrany

SARY SDSP TOLIARA II

12/12/2025

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Aldo Kenny, Abdou Ibrahim, Dannio ML, Hardman Aurlis Olaf, Jean Fete Rakotomahefa, Louisan'alph Fañeva, Namako-Antoine Nomenjanahary, Pappa Maellyh

Address

Tulear
601

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRSP Atsimo Andrefana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to DRSP Atsimo Andrefana:

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram

Category