Peaceful life with God

Peaceful life with God Welcome to the page of Peaceful life with God. Please like and subscribe!!�

✨✨
15/08/2023

✨✨

25/04/2023

Saloma!
Manonona ny fiadanan'ny Tompo aminao.
Tonga mamangy anao mitondra ny hafatry ny Tompo amin'izao alina izao, izay hita ao amin'ny Ohabolana 6: 16-19
16 Izao enina izao no halan'i Jehovah, eny fito no ataony ho fahavetavetana:
17 Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina,
18 Ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
19 Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy.

Raha mandinika ireo isika de mahatsapa fa mety efa nanao ny iray amin'ireo voalaza ireo.
Tsarovy rahavako fa ny fahotantsika no efitra mampisaraka antsika amin'Andriamanitra. Ankehitriny ary, dia diniho ny tenanao, ento eo anatrehany avokoa ny fahotanao rehetra ka mibebaha, ary angataho mandrakariva ny Fanahy Masina hanampy tsy hamerina izay ratsy vita intsony.

"Izay tia Ahy dia hitandrina ny didiko" hoy Jehovah, koa dia mipetraka amiko sy aminao ny fanontaniana anio, moa tia an'i Jesosy va izaho sy hianao?

Andao ary hitandrina ny teniny. 💝

Ry havako sy namako, tsarovy fa ny famindram-pon'Andriamanitra no tsy mahalany ritra antsika 🌼🌼Mibebaha, dieny mbola hit...
24/04/2023

Ry havako sy namako, tsarovy fa ny famindram-pon'Andriamanitra no tsy mahalany ritra antsika 🌼🌼
Mibebaha, dieny mbola hita Izy 🙏
Manantòna Azy, fa vonona handray anao Izy.

Fiadanana anie ho anao 💌

Saloma! Anio 19 Aprily Apokalypsy 2:17" Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vat...
19/04/2023

Saloma!
Anio 19 Aprily
Apokalypsy 2:17" Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany."

Mamy èry ny mandinika ny zavatra hiseho rehefa tonga any an-danitra any rahatrizay. Mahareta amin'ny fivavahana, mivavaha ka aza mitsahatra, ka mba ho isan'ireo voasoratra any amin'ny bokin'ny lanitra ny anaranao. 💌💌

17/04/2023

Tsara hariva ee ✨✨
Tonga mamangy anao indray amin'izao hariva izao mitondra ny tenin'Andriamanitra aminao 🌼
Ohabolana 11: 20 "Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny."

Mampatsiahy anao Jesosy anio fa tena toetra mila ananana @ maha mpanara-dia an'i Jesosy anao ny fahaizana mamela ny heloky ny hafa.
Raha mandray famelan-keloka avy amin'Andriamanitra hianao (famindram-po vaovao isan'andro isan'andro), moa ve tsy rariny raha mba mamela ny heloky ny namanao na ny rahalahinao hianao?

Ny hataka fahadimy amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia milaza hoe: "Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay"
Ry havako, mila mahay mifamela heloka aloha isika vao izay mahazo famelan-keloka kosa.

Vavaka: Ray Masina ô, mangataka ny Fanahinao Masina izahay, hampianatra anay hahay hifamela heloka sy hifankatia, ka mba tena ho iray tokoa izahay rehetra ao Aminao, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, Amen 🙏

17/04/2023

Saloma!
Mirary herinandro sambatra ho anao, ary mirary anao koa hotahian'i Jesosy hatrany 🌼🌼
Ho amintsika rehetra anie ny fiadanan'ny Tompo 💌
Bonne semaine 💝

15/04/2023

Saloma!
Tonga mamangy anao indray amin'izao alina izao mitondra ny tenin'Andriamanitra aminao
Lioka 12:40 "Dia miomàna koa hianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo."

Ry havako, tsy misy mahalala izay havoaky ny ampitso isika, eny na ny havoaky ny rehefa avy eo aza tsy fatantsika. Mampatsiahy anao anio ny tenin'Andriamanitra hiambina mandrakariva, hibebaka, hivavaka ka tsy hitsahatra.
Hevero anie ee, raha anio no tonga ny Tompo haka ny ainao, mba ho aiza kosa ny fanahinao?
Ry havako, aza variana amin'izay zavatra mety lò, fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.

Am-pitiavana be 🌼💌

14/04/2023

Tsara hariva ee ✨✨
Tonga mamangy anao indray mitondra ny tenin'Andriamanitra aminao amin'izao alina izao:
Ohabolana 4:14-15
"Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy. Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora."

Fantatrao moa fa manana hery ahafahanao miala sy manalavitra ny ratsy hianao? Tsy avy aiza tsy akory izany fa ny Fanahy Masina. Fanahy mahery no omen'i Jesosy ho anao, dia Fanahy ho entinao manohitra ny fakam-panahy ratsy rehetra. Aza manaiky ho lembenan'i Satana ary ry havako fa ampiasao ny Fanahy Masina izay efa nomen'i Jesosy anao.

Vavaka: ry Fanahy Masina ô, ampianaro aho hahay hihaino ny feonao sy ny anatrao mba hahafahako manohitra ny fakam-panahy ratsy rehetra, Amen 🙏

13/04/2023

Tsara hariva ee ✨
Tonga mamangy anao indray amin'izao alina izao mitondra ny tenin'Andriamanitra aminao
Ohabolana 4:10-13
10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; dia hihamaro ny taona hiainanao.
11 Làlam-pahendrena no atoroko anao; Eny, mitarika anao amin'ny làlana mahitsy Aho.
12 Raha mandeha hianao, dia tsy ho èty ny làlanao; Ary raha mihazakazaka hianao, dia tsy ho tafintohina.
13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazòny izy, fa ainao.

Vavaka: Ray Masina tsara indrindra ô, ampianaro aho hahay hihaino sy hiaina ary hitàna ny teninao. Mangataka ny Fanahinao Masina Ray ô, mba hanokatra ny foko handraisako ny teninao, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, Amen 🙏

08/04/2023

Finaritra ee ✨✨
Manasa anao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ho entinao mibanjina ny hazo fijalian'i Jesosy anio Sabotsy mangina izao:
1)Inona moa no tena anton-dian'i Jesosy tety an-tany?
2) Moa ve mendrika ny hahazo izany famelan-keloka izany isika zanak'olombelona?
3) Inona ny antony mahatonga an'Andriamanitra te hanome antsika izany famonjena izany?

Raha mandinika ireo fanontaniana ireo isika ry namako dia tsotra ihany ny antony: noho ny fahotantsika izay mahatonga antsika ho very any @ helo mandrakizay, dia tonga Jesosy mitondra famonjena ho antsika. Tsy mendrika izany akory isika, kanefa noho ny halehiben'ny fitiavany sy ny halehiben'ny fahasoavany dia nahafoy ny ainy Jesosy hisolo voina antsika. Omen'Andriamanitra antsika izany famonjena izany satria tsy misy foiny ho very ny fanahintsika. Minoa fa toerana ratsy indrindra izany helo afo izany, matoa isika tsy misy foin'Andriamanitra hankany.

Raiso ry havako izany famonjena izany, tsy vidiana anie ee, famonjena maimaimpoana. Mibebaha ary, ka raiso Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy eo amin'ny fiainanao.

Tia anao Jesosy 💝💌

07/04/2023

Finaritra ee,
Amin'izao alina ny Zoma Masina izao, dia manasa anao hibanjina manokana ny hazo fijalian'i Jesosy 🙏

Diniho anie e, na dia fanjaitra kely dia kely manindrona ny tanantsika, dia maheno maharary isika. Alaivo sary an-tsaina amin'izany ny fangirifiriana sy ny fijaliana nahazo an'i Jesosy teo @ hazo fijaliana....
Noho ny fahotantsika no niaretany teo. Tena fitiavana lehibe tokoa no asehon'Andriamanitra antsika, satria ny Zanany lahitokana no nafoiny hisolo voina antsika.
Famonjena tsy vidiana rahavako, famonjena maimaimpoana no omeny.
Mamangy antsika Jesosy amin'izao vanim-potoana ny P***a izao, ahy sy anao ny safidy, na handray Azy ho Tompo sy Mpamonjy isika, na tsia.
Raha izany fitiavana lehibe izany, moa avelanao hiala maina va Jesosy?

Diniho re, mandòndona ao am-ponao Jesosy 🙏
Apokalypsy 3:20 "Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho Ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko."

Tia anao Jesosy 💝💌

Address

Port Louis

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Peaceful life with God posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Share on Facebook Share on Twitter Share on LinkedIn
Share on Pinterest Share on Reddit Share via Email
Share on WhatsApp Share on Instagram Share on Telegram